“Nanolotra ny ainy ho an’ny Filazantsara i Joseph sy i Hyrum”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Nanolotra ny ainy ho an’ny Filazantsara i Joseph sy i Hyrum”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Martsa–jona 1844
Nanolotra ny ainy ho an’ny Filazantsara i Joseph sy i Hyrum
Maty ny Mpaminany, saingy mitohy hatrany ny asan’ny Tompo
Nanahy i Joseph Smith. Inona no hitranga amin’ny Fiangonana raha maty izy? Te haka antoka izy fa mitohy mandeha hatrany ny asan’ny Tompo. Koa namory ireo Apôstôly izy ary nomeny azy ireo ny fanalahidin’ny fisoronana izay nomen’i Jesoa Kristy azy. Midika izany fa afaka mitarika ny Fiangonan’ny Tompo sy manao ny asany ireo Apôstôly. Nanampy an’i Joseph hahatsapa ho maivamaivana kokoa izany.
Les saints, 1:519–20
Saingy maro be ireo olona tezitra tamin’i Joseph. Naniry ny hamono azy mihitsy aza ny sasany. Tsy tian’izy ireo ny zavatra nampianariny. Nanoratra momba azy tao amin’ny gazety iray izy ireo mba hahatonga ny olona maro ho tezitra amin’i Joseph sy ny Fiangonana. Te hanafika an’i Nauvoo ny sasany tamin’izy ireo.
Les saints, 1:526–28, 530–32, 533–34
Voatery nasain’i Joseph sy ireo mpitarika hafa tao Nauvoo nopotehina ny tranom-printy mba hanakanana ny fankahalana tsy hiely patrana. Vao mainka nahatonga ny olona ho tezitra kokoa izany. Nilaza tamin’i Joseph ny governora mba handeha any amin’ny tanànan’i Carthage mba hahafahan’ny mpitsara iray manapa-kevitra raha toa ka nandika ny lalàna izy. Fantatr’i Joseph fa raha toa ka mankany Carthage izy dia hovonoin’ny olona.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4; Les saints, 1:533–37, 539–41
Saingy tian’i Joseph ho voaro ihany koa ireo Olomasina. Raha nandeha tany Carthage izy dia mety hitsahatra tsy hanelingelina an’ireo Olomasina any Nauvoo ny olona. Nanapa-kevitra ny handeha i Joseph. Nitsodrano an’i Emma sy ireo zanany izy, nanoroka azy ireo nanao veloma, ary nanainga nankany Carthage.
Les saints, 1:542–44
Nandeha niaraka tamin’i Joseph i Hyrum rahalahiny. Toy izany koa i John Taylor sy i Willard Richards ary ireo namana hafa. Rehefa lasa izy ireo dia najanon’i Joseph ny soavaliny ary nitodika nijery an’i Nauvoo izy ireo. “Ity no toerana tiako indrindra sy vahoaka tsara indrindra eo ambanin’ny lanitra,” hoy izy.
Les saints, 1:543–45
Rehefa tonga tany Carthage izy ireo dia naiditra am-ponja. Raha mbola tany am-ponja izy ireo dia namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’izy ireo i Hyrum. Nilaza tamin’ireo mpiambina i Joseph fa marina ny Bokin’i Môrmôna.
Les saints, 1:546
Mba hankaherezana ireo namany dia nihira fihirana momba an’i Jesoa i John Taylor. Tena tsara izany ary nangataka azy hihira izany indray i Hyrum.
Les saints, 1:549
Rehefa afaka kelikely tamin’io andro io dia nirohotra nankao amin’ilay fonja ireo olona tezitra. Nanosika ny varavarana izy ireo ary nanomboka nitifitra ny tao amin’ny efitrano nisy an’i Joseph sy ireo namany. Naratra mafy i John Taylor. Maty i Hyrum sy i Joseph.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–2; Les saints, 1:550–52
Nalahelo mafy ireo Olomasina rehefa fantatr’izy ireo fa maty i Joseph sy i Hyrum. Saingy fantatr’izy ireo fa tsy hanakana ny Fiangonana ny famonoana ny Mpaminany. Fiangonan’ny Mpamonjy izany, ary mbola hanohy hitarika izany Izy. Hitohy hitombo hatrany sy hitahy ireo zanak’ Andriamanitra manerana an’izao tontolo izao ny Fiangonana.
Les saints, 1:553–59