2025
Any ambadiky ny sehatra: Fandikana teny am-bava sy fikarakarana ireo vahiny
Mey 2025


“Any ambadiky ny sehatra: Fandikana teny am-bava sy fikarakarana ireo vahiny,” Liahona, mey 2025.

Any ambadiky ny sehatra: Fandikana teny am-bava sy fikarakarana ireo vahiny

Ao anatin’ny faran’ny herinandro iray isaky ny enim-bolana dia mankafy ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany isika. Saingy any ambadiky ny sehatra dia mpilatsaka an-tsitrapo sy mpiasan’ny Fiangonana an’arivony no miasa mandritra ny volana maro mba hahatanterahan’izany.

Mandamina ny zavatra rehetra izy ireo mba hampitana ireo hafatry ny mpaminany any amin’ny olona an-tapitrisany maneran-tany. Indro misy topimaso kely mikasika izany asa goavana izany.

Ny fandikana teny am-bava

Ekipa miisa telo amby efapolo amby zato manerana izao tontolo izao no mandika mivantana ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba hahafahan’ny mpikambana mihaino izany tsy misy fanemorana amin’ny fitenin-drazany. Ny 57 amin’ireo ekipa ireo ihany no mandika avy ao amin’ny foiben’ny Fiangonana ao Salt Lake City.

Ny fandikana teny am-bava dia tsy mitovy amin’ny fandikan-teny an-tsoratra izay ahitana ny fanovana ireo teny voasoratra amin’ny fiteny hafa. Mandritra ny fandikana teny am-bava dia tsy maintsy mivonona ireo epika mandrafitra ireo fiteny mba handika ireo fanovana sy fanamarihana miseho ao anatin’ny minitra farany eny amin’ny polipitra. Ireo mpandika teny dia manampy ireo mpikambana manerana an’izao tontolo izao mba hihaino ny filazantsara amin’ny fitenin-drazany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:11).

Fikarakarana ireo vahiny

Raha toa ianao efa nanatrika ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tany Salt Lake City, États-Unis dia efa tsikaritrao ireo mpandray olona izay manoro ny toerana hipetrahanao. Misiônera eo amin’ny 400 eo ho eo ao Temple Square no manolotra an-tsitrapo 9000 ora mandritra ny fizotran’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba hanampiana ireo vahiny hiditra sy hivoaka amim-pilaminana ny Ivon-toeran’ny fihaonambe.

Mitarika mpitsidika miisa 20.000 izy ireo isaky ny fivoriana irain’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Raha vantany vao mifarana ny fivoriana iray dia miasa mba hamoahana ireo mpitsidika faran’izay haingana izy ireo mba hahafahan’izy ireo manadio ny lalantsara ho an’ireo olona hafa hanatrika ny fivoriana manaraka.