Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny Fikambanana Ifanampiana


“Ny Fikambanana Ifanampiana”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Ny Fikambanana Ifanampiana”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Martsa 1842

Ny Fikambanana Ifanampiana

Manompo ny Tompo ireo vehivavy tao Nauvoo

I Margaret Cook sy i Sarah Kimball miresaka momba ny tempoly vaovao izay teo an-dalam-panorenana tao Nauvoo.

Nipetraka tany Nauvoo i Margaret Cook. Niasa tao amin’i Sarah Kimball izy, nanampy azy nanjaitra. Rehefa miasa izy dia tian’izy ireo ny niresaka momba ny tempoly vaovao izay naorina tao Nauvoo. Tena faly izy ireo noho ilay tempoly.

Les saints, 1:447

Mahatsikaritra i Margaret fa manao akanjo efa tonta ireo mpiasa ao amin’ny tempoly.

Indray andro dia nahatsikaritra i Margaret fa maro tamin’ireo lehilahy nanorina ny tempoly no niakanjo efa tonta sy simba. Nanontany tena izy raha toa ka afaka miara-miasa izy sy i Sarah mba hanjaitra akanjo vaovao ho an’ireo lehilahy ireo. Tian’i Sarah ilay hevitra. Niresaka tamin’ny vehivavy hafa izy sy i Margaret momba ny hananganana vondrona iray hanampy ireo mpiasa.

Les saints, 1:447–48

I Joseph Smith mihaona amin’i Margaret sy i Sarah ary ireo hafa mba hanangana ny Fikambanana Ifanampian’ny Fiangonana.

Nilaza ny Mpaminany Joseph fa faly tamin’ny hevitr’izy ireo ny Tompo, ary nanana zavatra tsara kokoa ho azy ireo Izy. Nasain’i Joseph hihaona aminy ireo vahivavy tamin’ny 17 martsa 1842. Tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana no nandaminany ireo vehivavy tao amin’ny Fiangonana ho fikambanana. Nanapa-kevitra izy ireo ny hiantso ny vondron’izy ireo hoe ny Fikambanana Ifanampiana ho an’ny vehivavy tao Nauvoo.

Les saints, 1:448, 450–51

I Margaret miresaka amin’ny vehivavy roa.

Nangataka ny Fikambanana Ifanampiana i Joseph mba hanampy ny olona ho vonona amin’ireo fitahian’ny tempoly sy ny fiainana mandrakizay. Tokony ho ohatra amin’ny fanarahana an’i Jesoa izy ireo.

Les saints, 1:451

Ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mitondra sakafo ho an’ny fianakaviana sahirana iray.

Nilaza ihany koa i Joseph fa ny Fikambanana Ifanampiana dia tokony hitady ireo olona mahantra ary hanampy azy ireo. Na ireo vehivavy mahantra aza dia te hanampy olona sahirana.

Les saints, 1:449

Fanorenana ny Fikambanana Ifanampiana.

Naorina ny Fikambanana Ifanampiana. Voantso ho filoha i Emma Smith. Niantso mpanolotsaina roa izy, dia i Sarah Cleveland sy i Ann Whitney. Niantso mpitantsoratra ihany koa izy, dia i Eliza R. Snow.

Les saints, 1:450

Mampianatra vehivavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana i Emma.

Nanampy an’i Emma hanatanteraka ny antsony ny Tompo. Nampianatra ireo vehivavy i Emma fa afaka manao zavatra lehibe izy ireo eo amin’ny fanompoana ny Tompo. Tiany ny tsirairay amin’izy ireo hitady fomba hanaovana ny tsara. Ny tena zava-dehibe indrindra hoy izy tamin’izy ireo dia ny mitia ny hafa tahaka ny nitiavan’i Jesoa. Vehivavy maro tao Nauvoo no niditra ho mpikamban’ny Fikambanana Ifanampiana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:3, 7; Les saints, 1:451

Sary namboarina izay maneho ny fomba nanampian’ny vehivavy ato amin’ny Fiangonana ny olona manerana izao tontolo izao.

Nanampy ny olona hiomana ho amin’ireo fitahian’ny tempoly izy ireo ary nanampy fianakaviana maro izay sahirana tao Nauvoo. Nanomboka tamin’izay dia niditra ho mpikamban’ny Fikambanana Ifanampiana ireo vehivavy manerana an’izao tontolo izao. Manohy manompo ny olona ary manampy azy ireny handray ireo fitahian’ny tempoly izy ireo.

Les saints, 1:451