2025
Fahefan’ Andriamanitra, zatovolahy tena tsara
Mey 2025


11:44

Fahefan’ Andriamanitra, zatovolahy tena tsara

Feno fankasitrahana mandrakizay aho fa mitahy antsika rehetra ireo mpihazona ny fisoronana Aharôna, amin’ny alalan’ny heriny, ôrdônansy ary andraikitra mifandraika amin’izany.

Misaotra anao ry Loholona Andersen noho izany fanehoana mahavariana momba ny herin’ny fisoronana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izany.

Indray alahady maraina tamin’ny janoary teo, raha teo am-panatrehana fivoriana fanasan’ny Tompo aho, dia nanatri-maso fanohanana sy fandrosoana zatovolahy am-polony tamin’ny fisoronana Aharôna. Nahatsapa toy ny nitsingevaheva ny tongotro.

Nanaitra ahy ny nahita fa eran’izao tontolo izao, isaky ny zarakasinora, ao anatin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo tahaka ilay iray natrehiko dia diakona sy mpampianatra ary mpisorona an’aliny, tahaka an’i Easton ilay naman’ny Filoha Holland aninkeo maraina, no notohanana mba ho tendrena ao amin’ny asa fanompoan’ny fisoronana mandritra ny androm-piainany izay manitatra sy mampiely ny fanangonana an’Isiraely.

Isaky ny volana janoary, dia ametrahan-tanana ireo zatovolahy efa ho iray hetsy isa mba hampifandraisana azy ireo amin’ny alalan’ny ôrdônansy, amin’ny fitohizam-pahefana mazava tsara mianotra mankany amin’ny vanim-potoanan’ny Famerenana amin’ny laoniny, tamin’i Joseph sy Oliver—mankany amin’i Jaona Mpanao Batisa sy i Jesoa Kristy.

Nefa tsy fiangonana tia sehoseho ny antsika. Tsy manamaivana na manome lanja be izany isika.

Kanefa indray, eo am-pahitana ny dian’ireo mpihazona fisoronana vao notendrena izay toy ny feon’ny kotrobaratra miparitaka manerana ny tany, dia nanontany tena aho—araka ilay hoe “fiangonan’ny fifaliana” raha toa aza ka tsy tokony natao antso avo teny an-tampon-trano izany. “Androany maraina,” dia nieritreritra aho fa “tokony hisy trompetra sy kipantsona mikarantsana ary tafondro fanapoaka amina fety. Tokony hisy matso mihitsy é!”

Amin’ny fahafantarana ny herin’ Andriamanitra tena izy, dia manatri-maso ny fiovan’ny sori-dalam-piainan’ity izao tontolo izao ity isika amin’ny alalan’ny fielezan’ny hery avy any ambony miparitaka manerana ny tany.

Ireo fanendrena ireo dia mampiditra ireo zatovolahy ho ao amin’ny asa fanompoana mandritra ny androm-piainany rehefa hikatsaka ary koa hirona any amin’ny fahafahana manompo izay hisian’ny maha-zava-manan-danja be ny maha eo azy ireo sy ny vavaka ataony ary ny fisoronan’ Andriamanitra izay hazoniny.

Niatomboka tamin’ny fandefasan’ Andriamanitra ny fitohitohizan’ny zava-nitranga. Niseho tamin’i Joseph sy Oliver izy, sy nametraka ny tanany teo ambony lohan’izy ireo, ary nilaza hoe: “Ianareo ry mpiara-manompo amiko, amin’ ny anaran’ ny Mesia, no tolorako ny Fisoronan’i Aharôna, izay mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1).

Ny “Fisoronana Aharôna” no niantsoan’i Jaona io fahefana io, araka ny rahalahin’i Mosesy sy ireo mpiara-mihazona ny fisoronana aminy. Fahagola, dia nampianarina sy namafisina tamin’ny ôrdônansy—ôrdônansy izay mifantoka amin’ny maha mpianatr’i Mesia, ny Tompo Jesoa Kristy—ireo mpihazona ny fisoronana Aharôna (jereo ny Deoteronomia 33:10).

Manome mazava tsara anjara asa ho an’ireo mpihazona ny Fisoronana Aarôna amin’ny fikirakirana ireo fanaka momba ny ôrdônansy ny bokin’i Nomery. “Ary homenao an’i [Aharôna] sy ny zananilahy … ary ny anjara raharahany dia … ny latabatra … ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoam-pivavahana” (Nomery 3:10, 31).

Tanteraka tamin’ny fiainana sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny fanaovana ôrdônansy sorona biby natao tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha. Izany ôrdônansy tranainy izany dia efa nosoloina ilay ôrdônansy izay antsointsika hoe: ny Fanasan’ny Tompo.

Mandidy ireo mpitondra ny fisoronana Aharôna maoderina ny Tompo androany mba hanao zavatra betsaka tahaka ny nataon’ireo tany aloha, dia ny: mampianatra sy manatanteraka ôrdônansy—izy rehetra, mba hampahatsiahy antsika ny Sorompanavotany.

Rehefa manampy ao amin’ny fanasan’ny Tompo ireo diakona sy mpampianatra ary mpisorona, dia mandray ny fitahiana avy amin’izany tahaka ireo hafa rehetra: amin’ny alalan’ny fanajana ireo fanekempihavanana izay ataony eo am-pandraisana ho an’ny tenany manokana ny mofo sy rano. Fa amin’ny alalan’ny fanaovana ireo adidy ireo ihany koa dia mianatra izy ireo momba ireo anjara asany sy andraikiny ao amin’ny fisoronana.

Nantsoina amin’ny ampahany hoe fisoronana fanomanana ny fisoronana Aharôna satria ireo ôrdônansy dia mamela azy ireo hiaina ao anatina lanjan’ny hafaliana amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy masina anaty fanompoana ny Tompo, manomana azy ireo asa fanompoana ao amin’ny fisoronana amin’ny ho avy, rehefa azo antsoina hanompo amin’ny fomba izay tsy afaka ambara mialoha—anisan’izany ny fanononana tsodrano entanim-panahy mandritra ny fotoana izay tsy maha-marin-toerana ny fanantenana sy ny nofinofy, ary eny fa na dia ny fiainana sy ny fahafatesana aza.

Mitaky fiomanana matotra ny fiandrandrana zavatra goavana toy izany.

Manazava ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fa ireo diakona sy mpampianatra “dia … hampitandrina, hanazava, hanentana ary hampianatra sy hanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:59). Ny an’ny mpisorona, ho fanampin’ireo fahafahana voalaza ireo, dia ny “mitory, mampianatra, manazava, manentana ary ny manao batisa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:50).

Eny, toa betsaka izany rehetra izany, saingy araka ny toe-javatra iainana, ireo zavatra ireo dia miseho ho azy, manerana ny tany manontolo.

Nampianatra ireo fiadidian’ny kôlejin’ny diakona vaovao ny eveka iray. Nanomboka niresaka momba ny mety ho fomba hanaovana izany ao amin’ny kôlejy sy ny paroasin’izy ireo izany fiadidiana vao izany. Nanapa-kevitra izy ireo ny hamangy ireo mpikambana zokiolona ao amin’ny paroasy mba hahafantarany ny zavatra ilain’izy ireo, ary handeha hanao izany avy eo.

Anisany tamin’ireo notompoin’izy ireo i Alan izay mpiara-monina tsy misy fanajana, mpaniratsira matetika ary indraindray feno fankahalana. Lasa mpikamban’ny Fiangonana i Wanda vadin’i Alan, fa i Alan kosa, araka ny voambara, dia olona tsy mba nahafinaritra.

Mbola nandeha niasa ihany anefa ireo diakona, nampiasa vazivazy mba hanamaivanana ny tevatevany, teo am-panalana ny ranomandry teny amin’ny lalana sy ny sisin-dalana, sy fanakisahana ny dabam-pako hankeo amoron-dalana. Toa sarotra ny hankahala ireo diakona, ary i Alan koa nanomboka nankafy ny fisian’izy ireo tamin’ny farany. Nisy fotoana iray nanasan’izy ireo azy ho any am-piangonana.

“Tsy tia fiangonana aho,” hoy izy namaly.

“Eny e, fa ianao tia anay,” hoy izy ireo. “Koa andao hiaraka aminay. “Afaka tonga ao amin’ny fivorian’ny kôlejinay fotsiny ihany ianao.”

Niaraka tamin’ny fankatoavan’ny eveka, dia tonga izy—ary nanohy tonga hatrany.

Lasa mpampianatra ireo diakona, ary rehefa nanohy nanompo azy izy ireo dia nampianariny hanamboatra fiara sy hanangan-javatra. Tamin’ny fotoana nahalasa mpisorona an’ireo diakona lasa mpampianatra ireo, dia niantso azy ireo hoe: “zanako lahy” i Alan.

Niomana mafy ny handeha hanao asa fitoriana izy ireo, ary nanontany azy raha toa ka afaka hanao fanazaran-tena miaraka aminy momba ny lesona misiônera. Nianiana izy fa tsy hihaino sy tsy hino velively izany, kanefa, afaka tonga ao an-trano ianareo raha hanao izany fanazaran-tena izany.

Narary i Alan nony avy eo. Dia nihanalefaka izy.

Indray andro, tao amin’ny fivorian’ny kôlejy dia nangataka azy ireo tamim-pitiavana izy mba hivavaka ho azy ho afaka amin’ny fifohana sigara, dia nataon’izy ireo izany. Fa narahin’izy ireo tany an-tranony izy avy eo mba hangalan’izy ireo ny ambin-tsigarany.

Noho ny fahasalamany niharatsy dia nentina nankany amin’ny hopitaly sy ivon-toerana fanabeazana ara-pahasalamana i Alan, tsy nitsahatra ny fahagagana teo am-panompoan’ireo ’zanakalahin’i Alan” azy, nampiseho mangingina ny herin’ny fisoronana sy ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41).

Nitohy ny fahagagana rehefa nangataka ny mba hatao batisa i Alan, saingy nodimandry izy talohan’ny nitrangan’izany. Tao amin’ny fangatahany dia ireo diakona lasa mpisorona no ho mpilanja azy sy ho mpandahateny amin’ny fandevenana azy, ary teo izy ireo—izay fotoana mety indrindra—no nampitandrina, nanazava, nanentana ary nampianatra sy nanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy.

Ary taorian’ny fe-potoana izay tsy maintsy nilaina dia mazava ho azy fa ny iray tamin’ireo zanakalahin’i Alan dia nataon’ny filohan’ny kôlejin’ny diakona teo aloha batisa hisoloana tena tany amin’ny tempoly, ho an’i Alan.

Ny zavatra rehetra nolazain’i Jaona Mpanao Batisa fa tokony hatao dia nataon’izy ireo. Nanao ny fanaon’ny diakona, mpampianatra ary mpisorona manerana ny Fiangonana sy manerana izao tonolo izao izy ireo.

Iray amin’ireo andraikitra ataon’ny mpihazona ny fisoranana Aharôna ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.

Tamin’ny herintaona dia nifanena tamina eveka feno fitaomam-panahy sy ny sy ny vadiny mahafinaritra aho. Indray sabotsy maraina vao tsy ela dia nondaosin’ny fahafatesana tampoka ny zanakavavin’izy ireo vao roa taona, raha iny izy ireo handeha hanatrika ny batisan’ny zanany lahy iny.

Ny ampitso maraina, ireo mpikambana tao amin’ny paroasiny izay nivory ho amin’ny fanasan’ny Tompo dia feno fangorahana, nangirifiry koa izy ireo noho ny fahalasanan’ity zazavavy kely tsy misy tsiny ity. Tsy nisy nieritreritra fa ho avy any am-piangonana ny fianakavian’ny eveka, kanefa minitra vitsy talohan’ny fiantombohan’ny fotoana dia niditra tamim-pahanginana izy ireo ary nandray toerana.

Nandeha nankeo amin’ny lampihazo sy nandalo teo anoloan’ny sezany mahazatra eo afovoan’ireo mpanolotsainy ilay eveka, fa nipetraka kosa teo afovoan’ireo mpisorony teo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo.

Nandritra ilay alina feno alahelo sy tsy nahitan-tory talohan’ny fitadiavana fahatakarana sy fiadanana, dia nandray fahatsapana mahery vaika izy momba ny zavatra tena ilain’ny fianakaviany—sy ny zavatra tena ilain’ny paroasiny. Izany dia ny mandre ny feon’ny evekany, ny filohan’ny Fisoronana Aharônan’ny paroasiny, ary ny feon’ilay dadan’izy ireo mbola misaona manonona ireo fampanantenan’ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo.

Tamin’ny fotoana voatokana hoan’izany dia nandohalika niaraka tamin’ireo mpisorona ireo izy, ary niresaka tamin’ny Rainy. Tamin’ny alahaelo lehibe no nanononany ny sasany tamin’ireo teny feno hery izay azon’ny olona rehetra tenenina amin’ny feo avo eto amin’ity androm-piainana ity.

Teny manana fiantraikany mandrakizay.

Teny ao amin’ny ôrdônansy.

Tenin’ny fanekempihavanana.

Toromarika izay mampifandray antsika amin’ilay tena tanjon’ity fiainana ity—ary ny vokatra tsara indrindran’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika.

Azonao sary an-tsaina ve ny zavatra henon’ny mpiangona tao amin’izany trano fiangonana izany tamin’io andro io, ny zavatra tsapan’izy ireo tao anatin’ireo teny izay fandrentsika isaky ny alahady?

“Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay, amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy hitahy sy hanamasina ity mofo ity ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay mandray amin’izany, mba hahazoany mihinana ho fahatsiarovana ny vatan’ny Zanakao sy hijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, fa vonona izy ireo ny hitondra ny anaran’ny Zanakao, ny hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo; mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy. Amena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77).

Avy eo dia ny hoe: “Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy, hitahy sy hanamasina ity rano ity ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay misotro amin’izany, mba hahazoany manao izany ho fahatsiarovana ny ran’ny Zanakao izay nalatsaka ho azy ireo; mba hijoroany ho vavolombelona Aminao Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, fa hotsaroany mandrakariva Izy, mba hananany ny Fanahiny miaraka aminy. Amena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:79).

Ireto ray sy reny tsara ireto dia mijoro ho vavolombelona fa izany fampanantenana izany dia efa tanteraka. Tanteraka tamin’izy ireo, ny tena marina, ny fampiononana maharitra mandrakizain’izy ireo, dia ny “[f]ananany ny Fanahiny miaraka aminy.”

Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna, miaraka amin’ny heriny, ny ôrdônansiny, ary ny andraikiny, dia tena mitahy antsika rehetra amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny “fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa asitrika mba ho famelana ny fahotana“ (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Patrick Kearon, “Tonga soa ato amin’ny Fiangonan’ny fifaliana,” Liahona, nôv. 2024, 37–38.

  2. Tao amin’ilay lahateny nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay mitondra ny lohateny hoe “Tonga soa ato amin’ny Fiangonan’ny fifaliana” ny Loholona Kearon dia nanondro antsika tao amin’ny fanamarihana ambany pejy 10 ny fampianaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Rehefa mandohalika eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo ianao sy manolotra ilay vavaka izay voaray tamin’ny fanambarana, amin’ny maha-mpisorona anao, dia mametraka ireo mpanatrika ho amin’ny fanekempihavanana amin’ny Tompo. Zavatra bitika ve izany? Zavatra manan-danja indrindra sy mahavariana izany” (“The Aaronic Priesthood—a Gift from God”, Ensign, mey 1988, 46).