Tantara ao amin’ny soratra masina
Fandaozana an’i Nauvoo sy fandehanana nankany Andrefana


“Fandaozana an’i Nauvoo sy fandehanana nankany Andrefana,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Fandaozana an’i Nauvoo sy fandehanana nankany Andrefana,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Jona 1844–jolay 1847

Fandaozana an’i Nauvoo sy fandehanana nankany Andrefana

Nanome fampanantenana an’ny Tompo sy nitandrina izany ny Olomasina

Brigham Young manara-maso ny fahavitan’ny Tempolin’i Nauvoo.

Nodimandry i Joseph Smith. Teo dia i Brigham Young sy ireo Apôstôly hafa no nitarika ny Fiangonana. Fantatr’i Brigham fa tsy voaro intsony ireo Olomasina tao Nauvoo. Tsy maintsy handao izy ireo. Saingy voalohany, dia tian’ny Tompo izy ireo hamarana ny fanorenana ny tempoly. Tiany hanao fanekempihavanana Aminy izy ireo ary hofehezina miaraka amin’ny fianakaviana.

Olomasina, 1:571, 579–80

Brigham manampy ireo Olomasina handray fitahiana ao amin’ny tempoly.

Volana vitsy taty aoriana dia vonona ny tempoly hanaovan’ny olona fanekempihavanana. Olomasina an’arivony maro no tonga tao amin’ny tempoly. Nijanona hatramin’ny alina tao amin’ny tempoly i Brigham mba hanampiana azy ireo hanao fanekempihavanana amin’ny Tompo. Farany dia nilaza tamin’ny olona rehetra i Brigham fa mila mandao an’i Nauvoo izy ireo.

Olomasina, 1:582

Brigham milaza amin’ny Olomasina fa mila mandao an’i Nauvoo izy ireo.

Rehefa nifoha i Brigham ny ampitso maraina dia Olomasina maro kokoa no niandry tao amin’ny tempoly. Nilaza tamin’izy ireo i Brigham fa tsy azo antoka ny nijanona tao Nauvoo. Nila nitady fonenana vaovao any Andrefana izy ireo. Nampanantena izy fa afaka manorina tempoly vaovao izy ireo rehefa tonga any.

Olomasina, 1:582–83; 2:13–14

Olomasina mitalaho amin’i Brigham mba handray ireo fitahiana ao amin’ny tempoly.

Saingy tsy niala ireo Olomasina. Te hanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo izy ireo nialoha ny nanombohan’izy ireo ny diany ho any amin’ny fonenana vaovao.

Olomasina, 1:583

Brigham manohy nanampy ireo Olomasina handray fitahiana ao amin’ny tempoly.

Nahita ny tarehin’izy ireo i Brigham ka niova hevitra. Mandra-pahatapitry ny andro sy ny ampitso izy dia nanampy ireo Olomasina nanao fanekempihavanana tao amin’ny tempoly.

Olomasina, 1:583

Ireo Olomasina mandao an’i Nauvoo ary nanomboka ny dian’izy ireo miankandrefana.

Ankehitriny rehefa avy nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo ny Olomasina dia tonga ny fotoana handaozana an’i Nauvoo. Fantatr’i Brigham fa nanomana toerana ho azy ireo ny Tompo. Hitany tao anaty fahitana izany. Nanomboka ny diany izy ireo. Nangatsiaka ny andro, ary feno fotaka ny tany. Lasa narary ny olona. Efa lany sahady ny sakafon’izy ireo.

Olomasina, 2:16–18, 20–21

Brigham sy olona hafa mipetraka eo amin’ny toby feno ranomandry.

Mbola lavitra ny lalana niandry ireo Olomasina. Nanontany tena i Brigham hoe ahoana no ahafahan’izy ireo manao dia lava sy sarotra toy izany. Nivavaka izy nangataka ny fanampian’ Andriamanitra.

Olomasina, 2:46

Olomasina mifampikarakara ao Winter Quarters.

Nanome fanambarana an’i Brigham ny Tompo. Nampianatra an’i Brigham ny fomba hitarihana ny Olomasina Izy. Nilaza Izy fa tokony hifanampy amin’ny fikarakarana ny mahantra izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–8

Olomasina manohy ny dian’izy ireo miankandrefana amin’ny lohataona.

Nilaza ny Tompo fa tokony hahatsiaro ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo Taminy ny Olomasina. Raha nanao izany izy ireo dia hitahy azy ireo Izy ary hanampy azy ireo amin’ny dian’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:4, 11, 42; Olomasina, 2:47

Fianakaviana iray mandohalika eo anilan’ny fasana.

Mbola tena sarotra ihany ilay dia. Nisy olona sasany maty. Saingy noho ny fanekempihavanan’ny tempoly nataon’izy ireo dia fantatr’ireo Olomasina fa hahita ny fianakaviany indray izy ireo.

Wilford Woodruff sy Brigham Young tonga eo amin’ny Lohasahan’i Salt Lake.

Volana vitsivitsy taty aoriana dia tonga tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny Olomasina voalohany tamin’ny 1847. Rehefa nahita ilay lohasaha i Brigham Young dia hoy izy: “Ity ilay toerana mety.” Io ilay toerana hitany tao anatin’ny fahitana iray. Io no toerana izay haha-voaro ny Olomasina. Afaka mitsaoka ny Tompo sy manao ny asany am-piadanana izy ireo eo.

Olomasina, 2:17, 64–67

Sary namboarina maneho tempoly sy Olomasina manerana izao tontolo izao.

Nandritra ny taona maro dia Olomasina maro kokoa no tonga. Nanorina tempoly maro kokoa izy ireo, izay toerana nahafahan’ny olona nanao fanekempihavanana amin’ny Tompo. Nandefa misiônera manerana izao tontolo izao izy ireo mba hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nihanitombo hatrany ny Fiangonan’ny Mpamonjy, nitahy ireo zanaky ny Ray any An-danitra na aiza na aiza.