“Ny Tobin’i Isiraely,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Ny Tobin’i Isiraely,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Nôvambra 1833–Febroary 1835
Ny Tobin’i Isiraely
Mianatra matoky ny Tompo
Nila fanampiana ireo Olomasina izay nipetraka tany Independence, Missouri. Niasa mafy izy ireo mba hanorenana an’i Ziona araka ny nangatahan’ Andriamanitra. Saingy tsy tian’ny olona hafa tao amin’ilay tanàna ho ao izy ireo. Nasainy nandao ny tranony ny Olomasina.
Olomasina, 1:195
Nipetraka tany Kirtland i Joseph Smith. Nahare mikasika ny zava-nitranga tamin’ireo Olomasina tany Missouri izy ary nalahelo. Nivavaka izy mba hahafantarany izay tokony hatao. Nasain’ny Tompo nitady olona niaraka taminy nankany Missouri i Joseph. Nanantena izy ireo fa hanampy ny Olomasina ny governemanta mba hahazoan’izy ireo indray ny tranon’izy ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:1–2, 11–20, 30–34; Olomasina, 1:195–96
Olona 100 teo ho eo no nilatsaka an-tsitrapo mba hiaraka aminy. Nantsoin’ny Mpaminany hoe tobin’i Isiraely ity vondrona ity. Nahafaly azy ireo ny nandeha nanampy ireo Olomasina tany Missouri.
Olomasina, 1:197–99
Tao anatin’ilay vondrona i Brigham Young sy i Heber Kimball namany. Nisy zatovolahy iray nantsoina hoe Wilford Woodruff tonga avy any New York mba hanampy.
Olomasina, 1:197–98
Nisy olona fanampiny nanatevin-daharana an’ilay toby. Nandeha nandritra ny volana iray manontolo izy ireo ary niampita renirano midadasika nankany Missouri. Reraka sy narary izy ireo. Nahatonga ny olona sasany hahatsapa fahasorenana ihany koa ilay dia naharitra. Mbola lavitra ny dian’izy ireo mandra-pahatonga any amin’ny tanànan’i Independence.
Olomasina, 1:200–201
Rehefa nanohy nandeha izy ireo dia nisy vehivavy iray niantso azy ireo. Nilaza izy fa misy andiana lehilahy tamy hamono azy ireo.
Olomasina, 1:203
Nijanona nandritra ny alina teo amin’ny havoana iray ambonin’ny renirano iray ny Tobin’i Isiraely. Rehefa nanangana toby izy ireo dia nisy lehilahy dimy nitaingin-tsoavaly nankeo amin’izy ireo. Niteny tamim-pireharehana izy ireo fa nisy lehilahy 300 fanampiny efa an-dalana hanafika ilay toby. Maro tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Isiraely no niahiahy. Notenenin’i Joseph izy ireo mba hanana finoana fa hanampy azy ireo Andriamanitra.
Olomasina, 1:203
Vetivety dia rakotra rahona niloko volombatolalaka ny lanitra. Nanomboka avy be ny orana. Nihalalina ilay renirano. Nifofofofo ny rivotra ka nanadaraboka hazo. Nisy tselatra teny amin’ny lanitra. Nahita fiangonana kely izay nahafahan’izy ireo ho voaro i Joseph sy ireo hafa. Nihira hira tao amin’ny fihirana izy ireo nandritra ny alina. “Ao anatin’io rivo-mahery io Andriamanitra!” hoy i Joseph.
Olomasina, 1:203–4
Nanakana ireo olona naniry ny hanafika azy ireo ilay tafio-drivotra. Voaro ilay toby. Saingy nilaza ny governemanta fa tsy hanampy ny Olomasina izy ireo. Nilaza tamin’i Joseph ny Tompo fa afaka mody ny Tobin’i Isiraely. Tokony hanorina an’i Ziona ny Olomasina amin’ny alalan’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra. Nampanantena Izy fa “hiady ny adin’i Ziona.”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:1–19; Olomasina, 1:204–5
Tezitra ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny toby rehefa naheno izany. Nalahelo izy ireo fa tsy afaka niady ho an’i Ziona. Nihevitra ny olona sasany fa tsy nahomby ny Tobin’i Isiraely. Saingy ny hafa kosa, tahaka an’i Brigham Young sy i Heber ary i Wilford, dia feno fankasitrahana noho ny fahafahana niaraka tamin’ny Mpaminany Joseph ary nianatra avy Taminy.
Olomasina, 1:205–6
Tatỳ aoriana dia niteny tamin’i Joseph Smith ny Tompo mba hiantso Apôstôly Roambinifolo hanampy amin’ny fitarihana ny Fiangonany. Ho vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao ireo Apôstôly. Valo tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo no niray dia tao amin’ny Tobin’i Isiraely. Nanampy azy ireo hiomana amin’io antso manan-danja io ny fanompoana niaraka tamin’i Joseph.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:26–27; 107:23; Olomasina, 1:214–17