2025
Loholona John D. Amos
Mey 2025


“Loholona John D. Amos,” Liahona, mey 2025.

Antso vaovao

Loholona John D. Amos

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Tamin’ny 2020 ny Loholona John D. Amos dia nahazo antso nanova fiainana mba ho lasa filohan’ny Misiônan’i Baton Rouge Louisiane. Zavatra maro teo amin’ny fiainany no nitaky fanovana noho ilay antso, saingy nanaiky ilay asa nampanaovina tamim-pitiavana niaraka tamin’ny finoana ny Loholona sy Rahavavy Amos.

“Efa ela be ny fanapahan-kevitra no noraisina ary efa ela be ny fanolorantena no natao,” hoy ny Loholona Amos. “Rehefa niantso ny Tompo dia namaly fotsiny izahay.”

Teraka tamin’ny 2 nôvambra 1961 tao Lafayette, Louisiane i John D. Amos. Zanak’i John N. Amos Rainy sy i Dorothy Victorian Amos. Nihaona tamin’i Michelle Evette Wright, ilay ho vadiny, tamin’ny alalan’ireo taranja izay niarahan’izy ireo nanatrika tany amin’ny oniversite izy raha samy nandranto fianarana momba ny haitao eo amin’ny herinaratra izy ireo.

Nasain’i Michelle, izay efa mpikamban’ny Fiangonana, i John mba hanatrika lanonam-pandihizana izay nokarakarain’ny Fiangonana tamin’ny fotoana voalohany nifanaovan’izy ireo mba hifankahafantarana. Taorian’izany dia nanomboka nianatra bebe kokoa momba ny Fiangonana sy ny anjara asa fototry ny Mpamonjy ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy.

“Ny zava-drehetra dia momba an’i Jesoa Kristy,” hoy izy. “Izy no ivon’ny zava-drehetra.”

Ny Loholona Amos sy i Michelle dia nivady tamin’ny 9 jona 1990 tao amin’ny Tempolin’i Atlanta Georgia. Manan-janaka telo sy zafikely enina izy ireo.

Ny Loholona Amos dia nahazo mari-pahaizana momba ny haitao mikasika ny herinaratra sy ny ingénieurie nucléaire. Nandritra ny fotoana niasany dia efa nanompo tao amin’ny Tafika an-dranomasin’i Etazonia izy, niasa tao amin’ny Siemens Energy Inc., ary nampianatra tao amin’ny University of Central Florida.

Tao anatin’ireo antsom-piangonana nataony teo aloha dia efa Fitopololahin’ny Vondromparitra (Vondromparitra Atsimo Atsinanan’i Amerika Avaratra) izy, filohan’ny misiôna, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny Sekoly Alahady teo anivon’ny paroasy, mpitantsoratra mpanatanteraka teo anivon’ny paroasy, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo ary mpitarika tao amin’ny ankizy madinika teo anivon’ny paroasy.