Tantara ao amin’ny soratra masina
Mivondrona ho any Ohio


“Mivondrona ho any Ohio”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Mivondrona ho any Ohio”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Desambra 1830–Mey 1831

Mivondrona ho any Ohio

Ny finoan’i Lucy Smith sy ny fahagagana

Miomana ny hifindra any Ohio i Lucy Smith sy ireo olona ao amin’ny fianakaviany.

Nihabetsaka ny olona no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Ohio. Nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo fa tokony hivondrona ao Ohio ireo Olomasina mipetraka any amin’ny toerana hafa. Ho lava tokoa izany dia izany. Saingy nampanantena ny Tompo fa aorian’ny fanangonana azy ireo dia hampianatra ny Olomasina ny lalàny Izy ary hanome hery azy ireo mba hanaovana ny asany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37; 38:32; Les saints, 1:109–110

Nandeha sambo ho any Ohio i Lucy sy ireo mpiray dia hafa.

Niala tao amin’ny tranony tany New York i Lucy renin’i Joseph sy andiana mpikamban’ny Fiangonana teo amin’ny 80 teo ho eo ka nifindra tany Ohio. Tonga teo amin’ny sambo iray izay hitondra azy ireo amin’ny ampahany amin’ny dia izy ireo. Rehefa avy nandeha nandritra ny andro vitsivitsy izy ireo dia tsy maintsy nijanona ilay sambo. Voasakan’ny ranomandry matevina tanaty rano ny lalan’izy ireo.

Les saints, 1:121–22

Nihitsoka teo amin’ny seranana ilay sambo noho ny ranomandry.

Tsy maintsy niandry ilay ranomandry nitresatresaka ireo Olomasina. Reraka izy ireo, noana, sy lena ary nangatsiaka.

Les saints, 1:122

Ny sasany tamin’ireo Olomasina dia tsy nanana faharetana ary nanomboka nifanditra.

Tena sarotra be ilay miandry. Nanomboka nifanditra ny sasany tamin’ireo Olomasina.

Les saints, 1:122

Niteny tamin’ireo Olomasina i Lucy mba hivavaka amin’ Andriamanitra mba hampitresatresaka ny ranomandry teo amin’ny seranana.

Tsy tian’i Lucy ny naheno an’ ireo Olomasina nifanditra. Fantany fa nila niteny zavatra izy. “Aiza ny finoanareo?” hoy izy nanontany. Nilaza tamin’ny Olomasina i Lucy fa raha mivavaka amin’ Andriamanitra izy ireo dia hampitresatresaka ilay ranomandry Izy ka ho afaka hanohy ny dia izy ireo.

Les saints, 1:122–23

Lalana iray misokatra tao anaty ranomandry.

Tampoka teo dia nandre feo toy ny kotroka izy ireo rehefa nitresatresaka ilay ranomandry. Nisy lalana iray nisokatra teo amin’ilay ranomandry, izay ampy hitsofohan’ny sambon’izy ireo.

Les saints, 1:123

Olomasina mivondrona mba hisaotra ny Ray any An-danitra.

Gaga sy feno fankasitrahana ireo Olomasina. Nivondrona izy ireo mba hivavaka sy hisaotra ny Ray any An-danitra. Nizotra tsara nankany Ohio ny sambon’izy ireo.

Les saints, 1:123

Noraisina an-tanan-droa tao Ohio ireo Olomasina.

Rehefa tonga tany Ohio ny Olomasina dia nandray azy ireo ireo mpikamban’ny Fiangonana tany an-toerana ary nanampy azy ireo hitady toerana hipetrahana. Ny Tompo dia nitazona ny fampanantenany hoe hampianatra azy ireo ny lalàny sy hanome azy ireo hery hanaovana ny asany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42; Les saints, 1:126