Tantara ao amin’ny soratra masina
Elijah Able


“Elijah Able”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Elijah Able”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

1838

Elijah Able

Asa fitoriana feno finoana sy herim-po

Elia Able manao batisa an’i Eunice Franklin.

Niantso ny lehilahy iray nantsoina hoe Elijah Able ny Tompo mba ho misiônera. Nampianatra an’i Eunice sy i Charles Franklin momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Elijah. Nampianatra azy ireo bebe kokoa momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo. Nino ny zavatra nampianariny i Eunice sy i Charles ary naniry ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Nanao batisa azy ireo i Elijah.

Les saints1:316

Nanofy i Elijah.

Nandeha nizara filazantsara tany amin’ny tanàna iray hafa i Elijah. Indray alina, volana vitsivitsy taty aoriana dia nanofy momba an’i Eunice namany izy. Tao anatin’ilay nofy dia tsy azon’i Eunice antoka intsony fa marina ny Bokin’i Môrmôna, na koa raha Mpaminany i Joseph Smith. Rehefa nifoha i Elijah dia niverina avy hatrany izy mba hijery an’i Eunice.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:27; Les saints1:315–16

I Elijah miresaka amin’i Eunice.

Taitra i Eunice nahita an’i Elijah teo am-baravarany! Marina ny nofin’i Elijah: Tsy nino ny Bokin’i Môrmôna sy tsy nino an’i Joseph Smith intsony i Eunice.

Les saints, 1:317

I Elijah mitory filazantsara tao amin’ny sekoly iray.

Nangataka an’i Eunice i Elijah mba hihaino azy nitory filazantsara tao amin’ny sekoly iray. Rehefa nandre ny tenin’i Elijah izy dia nahatsapa indray ny Fanahy Masina. Fantany fa marina ny filazantsara!

Les saints, 1:317

I Elijah miresaka amin’ny olona eo ivelan’ny sekoly.

Nampanantena an’i Eunice i Elijah fa hiverina ao anatin’ny roa herinandro izy mba hitory filazantsara indray. Saingy tsy tian’ny olona sasany tao an-tanana hiverina izy. Rehefa lasa i Elijah dia nanomboka nilaza tamin’ny olona rehetra izy ireo fa namono olona i Elijah. Nanolotra valisoa ho an’izay rehetra nahita azy izy ireo.

Les saints1:318

I Eunice mifamaly amin’ny olona eo an-tanàna.

Fantatr’i Eunice fa nandainga momba an’i Elijah ny vahoaka. Tsy namono na iza na iza izy. Lehilahy tsara sy mpanompon’ Andriamanitra izy. Fantany fa tsy hanakana an’i Elijah tsy ho tonga mba hitory filazantra teo an-tanàna ny laingan’izy ireo. Nilaza tamin’ny vahoaka i Eunice fa hiverina i Elijah. “Hiaro azy Andriamanitra”, hoy izy.

Les saints1:318

I Elijah miverina  any amin’ilay sekoly.

Niverina i Elijah. Tonga tao amin’ilay sekoly izay nitoriany teo aloha izy. Feno olona marobe naniry ny hisamborana azy teo. Nijoro teo anoloan’ny vahoaka i Elijah. Nilaza izy fa raha te hisambotra azy izy ireo dia tokony hanao izany amin’izao fotoana izao, alohan’ny hanombohany mampianatra. Raha tsy izany dia tokony hamela azy hampianatra izy ireo.

Les saints, 1:318

Olona mifantoka amin’i Elijah mandritra an’azy mampianatra.

Tsy nisy nihetsika ny olona. Niandry i Elijah saingy nipetraka tamim-pahanginana ny vahoaka. Nihira hira iray tao amin’ny fihirana i Elijah, nivavaka, ary nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Niaraka taminy ny herin’ Andrimanitra. Rehefa avy nampianatra izy dia niresaka tamin’i Eunice sy i Charles namany ary nanohy ny asa fitoriany tsisy ahiahy.

Les saints1:319