Tantara ao amin’ny soratra masina
Olana tao Missouri


“Olana tao Missouri”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Olana tao Missouri”, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Jolay 1831–jolay 1833

Olana tao Missouri

Mihazona ny finoana ho matanjaka ao anatin’ny fotoan-tsarotra

Olona sasany tao Independence izay tezitra tamin’ny fahatongavan’ireo Olomasina.

Olomasina maro no tonga nipetraka tany Independence, Missouri. Tian’ny Tompo hanangana ny tanànan’i Ziona tany izy ireo. Saingy tsy nifankahazo ireo Olomasina sy ireo olona izay efa nipetraka tao Independence. Tsy niombon-kevitra tamina zavatra maro izy ireo. Tezitra ny olona sasany tao amin’ilay tanàna ary naniry ny hialan’ny Olomasina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:1–3; Les saints, 1:171–74

Ireo mpitarika ao Independence miaraka amin’i Edward Partridge.

I Edward Partridge no eveka tany Independence. Tonga nanatrika fivoriana niaraka tamin’ireo mpitarika tao amin’ilay tanana izy. Nilaza izy ireo fa tsy maintsy miala ao Independence ny Olomasina. Fantatry ny Eveka Partridge fa tian’ Andriamanitra hanangana an’i Ziona ao Independence ireo Olomasina. Nilaza izy fa tsy afaka hiala ny Olomasina.

Les saints, 1:176

Lehilahy tezitra mandrava fonenana sy trano.

Nanomboka nandrava ireo fonenana sy trano izay naorin’ireo Olomasina ireo lehilahy tezitra.

Les saints, 1:177–78, 182

Lehilahy misintona an’i Edward Partridge sy i Charles Allen.

Nalain’ireo lehilahy avy tao an-tranony ny Eveka Partridge sy lehilahy iray hafa nantsoina hoe Charles Allen. Notaritin’izy ireo teo afovoan’ny tanàna ireo lehilahy roa ireo.

Les saints, 1:179

I Edward sy i Charles norarahana tara sy volon’akoho.

Hoy ny Eveka Partridge hoe: “Raha tsy maintsy mijaly noho ny fivavahako aho dia tsy mihoatra noho izay efa vitan’ireo hafa teo alohako izany.” Natosik’ireo lehilahy teo am-povoan-tokontany ny Eveka Partridge sy i Charles. Norarahan’izy ireo tara nahamay sy volon’akoho ny vatan’izy ireo manontolo.

Les saints, 1:179–80

I William McLellin miafina any anaty ala.

I William McLellin, izay mpikamban’ny Fiangonana tao Independence, dia naheno mikasika ny zavatra nataon’ireo olona tezitra. Natahotra izy ary nihazakazaka tany anaty ala mba hiafina.

Les saints, 1:182

I William manontany tena hoe inona no hataony raha toa ka tratra izy.

Nanontany tena i William hoe inona no hitranga raha toa ka hitan’ireo lehilahy tezitra izy. Mbola hilaza ve izy fa marina ny Bokin’i Môrmôna, na dia niezaka ny hamono azy noho izany aza izy ireo?

Les saints, 1:182–83

Nahita an’i William i Oliver Cowdery sy i David Whitmer.

Hitan’ny Oliver Cowdery sy i David Whitmer namany tao anaty ala i William. Fantatr’i William fa nino ny Bokin’i Môrmôna i Oliver sy i David. Nasehon’ny anjely iray azy ireo ireo takela-bolamena. “Lazao ahy,” hoy i William nanontany azy ireo, “marina ve izany Bokin’i Môrmôna izany?”

Les saints, 1:183

Mizara ny fijoroany ho vavolombelona tamin’i William i Oliver sy i David.

Nilaza tamin’i Willliam i Oliver sy i David fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Nilaza izy ireo fa na dia niezaka ny hamono azy ireo aza ireo lehilahy tezitra ireo dia tsy hitsahatra ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany amin’ny olona mihitsy izy ireo. “Mino anareo aho”, hoy i William.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:3–6, Les saints, 1:183