Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny Tenin’ny Fahendrena


“Ny Tenin’ny Fahendrena”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Ny Tenin’ny Fahendrena”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Febroary 1833

Ny Tenin’ny Fahendrena

Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahasalamana

Fivorian’ny Sekolin’ny Mpaminany.

I Joseph Smith dia nanasa lehilahy vitsivitsy tao amin’ny Fiangonana mba hanatrika fivoriana miaraka aminy tao amin’ny rihana ambony amin’ny trano fivarotan’i Newel sy i Ann Whitney. Nianatra filazantsara sy lohahevitra hafa izy ireo tao ary nivavaka tao anatin’ny vondrona iray. Nantsoin’izy ireo hoe Sekolin’ny Mpaminany ireo fivoriana ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:117–137; Les saints, 1:166

Nanadio i Emma Smith taorian’ilay fivoriana.

Maro tamin’ireo lehilahy no nifoka pipa sy nihinana paraky nandritra ny lesona. Nanamainty ny rivotra ny setro-tsigara , ary nandoto gorodona ny paraky. Taorian’ireo fivoriana dia niakatra tany ambony rihana i Emma Smith mba hanadio ny efitrano. Tena naloto izany!

Les saints, 1:7167

I Emma miresaka amin’i Joseph.

Nikiky ka nikosoka an’ilay gorodona i Emma saingy tsy nety niala ny tasim-paraky. Niresaka tamin’i Joseph momba an’ilay korontana izy.

Les saints, 1:167

I Joseph mihaino an’i Emma.

Nihaino an’i Emma i Joseph. Rehefa nihaino azy izy dia nanontany tena hoe inona no tsapan’ny Tompo momba ny paraky.

Les saints, 1:167

I Joseph mivavaka mba hahazo fitarihana.

Noho izany dia nanontany ny Tompo momba ny paraky i Joseph. Nilaza tamin’i Joseph ny Tompo fa manana Tenin’ny Fahendrena ho an’ny Olomasina Izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–9; Les saints, 1:167

Miresaka momba ny fanambarana noraisiny i Joseph sy i Emma.

Nilaza ny Tompo fa ny Olomasina dia tsy tokony hifoka, na hisotro alikaola na “zavapisotro mahamay”, izay midika hoe kafe sy dite.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–9; Les saints, 1:167

Mizara sakafo amin’ny hafa i Joseph sy i Emma.

Nampianatra ny Olomasina ihany koa ny Tompo fa tsara hohanina ny voa sy ny voankazo. Nilaza ihany koa Izy fa afaka mihinana hena izy ireo indraindray.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:10–17; Les saints, 1:168

I Joseph mizara ny Tenin’ny Fahendrena ao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany.

Nilaza tamin’i Joseph ny Tompo fa ireo Olomasina izay misafidy ny hankatò ny Tenin’ny Fahendrena dia ho voaro. Nampanantena ny hitahy azy ireo amin’ny fahasalamana sy fahalalana ary tanjaka ny Tompo. Nilaza momba ny Tenin’ny fahendren’ny Tompo tamin’ireo lehilahy tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany i Joseph.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21; Les saints, 1:168

Lehilahy manipy paraky sy sigara pipan’izy ireo ao anaty afo.

Natsipin’ireo lehilahy tao amin’ilay efitrano tao anaty afo ny pipan’izy ireo sy ny parakiny mba hampisehoana fa te hankatò ny Tenin’ny Fahendren’ny Tompo izy ireo.

Les saints, 1:168