“Nitory filazantsara tany Grande-Bretagne ireo Apôstôly”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Nitory filazantsara tany Grande-Bretagne ireo Apôstôly”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Jolay 1838–jolay 1841
Nitory filazantsara tany Grande-Bretagne ireo Apôstôly
Matoky ny fampanantenan’ny Tompo
Tao anatin’ny fanambarana iray nomena an’i Joseph Smith dia niantso ireo Apôstôly hitory filazantsara any ampitan’ny ranomasimbe any Grande-Bretagne ny Tompo. Na dia sarotra tamin’i Joseph aza ny nandefa lavitra be an’ireo Apôstôly dia natoky ny Tompo izy. Sarotra ho an’ireo Apôstôly koa ny nandao ny fianakavian’izy ireo. Saingy nampanantena ny hitahy azy ireo ny Tompo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118
Mbola kely ny zanak’ i Heber C. Kimball sy i Vilate vadiny. Nanana zazakely vao iray volana monja izy ireo. Maro tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviany no narary mafy.
Les saints, 1:405
Narary koa i Brigham Young, ary nahantra ny fianakaviany. Saingy nilaza taminy i Mary Ann, vadin’i Brigham, hoe: “Mandehana ary vitao ny asa fitoriana niantsoana anao, dia hitahy anao ny Tompo.”
Les saints, 1:404–5
Nanomboka nandeha i Brigham, saingy rehefa tonga teo amin’ny tranon’i Heber izy dia tena nalemy ka tsy afaka namindra. Nijanona niaraka tamin’ny fianakavian’i Heber nandritra ny andro vitsivitsy izy.
Les saints, 1:405
Tonga nikarakara an’i Brigham i Mary Ann mandra-pahatonga azy sy i Heber ho salama ka afaka mandeha. Samy nalemy izy ireo, saingy te hitory ny filazantsara.
Les saints, 1:405
Nanao veloma ny vadiny i Heber sy i Brigham ary nianika tao aorian’ny sarety iray. Nalahelo izy ireo nandao ny fianakaviany narary sy nahantra. Rehefa nanalavitra ilay sarety dia hoy i Heber tamin’i Brigham hoe: “Tena mafy ity.” Te hanampy ny fianakavian’izy ireo hahatsapa ho be herim-po izy. Nangataka ilay mpamily sarety i Heber mba hijanona.
Les saints, 1:405–6
Tao an-trano i Vitale no nandre feo. Nankeo am-baravarana izy, izay nijoroan’i Mary Ann. Nahita an’i Heber sy i Brigham nijoro tao aorian’ilay sarety izy ireo, nanofahofa ny satrok’izy ireo ary nihiakiaka hoe: “Horà! Horà! Horà ho an’i Isiraely!” Namaly ireo vehivavy hoe: “Veloma! Andriamanitra anie hitahy anareo!”
Les saints, 1:406
Tonga tany Grande-Bretagne i Heber sy i Brigham taorian’ny dia lavitra niampita ny ranomasimbe. Nampianatra olona maro momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy ireo niaraka tamin’ireo Apôstôly hafa. Olona an’arivony no natao batisa sy niditra ho mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.
Les saints, 1:408–11
Maro tamin’ireo olona natao batisa tany Grande-Bretagne no nifindra tany Nauvoo mba hanampy amin’ny fanorenana ny tanàna sy ny tempoly. Notazonin’ny Tompo ny fampanantenany hikarakara ny fianakavian’i Heber sy i Brigham rehefa nanompo Azy tamin’ny naha-misiônera izy ireo.
Les saints, 1:437–39