2025
Rahalahy Sean R. Dixon
Mey 2025


“Rahalahy Sean R. Dixon,” Liahona, mey 2025.

Rahalahy Sean R. Dixon

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany

Noho ny fahafantaran-dRahalahy Sean R. Dixon ireo feo maro misarika ny sain’ireo tanora, dia manantena ny tanora izy mba hijery ireo mpaminany sy apôstôly amin’izao andro maoderina izao ary hatoky sy hanaraka ny fitarihan’izy ireo.

“Hitarika azy ireo ho any amin’i Jesoa Kristy izy ireo,” hoy izy. “Tsy ny mpaminany [Filoha Russell M. Nelson] no tanjona faratampony fa ny Mpamonjy. Saingy ny mpaminany dia mitodika marina tokoa any amin’ny Mpamonjy ka raha manaraka Azy izy ireo dia ho vonona amin’ny zavatra izay hatrehan’izy ireo eo amin’ny fiainany.”

I Sean Romney Dixon dia teraka tamin’ny 5 mey 1970 tao Provo, Utah. Zanakalahin’i Donald Romney Dixon sy Diane Scott Dixon izy. Nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Toronto Canada izy. Taty aoriana dia nanambady an’i M’Shelle Lundquist tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy tamin’ny 14 mey 1992. Manan-janaka dimy izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana licence mikasika ny siansa momba ny fianakaviana avy tao amin’ny Brigham Young University Rahalahy Dixon ary mari-pahaizana maîtrise momba ny fampianarana avy tao amin’ny University of Phoenix. Niasa tao anatin’ny andraikitra maro nampiandraiketana teo anivon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara nandritra ny 30 taona izy, ary amin’izao fotoana izao dia tale misahana ny Institiota ao amin’ny faritr’i Utah atsimo, ka miandraikitra ny insitiota manomboka any Orem hatrany St. George izy. Mpampianatra seminera tao Utah County izy teo aloha ary talen’ny Utah Valley Institute of Religion.

Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia filohan’ny tsatòkan’i Spanish Fork Utah Atsinanana izy. Izy teo aloha dia efa filohan’ny Misiônan’i Redlands Californie, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, ary filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy.