“Mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Teny fanolorana
Mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Miteny indray ny Tompo
Tia antsika ny Raintsika any An-danitra. Tiany hanao fanekempihavanana na fampanantenana Aminy isika mba hahafahany mitahy antsika. Naniraka an’i Jesoa Kristy Zanany Izy mba ho Mpamonjy antsika sy hanampy antsika hiverina any Aminy.
Mandefa mpaminany ihany koa Andriamanitra mba hampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny didiny. Manompo an’i Jesoa Kristy sy manampy amin’ny fitarihana ny Fiangonany ireo mpaminany.
Milaza amin’ireo mpaminany ny zavatra tokony hampianarina antsika i Jesoa. Ny tenin’ireo mpaminany taloha ela be dia voasoratra ao amin’ny soratra masina toy ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna.
Nandritra ny taona maro taorian’ny naha-teto an-tany an’i Jesoa dia tsy nisy mpaminany. Tsy nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra sy nitandrina izany ny olona. Tsy teto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.
Kanefa avy eo dia niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany Andriamanitra. Vao tovolahy i Joseph saingy nanana asa manan-danja hampanaovina azy Andriamanitra.
Nampianatra momba an’i Jesoa i Joseph Smith. Nanampy tamin’ny fananganana ny Fiangonan’i Jesoa izy. Jesoa dia nampianatra an’i Joseph Smith ny filazantsarany sy ny fomba hitarihana ny Fiangonany.
Maro amin’ireo zavatra nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph Smith no voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia boky soratra masina tahaka ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna.
Ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mitantara ny fomba namerenan’i Jesoa indray na namerenany tamin’ny laoniny ny Fiangonany omban’ny fanampian’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny hafa. Antsoina hoe Olomasina ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ireo tantara ireo dia mampiseho fa tia ny zanany manerana izao tontolo izao Andriamanitra. Maniry ny hitahy antsika Izy rehefa manao fanekempihavanana Aminy isika.