Tandremo ny fakam-panahy faharoa
Aza miafina amin’ireo izay hitia sy hanohana anao, fa mihazakazaha kosa mankany amin’izy ireo.
Taona maromaro lasa izay, rehefa feno 12 taona aho, dia nasaina hanatrika ny lasin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna natoriana indray alina tany an-toerana izay natrehako voalohany. Fanasana nandrasana hatry ny ela izany satria mpitarika ny kôlejy ny raiko ary matetika izy no nanao lasy niaraka tamin’ireo zazalahy tao amin’ny paroasy fa izaho kosa nijanona tao an-trano.
Rehefa tonga ilay andro dia faly tokoa aho. Ary ekeko fa naniry mafy ny hifandray tsara tamin’ireo zazalahy lehibe kokoa aho. Tapa-kevitra aho ny haneho fa mendrika izany. Tao anatin’izany ezaka izany dia tsy ela akory dia nozahana toetra aho hahitana raha toa ka handray anjara tamin’ilay sangisangy sy hiray ho lasa mpikambana tao anatin’ilay vondrona.
Haka ny fanalahidin’ny fiaran’ny raiko no asa nampanaovina ahy mba hanaovana sangisangy amin’ireo mpitarika. Tsy tadidiko tanteraka ny zavatra nolazaiko mba handresena lahatra ny raiko, fa vetivety aho dia nihazakazaka tany amin’ilay vondrona zazalahy niaraka tamin’ireo fanalahidy teny an-tanako, faly ery noho ny zava-bitako.
Dia tonga ny asa nampanaovina manaraka avy eo. Nasaina namoha ny varavaran’ny fiara aho ary nametaka hazo iray eo anelanelan’ny fiankinana amin’ny sezan’ny mpamily sy ny klaxon. Avy eo dia hanidy ny varavarana aho ka haneno mandrapahariva ilay klaxon ary tsy hisy fomba hidirana ny fiara mba hanesorana ilay hazo tsotra kely.
Teto no nivadika ho fanalam-baraka ahy izaitsizy tokoa ny fandehan-javatra. Rehefa tafapetrako tsara tamin’ny toerany ilay hazo dia nidiko ilay varavarana ary nihazakazaka mafy araka izay vitako aho hiafina tao anatina kirihitra teo akaiky teo. Rehefa nihohoka teo amin’ny tany aho dia nahatsapa fanaintainana namaivay. Tao anatin’ny haizina sy ny hamehako dia tafapetraka teo ambony voan-draketa aho.
Takon’ny feon’ny klaxon nitabataba mafy ny kiakiaky noho ny fanaintainako, ka tsy nanana hevitra ankoatra ny niverina tsimoramora teny amin’ny fiara aho, nibaboka ny “heloko,” ary nangataka fitsaboana maimaika izay nanala baraka.
Nandry tamin’ny kiboko tao anaty trano lay aho ny sisa tamin’io alina io ary ny raiko dia nanala ireo tsilo teo amin’ny …, handeha holazaiko fotsiny hoe nipetraka tsy nahazo aina aho nandritra ny andro maromaro taorian’izay.
Nandinika izany zavatra niainana izany imbetsaka aho. Afaka mihomehy amin’ireo hadalan’ny fahatanorako aho izao rehefa nanjary nazava tamiko ireo fitsipika fototra sasany.
Lamina maro eo amin’ny fitondrantenan’olombelona no toa itovizana eo amin’ny olona araka ny nofo—ny faniriana te ho ekena iditra anaty vondrona, ny faniriana te hanaporofo fa mahavita zavatra, ny tahotra hoe sao dia tsy afaka hiaina ireo zavatra tokony hiainana, ary ny filana nanery hiafina mba hialana amin’ny vokatry ny natao. Io fitondrantena farany io no ifantohako anio—miafina rehefa avy nanao zavatra tsy tokony ho nataontsika.
Izao anefa, tsy mampitovy ny sangisangin-jaza nataoko amin’ny fahotana mahaory akory aho, saingy afaka manatsoaka hevitra mitovitovy isika izay afaka ny hanampy rehefa sedraina eto amin’ny diantsika an-tany isika.
Niaina toe-javatra tsy manam-paharoa i Adama sy i Eva tao amin’ny Saha Edena—sakafo be dia be, hakanton’ny saha izay tsy hay hampitahaina amin’inona na inona—tsy hoe saha tsara tarehy fotsiny, fa saha iray tsy nisy ahi-dratsy na voan-draketa.
Fantatsika koa anefa fa nametra ny fivoarana nilain’izy ireo io saha io. Tsy tanjona farany hotratrarina ilay saha fa fitsapana, voalohany amin’ireo maro, izay hizaha toetra, hanomana, ary hamela azy ireo hivoatra amin’ny toerana farany itodiana, dia ny fiveranana eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka.
Hotsaroanareo fa nisy fifanoherana tao amin’ilay saha. Navela haka fanahy an’i Adama sy i Eva i Losifera. Nalainy fanahy aloha i Adama mba hihinana amin’ilay voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nandà i Adama rehefa nahatsiaro ny didy tsy hihinana amin’izany. Dia tonga avy eo i Eva voatahy, izay nisafidy ny hihinana tamin’ilay voankazo, dia nandresy lahatra an’i Adama hanao toy izany.
Taty aoriana dia nanambara i Adama sy i Eva fa nilaina tamin’ny fanatanterahana ny drafitry ny Ray any An-danitra izany fanapahan-kevitra izany. Kanefa rehefa nihinana tamin’ilay voankazo izy ireo dia nandika lalàna—lalàna iray nomen’ Andriamanitra azy ireo mivantana. Tsy maintsy namela azy ireo tao anatin’ny fahoriana ny fahatakarana ny tsara sy ny ratsy nitambesatra sy naterak’izany rehefa nandre ny feon’ny Ray nilaza ny fiverenany tao amin’ny saha izy ireo. Nanjary fantany fa nitanjaka izy ireo, satria tokoa toy izany izy ireo, tsy nanana fitafiana, niaina tao anatin’ny tsy fananan-tsiny. Fa angamba nanaintaina kokoa noho ny fitanjahana tamin’io fotoana io ny hoe naharihary noho ny fandikan-dalàny izy ireo izao. Tsy nisy mpiaro izy ireo ary narefo. Nitanjaka tamin’ny hevitra rehetra nofonosin’izany teny izany izy ireo.
I Losifera, mbola mpanararaotra hatrany, izay nahafantatra ny toetran’izy ireo nitanjaka sy narefo, dia naka fanahy azy ireo indray—tamin’ity indray mitoraka ity dia ny hiafina tamin’ Andriamanitra.
Io fakam-panahy io, hantsoiko hoe ilay “fakam-panahy faharoa,” dia ilay fakam-panahy mety hitondra vokatra goavana kokoa raha roboka isika. Azo antoka fa ny hisoroka ireo fakam-panahy voalohany rehetra handika ny lalàn’ Andriamanitra no mety indrindra, saingy fantatsika fa ny rehetra dia ho roboka amina karazana fakam-panahy voalohany maro eto an-tany. Rehefa miroso ao amin’ny fahamatorana sy ny fahatakarana isika dia manantena fa hitohy hivoatra ny tanjatsika hanohitra ireo fakam-panahy voalohany rehefa miezaka ny ho tonga tahaka ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy isika.
Mety halaim-panahy hiafina amin’ Andriamanitra ny sasany satria tsy te ho tratra na ho hita, ary mahatsapa fahamenarana sy fahamelohana. Soratra masina maro anefa no mampianatra antsika fa tsy vita velively ny hiafina amin’ Andriamanitra. Hizara vitsivitsy amin’izany aho.
Nampianatra an’i Jeremia tamin’ny alalan’ireto fanontaniana manaraka ireto ny Tompo: “Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho?”
Ary i Joba dia nampianarina hoe:
“Fa ny mason’ Andriamanitra dia mijery ny alehan’ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
“Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ny mpanao ratsy.”
Nihiaka tamin’ny endrika kanto i Davida mpanao salamo, nanao hoe:
“Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.
“Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako; sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. …
“Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô. …
“Aiza no hialako amin’ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
“Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.”
Mpikambana niova fo vaovao
Ho an’ireo izay vao haingana no lasa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mety ho toa sarotra tokoa ny fakam-panahy faharoa. Nanao fanekempihavanana ianareo tamin’ny alalan’ny batisanareo fa hitondra eo aminareo ny anaran’i Jesoa Kristy, ary tafiditra ao anatin’izany ny filàna manova ny fomba fiaina ho an’ny maro. Tsy mora ny manova fomba fiaina. Matetika izany no mitaky anareo hanova ireo fahazarana sy zavatra fanao ary mety hoe hatramin’ny olona iarahana mihitsy aza mba handrosoana mankany amin’ny Rainao any An-danitra be fitiavana.
Fantatry ny fahavalo fa mety ho mora andairan’ireo fanafihana misoko mangina ianareo. Hataony ho toy ny hoe toa faran’izay manintona izany ny fiainanareo taloha izay tsy nahafam-po anareo tamin’ny fomba maro. Ilay mpiampanga, araka ny iantsoana azy ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia haka fanahy anao amin’ny eritreritra toy izao: “Tsy ampy ny tanjaka anananao entina hanovana ny fiainanao; tsy ho vitanao izany; tsy anisan’ireo olona ireo ianao; tsy hanaiky anao velively izy ireo; malemy loatra ianao.”
Raha toa ka ohatra an’ny hoe marina aminareo izay vao tafaroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ireo eritreritra ireo, dia miangavy anareo izahay mba tsy hihaino ny feon’ilay mpiampanga. Tianay ianareo. Vitanareo io. Manaiky anareo izahay. Ary hanana hery hahavitana ny zavatra rehetra ianareo miaraka amin’ny Mpamonjy. Amin’ny fotoana tena ilanareo indrindra ny fitiavanay sy ny fanohananay dia aza manaiky ho voafitaka amin’ny fiheverana fa holavinay ianareo raha toa ka miverina amin’ny fomba fiainanareo taloha. Amin’ny alalan’ilay hery tsy manan-tsahalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho sitrana indray ianareo. Kanefa raha miafina Azy ianareo na manalavitra ny tenanareo amin’ilay vondrom-pinoana vao nikambananareo, dia manalavitra ny tenanareo amin’ilay tena loharano izay afaka sy hanome anareo ilay tanjaka mba handresena ianareo.
Nizara tamiko ny fahasarotan’ny fihazonana finoana tao anatin’ny fitokana-monina ny namana malalako iray, izay mpikambana niova fo vaovao. Misy hery lehibe ao amin’ny fahatongavana sy ny fijanonana ho isan’ny vondrom-piarahamonina manohana iray—mbola mety ho solafaka ny rehetra kanefa mandroso sady voatahy noho ny fitiavan’i Jesoa Kristy.
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “ny fandresena an’izao tontolo izao dia tsy fisehoan-javatra mitranga ao anatin’ny iray na roa andro. Mitranga mandritra ny androm-piainana izany rehefa miverimberina mandray ny fotopampianaran’i Kristy isika. Mikolokolo finoana an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana izay manome hery antsika. Mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika ary omena tanjaka ara-panahy, sy fanambarana ho an’ny tena manokana, sy finoana tsy mitsaha-mitombo ary ny fanompoan’ny anjely.”
Raha toa ka maratra ara-batana ianao dia hiharatsy ny toe-batanao ary mety hotandindomin-doza ny ainao raha toa ka tsy mikatsaka fitsaboana araka ny tokony ho izy ianao. Marina koa izany raha ny amin’ireo ratra ara-panahy. Fa ny ratra ara-panahy tsy voatsabo kosa dia mety hanohintohina ny famonjena anao mandrakizay. Aza miafina amin’ireo izay hitia sy hanohana anao, fa mihazakazaha kosa mankany amin’izy ireo. Afaka manampy anao hahazo ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo eveka sy filohan’ny sampana, ary mpitarika mahafinaritra.
Ho anareo izay mety miafina ankehitriny, dia miangavy anareo izahay mba hiverina. Mila izay atolotry ny filazantsara sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianareo, ary mila izay atolotrareo izahay. Fantatr’ Andriamanitra ireo fahotanareo. Tsy afaka miafina Azy ianareo. Mihavàna eo anatrehany ianareo.
Ireo Olomasiny rehetra, isika tsirairay dia tsy maintsy manome vahana kolontsain’ny fiombonana ao am-piangonana izay feno fitiavana, fanekena, ary fankaherezana ireo rehetra izay maniry hivoatra manerana ny lalany.
Tandremo io fakam-panahy faharoa io! Araho ny torohevitr’ireo mpaminany na taloha na maoderina ary fantaro fa tsy afaka hiafina amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana ianareo.
Aoka kosa ny tenanareo ho vonona handray ny hery manasitrana mahagagan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Izany indrindra no tena tanjon’ny fisiantsika mba handray vatana malemy sy mety maty izay “andairan’ny karazany rehetra amin’ny rofin’ny vatana” izay, mampalahelo fa, ho roboka amin’ny fakam-panahy voalohany maro, mba hivoatra na dia rehefa lavo amin’ireny fakam-panahy ireny aza isika, ary mba hikatsaka fanampiana avy any an-danitra avy eo, mba hahatonga antsika ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy antsika sy ny Raintsika any An-danitra. Izany no lalany. Izany no hany lalana. Ireo fahamarinana ireo no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.