2025
Loholona Wan-Liang Wu
Mey 2025


“Loholona Wan-Liang Wu,” Liahona, mey 2025.

Loholona Wan-Liang Wu

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Rehefa feno 10 taona ny Loholona Wan-Liang Wu dia niala tany Taiwan ka nifindra nankany Bolivie ny fianakaviany. Tany no nihaonan’ireo anabaviny tamin’ireo misiônera tamin’ny alalan’ny namana. Nanomboka nihaona tamin’ireo misiônera izy ary natao batisa tamin’ny faha-11 taonany.

Tsy mora ny mizatra toeram-ponenana vaovao saingy feno fankasitrahana izy noho ny fifindran’ny fianakaviany tany. “Namoy zavatra aho mba hahazoana zavatra tsara kokoa amin’ny fomba tsara kokoa avy amin’ny Tompo,” hoy izy.

I Wan-Liang Wu dia teraka tany Taipei, Taiwan, tamin’ny 22 desambra 1970. Izy no zandriny indrindra amin’ireo zanak’i Chang Yung Wu sy Bao Guey Lin. Manana anabavy telo sy rahalahy iray izy.

Taorian’ny nifindran’ny fianakaviany tany Santa Cruz, Bolivie, dia nifindra tany Buenos Aires, Argentine izy ireo fony izy 14 taona. Taorian’ny asa fitoriana ny filazantsara nataony tao amin’ny Misiônan’i Hong Kong Chine dia nanambady an’i Marcela Beatriz Castellani tao amin’ny Tempolin’i Buenos Aires Argentine izy tamin’ny 17 martsa 1995. Manan-janaka telo izy ireo.

Nanana sy nitantana toeram-pivarotana enta-madinika tany Buenos Aires izy sy i Marcela. Niasa ho an’ny Fiangonana izy nanomboka tamin’ny 2007, ny voalohany dia tao amin’ny Departemanta misahana ny trano sy ny fananan’ny Fiangonana ary avy eo dia mpitantana misahana ny fampiasana sy ny fikojakojana ny trano sy ny fananana tao amin’ny Vondromparitra Atsimo Amerika Atsimo tamin’ny 2016.

Ny Loholona Wu dia nahazo mari-pahaizana licence momba ny fitantanan-draharaha avy tao amin’ny Universidad Argentine de la Empresa tamin’ny 2014 ary nahazo maîtrise momba ny fitantanan-draharaha avy tao amin’ny Universidad del CEMA tao Buenos Aires tamin’ny 2020.

Tamin’ny fotoana niantsoana ny Loholona Wu dia filohan’ny misiônan’i Antofagasta Chili izy. Izy koa dia efa filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona, mpitamboky teo anivon’ny paroasy, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona, ary mpanatanteraka ôrdônansy any amin’ny tempoly.