“Fonjan’i Liberty,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Fonjan’i Liberty,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Ôktôbra 1838–martsa 1839
Fonjan’i Liberty
Mitady ny Tompo mandritra ny fotoan-tsarotra
Maro ireo olona nipetraka tao Missouri no tsy tia ireo Olomasina. Nandefa miaramila ny governora mba handroaka azy ireo. Nandroaka ny Olomasina avy tao an-tranony ireo miaramila, nangalatra zavatra tao an-tranon’izy ireo, ary nandratra ny maro tamin’izy ireo.
Olomasina, 1:355–56, 362, 364
Nisambotra ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ireo miaramila.
Olomasina, 1:357–58
Nanontany i Joseph raha toa ka afaka manana fotoana irery miaraka amin’ny fianakaviany izy. Tsy nanaiky ireo miaramila. Nentin’izy ireo i Joseph sy ireo voafonja hafa.
Olomasina, 1:366
Indray alina i Joseph sy ireo babo hafa dia nihaino ireo mpiambina nihomehy momba ireo zavatra ratsy nataon’izy ireo tamin’ny Olomasina. Tsy nahazaka nihaino izany intsony i Joseph. Nitsangana izy dia nihiaka hoe: “Mangina!” Niteny tamin’ny herin’ Andriamanitra Izy. Natahotra ireo mpiambina. Niala tsiny izy ireo ary nijanona tsy niresaka intsony.
Olomasina, 1:367–68
Taty aoriana dia napetraka tao amin’ny fonjan’i Liberty i Joseph sy ireo namany. Tena nangatsiaka sy kely ary maizina ilay fonja. Tsy nanana afa-tsy mololo maloto izy ireo hatoriana. Tsy nisy afa-tsy sakafo kely fotsiny, ary nankarary azy ireo izany.
Olomasina, 1:369–70, 374, 384–85
Niasa saina ny amin’ireo Olomasina i Joseph. Tia azy ireo izy. Nanahy ny amin’izy ireo izy. Saingy tsy afaka nanao na inona na inona izy mba hanampiana azy ireo.
Olomasina, 1:385–86
Nivavaka mafy i Joseph. Nanontany an’ Andriamanitra izy hoe aiza Izy ary nahoana Izy no tsy nanampy ny Olomasina. Nanadino azy sy ny Fiangonana ve Andriamanitra?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6
Namaly ny vavaka nataon’i Joseph Andriamanitra. Hoy Izy: “Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao.” Nilaza tamin’i Joseph Izy fa tsy haharitra mandrakizay ireo olany ary ho soa ho azy izany. Nampahatsiahy an’i Joseph Andriamanitra fa i Jesoa Kristy dia nandalo zavatra sarotra kokoa noho izany. Nampanantena Izy fa hiaraka amin’i Joseph “mandrakizay mandrakizay”.