Mankamamy ny aina
Ampahany sarobidy indrindra eo amin’ny drafitra tonga lafatry ny Raintsika ny aina, ary noho ny lalàny dia ankamamiantsika sy arovantsika izany.
Nampianatra antsika i Jesoa Kristy Mpamonjintsika hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”
Nozarain’ny eveka iray tao Utah vao tsy ela tamiko ny fitobaham-pitiavana tao amin’ny paroasiny ho an’ny zatovovavy iray sy ny fianakaviany. Tao anatin’ny trangan-javatra kanto maro nifanesy no naha-tapa-kevitra ny ray aman-dreniny hiverina amin’ny Mpamonjy sy amin’ny Fiangonany. Nandritra ny fotoana nanalaviran’izy ireo ny Fiangonana dia niaraka tamina zatovolahy iray ny zanak’izy ireo vavy vao zatovo. Rehefa niverina navitrika ity zanakavavy sarobidy ity dia nahatsapa fitiavana mihoam-pampana avy tamin’ny Rainy any An-danitra nandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona an’ny Zatovovavy. Nanapa-kevitra ny hiaina feno kokoa ireo didy izy. Nanoratra izy hoe: “Nanomboka ny dingan’ny fibebahana niaraka tamin’ny evekako aho.”
Tao aoriana kelin’izay, dia lasa narary izy. Araka ny teniny dia hoe: “Nisy fitiliana naneho fa … bevohoka aho. Nanomboka nitomany aho. … Nofihinin’ny dadako teo an-tsandriny aho ary nomeny toky fa hilamina avokoa ny zava-drehetra. … Nangataka ahy ilay sakaizako … hanala ilay zaza. … Nandà aho.”
Fikarakarana ireo izay mila fanampiana
Notohizany hoe: “Nandray fitiavana sy fanohanana betsaka tokoa izahay avy tamin’ilay paroasin’ny fianakavianay. Nahavariana izany. Ny eveka[ko] sy ny filohan’ny Zatovovavy dia nanao mihoatra noho izay azo nantenaina tamin’ny fanehoan’izy ireo ny fitiavany sy ny fanohanany. … Nahatsapa ny tanan’ny Tompo aho … nitari-dalana ahy sy ny fianakaviako. Paroasy toy ny ahy no fianakaviana ilain’ny tsirairay, indrindra ny zatovovavy iray tratran’ny toe-javatra mahazo ahy.”
Nandray tsara ny zanany lahikely tamim-pitiavana izy sy ny fianakaviany ary ny paroasiny tamin’ny volana febroary teo.
Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny toetra iray mampiavaka hatrany ny Fiangonan’ny Tompo izay marina sy velona dia ny asa iray voarindra … hanompo ny zanak’ Andriamanitra tsirairay … [manompo amin-katsaram-panahy feno fitiavana] ny tsirairay tsy misy hafa tamin’ny nataony.”
Fanampiana amin’ny fanaovana safidy marina
Rehefa misy vehivavy iray tsy manambady mahita fa mitondra vohoka tsy nampoizina izy, dia mety hitarika izany vehivavy sahiran-tsaina izany ao anatin’ny fotoana feno fanaintainana sy tebiteby handray fanapahan-kevitra hitondra nenina sy fahoriana lalina ny olana ara-pahasalamana, ny korontana ara-panahy, ny henatra, ny olana ara-bola, ny resaka fianarana, sy ny tsy maha-azo antoka ny fanambadiana ary ny alahelo noho ireo nofinofy rava.
Ho an’iza na iza mpihaino eto ka efa niaina nenina sy fanaintainana lalina vokatry ny fanalana zaza na fandraisana anjara tamin’izany no iangaviako hoe tadidio fa: Na dia tsy afaka manova ny lasa aza isika, dia Andriamanitra mahay manasitrana ny lasa. Mety tonga amin’ny alalan’ny fahagagana avy amin’ny sorona feno fahasoavana nataony ny famelan-keloka rehefa miverina Aminy amin’ny fo manetry tena sy mibebaka ianao.
Teny roa mazàna no mifandray amin’ny fahamasinan’ny fahaterahana eto an-tany dia: ny aina ary ny safidy. Ampahany sarobidy indrindra eo amin’ny drafitra tonga lafatry ny Raintsika ny aina, ary noho ny lalàny dia ankamamiantsika ny aina, arovantsika, ary safidiantsika ny fanohizana ny aina raha vao manomboka miforona izany. Sarobidy amintsika ihany koa ny fahazoana misafidy, ny fahafahana misafidy ara-môraly, manampy amin’ny fanamafisan’orina ireo safidy tsara ankatoavin’ Andriamanitra izay mitondra fahasambarana mandrakizay.
Rehefa misy vehivavy iray sy lehilahy iray ao anatin’ny fotoan-tsarotra tahaka izany, miatrika safidy saropady, dia afaka mitondra fitahiana ho azy ireo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pihetseham-po ary ara-bola ny tenintsika sy ny tanantsika ary ny fontsika, mba hahafahan’izy ireo mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy, ary afaka mitondra fahatakarana ho an’ny masom-panahin’izy ireo, arak’ilay nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring hoe “miainga avy amin’ “izay heverin’izy ireo fa hitany” mankamin’ “izay mbola tsy hitany.”
Ny fotopampianaran’ny fiainana an-tany
Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks: “Ny fihetsitsika manoloana ny fanalan-jaza dia tsy mifototra amin’ny fahalalana nambara mikasika ny fotoana hiantombohan’ny fiainana an-tany. … Fa voafaritry ny fahalalantsika fa … ireo fanahy zanak’ Andriamanitra rehetra dia tsy maintsy tonga eto amin’ity tany ity ho an’ny tanjona iray feno voninahitra, ary ny maha izy azy ny tsirairay dia nanomboka fotoana ela mialohan’izy nitsaika tao am-bohoka, ary hitohy mandritra ny mandrakizay manontolo izay ho avy.”
Ny tenin’ny Tompo mikasika ireo izay tsy mbola teraka, izay nambarany tamin’ny alalan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia tsy niovaova mihitsy ary mamerina ny tenin’ireo mpaminany hatrizay hatrizay, ka mitondra hazavana avy amin’ Andriamanitra amin’izay takin’ny Tompo amintsika.
“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino fa masina ny ain’olombelona. Araka izany, ny Fiangonana dia manohitra ny fampitsaharana an-tsitrapo ny fitondrana vohoka noho ny fikatsahana izay maha-metimety ny tena na maha-metimety eo amin’ny fiarahamonina; ary manoro hevitra ny mpikambana ao aminy mba tsy hanaiky halana zaza, na hanatanteraka izany, na hamporisika, na hiantoka ara-bola, na hanao izay hahatontosa ny fanalan-jaza tahaka izany.
“Ny [Tompo] dia mamela ny mety hisian’ny tranga maningana rehefa:
-
Vohoka vokatry ny fanolanana na firaisana tamin’olom-pady, na
-
Nofaritan’ny dokotera iray matihanina fa tena tandindomin-doza ny aina na ny fahasalaman’ilay reny, na
-
Misy mpitsabo manam-pahaizana manokana momba izany mamaritra fa misy fahasamponana goavana eo amin’ilay zaza ao am-bohoka ka tsy hahafahan’ilay zaza hiaina aorian’ny fahaterahany.”
Manohy izany ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Tena raharaha mavesa-danja ny fanalan-jaza. [Na dia amin’ireo toe-javatra mahalana ireo aza] dia tsy tokony hoheverina ny hanaovana izany raha tsy efa nahazo fanamafisana tamin’ny alalan’ny vavaka ireo olona tompon’andraikitra” ary efa nila hevitra tamin’olona hafa.
Namoaka fanambarana ho an’izao tontolo izao ny mpaminanin’ny Tompo telopolo taona lasa izay. Ahitana ireto teny ireto ao anatin’izany:
“Ambaranay … fa Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ny fananahana.
“Ambaranay fa ny fomba namoronana ny fiainana an-tany dia tendrin’ Andriamanitra. Hizingizininay ny fahamasinan’ny [aina] sy ny maha-zava-dehibe izany eo amin’ny drafitra mandrakizay an’ Andriamanitra.”
Tsy foto-kevitra ara-pôlitika ny fikolokoloana sy ny fiarovana ny aina izay tsy mbola teraka. Lalàna ara-pitondrantena izany izay nohamafisin’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny.
Firesahana mivantana kokoa
Ny teny nolazain’ny Filoha J. Reuben Clark Jr, izay mpikambana tao amin’ny Fiadidina Voalohany, dia mamariparitra amin’ny fomba kanto tokoa ny zatovontsika ankehitriny: “Maniry fatratra ireo zavatry ny Fanahy ireo zatovo ato amin’ny Fiangonana. Dondona ny hianatra ny filazantsara izy ireo, ary ilain’izy ireo ho tsotra sy mazava izany. Te hahafantatra mikasika ny … finoantsika izy ireo; te hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana izy ireo. Izy ireo dia … mpikaroka, mpikatsaka ny fahamarinana.” Andeha isika hiresaka matetika kokoa amim-pinoana sy amim-pangorahana amin’ireo zatovontsika any amin’ny fianakaviantsika, ary amin’isika samy isika any amin’ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny kôlejin’ny loholona, mikasika ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena izay an’ny Tompo, sy ny fahamasinan’ny aina, ary ny fikarakarana ny zaza ao am-bohoka sy ny renin’izy ireo.
Nisy ranabavy malala iray nanoratra tamiko momba ny zavatra niainany am-polotaonany lasa izay: “Fony aho 17 taona … , dia bevohoka aho kanefa tsy nahazo fanohanana avy tamin’ilay sakaizako. Nahatsiaro tena ho menatra sy irery aho, [saingy] tsy nieritreritra ny [hanala zaza] mihitsy. … [N]anana ny fianakaviako be fitiavana aho sy ny evekako, izay nihaona tamiko matetika hitari-dalana ahy. … Nitodika tamin’ Andriamanitra aho. Nandalina ny soratra masina aho … ary nivavaka [ka] nahazo hery tamin’ny alalan’ny Mpamonjiko sy ny fizotran’ny fibebahana. … Nandray ny valin’ireo [vavaka nataoko] aho izay tsy azoko nolavina. … Nahavaky fo izany saingy fantatro fa hateriko ho atsangana ilay zanako vavy. … Nivavaka aho nangataka herim-po [ary] nahatsapa mazava tokoa ny fitiavan’ny Mpamonjy nandritra ny fibebahana, fantatro fa … mamaly vavaka Andriamanitra ary mankahery antsika.”
Nanangana ilay zazavavy kely sarobidy ny mpivady be fitiavana iray ary nampianatra azy ny filazantsara. Efa manambady izy izao ary manana ny fianakaviany manokana.
Indraindray ny fitandroana ny aina dia mety miaraka amina ahiahy faran’izay sarotra sy mampitebiteby fatratra.
Vao haingana no nisy mpivady vao tinay sy Kathy izay nanoratra tamiko mikasika ny zaza mamikely ao an-kibony.
Nanoratra ilay rainy hoe: “[Tamin’ny vadiko] bevohoka 10 herinandro dia lasa nahafantatra izahay fa ilay zazakely endri-pahagagana ho anay dia manana ilay aretina manaranaka antsoina hoe trisomie 21, mazàna fantatra amin’ny hoe syndrome de Down. Tsapanay ny faneriterena … avy tamin’ny tontolon’ny mpitsabo hiheveranay ny fampitsaharana ny vohoka. Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nahafantatra izahay fa … ilay zanakay mbola tao am-bohoka … dia hila fandidina maro amin’ny fony mandritra ny taona voalohany hiainany. Nandritra izany, raha nivavaka mafy izahay mba hampian’ Andriamanitra, … dia nahatsapa ny Fanahy nanome fampiononana anay. Nandray fanambarana sy fahatakarana izahay fa ilay zanakay vavy dia zanaky ny Ray any An-danitra tena sangany ary manam-paniriana mafy ho ao amin’ny fianakavianay sy ho tonga ety an-tany.”
Izao no nosoratan’ny renin’io zaza io: “Nampivarahontsana [anay] tanteraka sy nampikorontan-tsaina ary raha ny marina nahavalaketraka anay ilay vaovao. … Rehefa bevohoka 14 herinandro aho dia nahafantatra izahay fa nisy fahasamponana maro tamin’ny fon’ilay zazakelinay, ary ny iray dia mety hahafaty azy. Nanatona dokotera sy matihanina tsy tambo isaina izahay teo anelanelan’ny 10 sy 18 herinandro nitondrana vohoka. … Isaky ny fihaonana tamin’ireo, dia nanontaniana izahay raha naniry hanohy ny fitondrana vohoka na hampitsahatra izany. … Nositranin’ny Mpamonjy ny foko, ary nomeny fahatsapana fiadanana aho sy fientanentanana momba ilay zazavavikelinay. … Nasehon’ny [Ray any An-danitra] ahy ombieny ombieny indray fa manana drafitra tonga lafatra ho ahy Izy [ary] natoky Azy aho.”
Nahazo ilay zazavavikeliny tamin-kafaliana izy ireo herinandro lasa katroka androany izay. Zanany mandrakizay izy ary ray aman-dreniny mandrakizay izy ireo.
Finoana tsy voahozongozona sy herim-po miavaka no mampisongadina ireo mpianatr’i Jesoa Kristy.
Ohatry ny finoana tena mahavariana
Nandritra ny taona maro aho no nanana tombontsoa nihaonana tamina lehilahy sy vehivavy maro izay nikatsaka tamim-panetrentena hiverina amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy amin’ireo fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly, taona maro taorian’ny namoizan’izy ireo ny maha-mpikambana azy ireo.
Indray mandeha aho voatendry hisolo tena ny Fiadidiana Voalohany hanao tafa sy dinika tamin’ny lehilahy iray ho famerenana amin’ny laoniny ireo fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly ho azy.
Taorian’ny nanambadiany tao amin’ny tempoly masina, ary taorian’ny nahazoana zanaka telo mahafinaritra, dia nanitsakitsaka ny vadiny sy ireo fanekempihavanana masina nataony io lehilahy io. Nisy vehivavy iray tokan-tena bevohoka ary naniry hanala zaza.
Nitalaho tamin’io vehivavy io ilay vady manana toetra masin’ilay lehilahy mba hitazonany ilay vohoka, ary nampanantena izy fa rehefa teraka ilay zaza dia hotezainy miaraka amin’ireo zanaka naterany.
Nanaiky taorian’ny fandinihana ny tsy hampitsahatra ny vohoka ilay vehivavy tokan-tena.
10 taona izay no lasa. Ilay vehivavy feno fanetrentena nipetraka teo anoloako dia tia an’ilay zazalahikely tahaka ny naterany, ary nilaza tamiko mikasika ny ezaka ataon’ny vadiny hanonitra ary hitia sy hikarakara azy sy ny fianakaviany. Nitomany ilay raim-pianakaviana raha teo am-pitantarana izany ilay vadiny.
Ahoana no nahafahan’ity vehivavy tena tsaran’ Andriamanitra ity handray zaza iray ho toy ny azy kanefa mety hampahatsiahy azy isan’andro ny fanitsakitsahana nataon’ny vadiny? Fomba ahoana? Nahazo hery tao amin’i Jesoa Kristy izy, ary nino izy fa masina ny aina. Nahafantatra izy fa zanak’ Andriamanitra ilay zaza mbola tsy teraka ary tsy manan-tsiny sy madio.
Ry rahalahy sy anabavy malalako, olana goavana ny fihenan’ny fitiavana maneran-tany ho an’ireo zaza ao am-bohoka. Mankamamy ny aina Andriamanitra. Asany sy voninahiny ny manome tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay ho an’ireo zanany. Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia mankamany ny aina isika. “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Enga anie isika ho vao mainka hizara bebe kokoa ny fitiavantsika amin’ireo izay mila antsika fatratra tokoa. Ambarako aminareo ny fitiavako anareo sy ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra an’ireo zanany izay ho tonga ety an-tany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.