“Mivory ao Ziona ny fianakaviana Knight sy ireo hafa”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Mivory ao Ziona ny fianakaviana Knight sy ireo hafa”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Desambra 1830–Aogositra 1831
Niangona tao Ziona ny fianakaviana Knight sy ireo hafa
Mankatò ny antson’ny Tompo
Niara-nipetraka tamin’ny fianakaviany tany New York i Polly sy i Joseph Knight. Fantatr’izy ireo tsara ny Mpaminany Joseph. Rehefa avy nianatra ny filazantsara izy ireo dia nisafidy ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa nangataka ny Olomasina hifindra tany Ohio ny Tompo dia nankatò ny fianakavian’i Knight.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37; Olomasina, 1:33, 94, 109–110
Faly ny fianakaviana Knight rehefa tonga tany Ohio izy ireo. I Leman Copley, izay mpikamban’ny Fiangonana, dia nilaza fa afaka mipetraka eo amin’ny taniny ny Olomasina sasany. Nisy tany ampy tao mba hambolena ny masomboly sy hanorenana trano. Niasa mafy i Joseph Knight sy ireo zanany lahy mba hahatonga ireo saha ho vonona amin’ny fambolena.
Les saints1:126–27
Saingy indray andro dia niova hevitra momba ny taniny i Leman. Tsy tiany hipetraka teo intsony ireo Olomasina. Nasainy niala ny fianakaviana Knight sy ny olon-kafa rehetra.
Les saints1:127
Niahiahy ireo Olomasina. Ankehitriny dia tsy nanana toerana hipetrahana izy ireo. Nanontanian’izy ireo ny Mpaminany Joseph ny amin’ny zavatra tokony hataon’izy ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54; Les saints, 1:127
Nilaza ny Tompo fa tokony handeha any Missouri ireo Olomasina ireo ary hanangana an’i Ziona. I Ziona dia ho tanàna iray izay ahafahan’ny vahoakan’ny Tompo miangona. Ao Ziona izy ireo dia hanorina tempoly izay hanaovany fanekempihavanana, na fampanantenana amin’ Andriamanitra. Hitahy azy ireo Izy raha toa ka mitandrina ireo fanekempihavanana ireo izy ireo. Nientanentana ny handeha ny fianakaviana Knight.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8; 42:30–36; 45:59–66; 54:6–9; 57:1–2; Les saints, 1:128
Rehefa nandeha tany Missouri ny fianakaviana Knight dia narary mafy i Polly. Niahiahy i Joseph vadiny sy ireo zanany lahy hoe tsy hiaina ela intsony izy. Saingy nilaza tamin’ny fianakaviany i Polly fa te ho tonga any Ziona izy mialoha ny hahafatesany. Tiany mihoatra noho ny zavatra rehetra izany!
Les saints, 1:128
Taorian’ny dia lavitra dia tonga tao Missouri ny fianakaviana Knight. Tena feno fankasitrahana tamin’ny Tompo i Polly fa afaka nahita izany izy. Nieritreritra ry Knight fa tsara tarehy ilay tany. Nanana finoana izy ireo fa afaka mitandrina ny didin’ny Tompo mba hanangana an’i Ziona eo amin’ilay toerana izy ireo.
Les saints, 1:132
Nanao vavaka manokana ireo Olomasina ary niantso ilay tany hoe Ziona; toerana izay hiavian’ny vahoakan’ny Tompo. Nametraka vato ny Mpaminany Joseph mba hanisiana marika hoe aiza no hisy ny fehizoron’ny tempoly. Andro vitsivitsy taty aoriana dia maty i Polly. Nampanantena ny Tompo fa hitoetra any an-danitra ireo Olomasina izay nankany Ziona sy izay maty.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:1–2; Les saints, 1:132–33