2025
Filoha Timothy L. Farnes
Mey 2025


“Filoha Timothy L. Farnes,” Liahona, mey 2025.

Filoha Timothy L. Farnes

Filohan’ny Zatovolahy maneran-tany

Fony 14 taona ny Filoha Timothy L. Farnes dia nisy namany iray izay niangona tany amin’ny antokom-pinoana hafa nanomboka nametraka fanontaniana sarotra momba ny finoany. Sambany teo amin’ny fiainany tamin’izay no nijoroan’i Timothy ho vavolombelona fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith ary marina Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

“Nameno ny efitrano ny Fanahy. Azo tsapain-tanana izany,” hoy izy nitantara. “Nahatsapa izany avokoa izahay rehetra, ary niova daholo izahay.”

Nilaza ny Filoha Farnes fa tiany ny zatovon’ny Fiangonana mba hahafantatra fa ao anatin’ny fianakavian’ Andriamanitra izy ireo.

“Zanak’ Andriamanitra sy zanaky ny fanekempihavanana izy ireo,” hoy izy, “ary afaka ny ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy izy ireo raha manaiky Azy, manaiky ilay fanomezana izay azy ireo noho ny Sorompanavotany.”

I Timothy Lowell Farnes dia teraka tamin’ny 29 jona 1969, tany Baltimore, Maryland. Zanak’i Gary William Farnes sy Mary Ellen Farnes. Fony izy mbola zaza dia nifindra tany Utah ny fianakaviany, izay toerana nahalehibe azy. Izy no zokiny indrindra amin’ireo iray tampo aminy izay miisa fito.

Misiônera tany amin’ny Misiônan’i Porto Alegre Brésil ny Filoha Farnes. Nianatra momba ny toekarena tao amin’ny Brigham Young University izy ary taty aoriana dia nanomboka nanangana orinasa maro ka anisan’izany ny MedSource Direct, ny Aspire, ary ny World Joy izay fikambanana tsy mitady tombontsoa izay mpanasoa ny mpiara-belona.

Nanambady an’i Linsey Anne Farnes tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy tamin’ny 27 aogositra 1992. Manan-janaka dimy sy zafikely enina izy ireo ary mipetraka any Bountiful, Utah.

Ny Filoha sy Rahavavy Farnes dia efa mpitarika teo anivon’ny misiôna tao amin’i Misiônan’i São Paulo Avaratra Brésil nanomboka tamin’ny 2014 ka hatramin’ny 2017. Ny Filoha Farnes teo aloha dia efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra tao amin’ny Vondrom-paritra Utah, filohan’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka, ary evekan’ny tanora tokan-tena.