Tantara ao amin’ny soratra masina
Naorina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy


“Naorina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Naorina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Aprily 1830

Naorina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

Fivorian’ny Fiangonana feno fifaliana

I Joseph Smith mandray ireo olona ho ao an-tranon-dry Whitmer ho an’ny fivoriana voalohan’ny Fiangonana.

Efa natao printy ankehitriny ny Bokin’i Môrmôna, ary teto an-tany indray ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra. Nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo fa tonga ny fotoana hanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Olomasina, 1:84

Manangana ny tanany ireo olona mba hanohana an’i Joseph sy i Oliver ho mpitarika ny Fiangonana.

Tamin’ny 6 aprily 1830 dia vehivavy sy lehilahy 40 teo ho eo no tonga tao antokatranon’ny fianakaviana Whitmer mba hanorina ny Fiangonana. Niantso an’i Joseph sy i Oliver hitarika ny Fiangonany ny Tompo. Nangataka ny mpanatrika i Joseph sy i Oliver mba hanangana ny tanany mba hampisehoana fa nanohana azy ireo ho mpitarika azy ireo izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–3; Olomasina, 1:84

Faly ireo mpikamban’ny Fiangonana vaovao nandray ny fanasan’ny Tompo.

Taorian’izay dia nanamasina ny fanasan’ny Tompo i Joseph sy i Oliver. Nomen’izy ireo an’ireo mpanatrika izany mba hanampiana azy ireo hahatsiaro an’i Jesoa Kristy. Dia nametraka ny tanany teo ambony lohan’ireo olona izay natao batisa i Joseph sy i Oliver avy eo. Nandray azy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana izy ireo ary nanome azy ireo ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79; Olomasina, 1:85

I Joseph mampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana vaovao.

Nomen’ny Tompo hafatra iray ho an’ilay Fiangonana vaovao i Joseph. Nasainy nosoratan’izy ireo ny zava-nitranga tao amin’ny Fiangonana. Nolazainy fa i Joseph Smith no Mpaminaniny. Nampanantena ireo mpikamban’ny Fiangonana Izy fa raha mitandrina ireo didy nomeny an’i Joseph izy ireo dia hitahy azy ireo Izy. Tsy hanan-kery amin’izy ireo ny devoly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–6; Olomasina, 1:85

Joseph Smith sy ny rainy mifamihina.

Faly izaitsizy ireo mpanatrika fa nanana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy! Taorian’ilay fivoriana dia olona maro hafa no natao batisa, anisan’izany ny reny sy ny rain’i Joseph Smith. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano ny rainy dia nofihinin’i Joseph mafy izy. “Velon’aina aho mba hahita ny nanaovana batisa ny raiko mba ho lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy!” hoy izy.

Olomasina, 1:86

Feno fankasitrahana i Joseph nanampy tamin’ny famerenana ny Fiangonana tamin’ny laoniny.

Tao aoriana kely tamin’io alina io dia nandeha tany an’ala irery i Joseph. Feno hafaliana ny fony. 10 taona lasa izay no nahitany voalohany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Betsaka ny zavatra nitranga nanomboka tamin’izay. Tena feno fankasitrahana i Joseph fa afaka nanampy tamin’ny famerenana amin’ny laoniny na fametrahana indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy!

Olomasina, 1:86