“Fanorenana an’i Nauvoo”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Fanorenana an’i Nauvoo”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1840–1842
Fananganana an’i Nauvoo
Ny drafitry ny Tompo mba hanorenana tanàna tsara tarehy
Nasain’ny Tompo niangona tany amin’ny toerana vaovao ireo Olomasina. Teo akaikin’ny renirano lehibe iray antsoina hoe Mississippi izany. Mando sy be fotaka ilay tany. Ho an’ny olona sasany dia toa tsy toerana tsara hanorenana tanàna izany. Saingy fantatr’i Joseph Smith Mpaminany fa afaka manova izany ho kanto izy ireo miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25; Les saints, 1:417
Nanomboka niasa mafy ireo Olomasina mba hahatonga izany ho toerana tsara hipetrahana. Nantsoin’ny Mpaminany Joseph hoe Nauvoo ilay toerana, izay midika hoe “toerana tsara tarehy”.
Les saints, 1:417
Nasain’ny Tompo ny Olomasina hanangana trano ao Nauvoo izay toerana ahafahan’ireo mpandeha ipetrahana sy ialana sasatra. Tiany ho toerana izay nahatsapan’ny rehetra ho voaray tsara i Nauvoo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–24, 60; Les saints, 1:426
Nilaza tamin’ny Mpaminany Joseph ny Tompo fa nanana drafitra lehibe ho an’i Nauvoo Izy. Tiany hiangona eto ireo Olomasiny mba hahafahan’izy ireo manorina tempoly. Nangatahany azy ireo mba hiasa mafy araka izay azon’izy ireo atao mba hanorenana ny tranony. Nanomboka niasa haingana ireo Olomasina.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–28, 44, 55; Les saints, 1:420–21, 425–27
Tian’ny Tompo hanangana tempoly ny Olomasina satria nanana fitahiana lehibe nomena azy ireo Izy. Hanao fanekempihavanana na fampanantenana manokana miaraka amin’ny Tompo izy ireo ao amin’ny tempoly. Hianatra momba ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany rehetra ihany koa izy ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:29–41; Les saints, 1:453–55
Niasa mafy ireo Olomasina mba hananganana ny tempoly, araka ny nodidian’ny Tompo. Naharitra ela izany, saingy nientanentana izy ireo ny amin’ilay andro izay nahafahan’izy ireo tsirairay nianatra momba ireo fampanantenana manokana nataon’ny Tompo ho azy ireo tao amin’ny tempoliny.
Les saints, 1:453–55