2025
Loholona Clement M. Matswagothata
Mey 2025


“Loholona Clement M. Matswagothata,” Liahona, mey 2025.

Loholona Clement M. Matswagothata

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Fony mbola zaza ny Loholona Clement M. Matswagothata tany Botswana dia namaky mafy ny Baiboly tamin’ny renibeny izy. Nahita ny 1 Samoela 3 izy izay ahitana an’ Andriamanitra niresaka tamin’i Samoela izay nantsoina ho mpaminany taty aoriana.

“Ny fanontaniana tsotra napetrako dia hoe, –Mbola manohy manao izany ve Andriamanitra?–”

Izany fanontaniana izany no niantombohan’ilay diany niezaka nitady an’ilay Andriamanitra mbola manohy miteny. Nihaona tamin’ireo misiônera Olomasin’ny Andro Farany izy tamin’ny faha 16 taonany, ka namaky ny Bokin’i Môrmôna tao anatin’ny andro vitsivitsy, ary niantso azy ireo tamin’ny 3 ora maraina mba hilaza fa maniry ny hatao batisa izy.

Taty aoriana dia lasa filohan’ny tsatòka voalohany nantsoina tao Botswana izy, avy eo Fitopololahin’ny Vondromparitra voalohany nantsoina tao Botswana, ary ankehitriny dia Fitopololahy Manampahefana Ambony voalohany nantsoina tao Botswana.

“Manana fijoroana ho vavolombelona lalim-paka aho fa velona Andriamanitra ary miresaka amintsika amin’izao andro farany izao ary miaina ao anatin’ny andro sy fotoana izay andehandehanan’ireo mpaminany eto an-tany isika,” hoy izy.

I Clement Mosiame Matswagothata dia teraka tany Middlepits, Botswana, tamin’ny 8 janoary 1980. Zanak’i Bojotlhe J. sy i Rachel M. Matswagothata izy. Rehefa avy nanompo tao amin’ny Misiônan’i Cape Town Afrique du Sud izy dia nahita an’i Novelty Busiwe Buthelezi vadiny nandritra ny fihaonamben’ny tanora tokan-tena teo anivon’ny faritra. Nivady tany amin’ny Tempolin’i Johannesburg Afrique du Sud izy ireo tamin’ny 28 febroary 2004. Manan-janaka telo izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana licence momba ny filôzôfia izy. Niasa tao amin’ny orinasa mivarotra fiara izay ahitana fiara isan-karazany izy. Nihazona toerana mpitarika maro izy, ka tafiditra tao anatin’izany ny naha-talen’ny varotra azy sy ny naha-tale jeneraly azy ary ny naha-tale nasiônaly azy tao amin’ny orinasa Barloworld Motor.

Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia mpanatanteraka ôrdônansin’ny tempoly tao amin’ny Tempolin’i Johannesbourg Afrika Atsimo ny Loholona Matswagothata ary tompon’andraikitra manokana misahana ny fizakan-tena eo anivon’ny vondromparitra.