2025
Loholona Ronald M. Barcellos
Mey 2025


“Loholona Ronald M. Barcellos,” Liahona, mey 2025.

Loholona Ronald M. Barcellos

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Namaky ny Bokin’i Môrmôna vao voalohany ny Loholona Ronald M. Barcellos fony izy 12 taona. Rehefa vitany ny famakiana dia nanatona ilay mpampianatra seminera tao amin’ny paroasiny izy ary nanontany raha toa ka afaka manatrika ny kilasin’ny seminera izy.

“Nanatrika ny seminera aho nanomboka tamin’ny faha-12 taonako ka hatramin’ny faha-18 taonako noho ny fitiavako fotsiny nanatrika tao sy noho ny fitiavako fotsiny nihaino ireo tantara tao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna,” hoy izy. “Nahatsapa foana izany fitiavana ny filazantsara izany aho ary nahatsapa foana aho fa marina izany.”

Nanamafy orina ny finoany ny fanaovany asa fitoriana taty aoriana ary nanao voady izy fa hanao ho lohalarahana foana ny filazantsara eo amin’ny fiainany

“Mijanòna eo akaikin’ny [Ray any An-danitra], hajao ireo fanekempihavanana nataonao, ary dia ho tanteraka ireo drafiny ho anao,” hoy izy.

I Ronald Maldonado Barcellos dia teraka tany São Paulo, Brésil, tamin’ny 4 nôvambra 1975. Zanak’i Sérgio Barcellos Silveira sy Marcia Maldonado Barcellos Silveira izy. Nanambady an’i Karin Spat Albino Barcellos Silveira tao amin’ny Tempolin’i São Paulo Brésil izy tamin’ny 4 desambra 1999. Manan-janaka telo izy ireo.

Ny Loholona Barcellos dia nianatra momba ny fitantanan-draharaha tao amin’ny São Marcos University tao São Paulo. Anisan’ireo asa aman-draharahany ny fiasany tao amin’ireo orinasa maro ka nisahana ny varotra izy ary ny naha-mpandraharaha azy. Niara-nanorina tamin’olon-kafa orinasa ara-barotra maro izy, anisan’izany ny GreenMile, LLC, ka tale jeneralin’izany izy nandritra ny taona maro.

Vao haingana ny Loholona Barcellos no namarana ny asa fanompoany tamin’ny naha-filohan’ny misiôna azy tao amin’ny Misiônan’i Lisbonne Portugal. Izy koa dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny tsatòka, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, filohan’ny kôlejin’ny loholona, ary mpampianatra seminera.