2025
Loholona Aaron T. Hall
Mey 2025


“Loholona Aaron T. Hall,” Liahona, mey 2025.

Loholona Aaron T. Hall

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Tsaroan’ny Loholona Aaron T. Hall ny fotoana nanokanana azy sy i Kimberly vadiny mba ho mpitarika ny misiôna tao amin’ny Misiônan’i Houston Atsimo Texas. Nilaza tamin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy ireo fa ny zavatra tsapan’izy ireo dia nanomboka tany amin’ny fahasahiranan-tsaina hatrany amin’ny fientanentanana lehibe. Nilaza ny tokony hilana ny fanehoana fankasitrahana ny Loholona Bednar.

“Ny zavatra nampianariny anay tamin’io andro io dia tsy niala velively tao an-tsaiko mahakasika izay antso raisintsika, dia ny hoe, –Feno fankasitrahana tsotra fotsiny isika,–” hoy izy. “Manontany tena ianareo hoe ahoana tokoa moa no mety ho nisafidianan’ny Tompo anareo, saingy vavolombelona izahay fa nataony izany. Ary noho isika vonona sy afaka manao izany dia ataony izay hahavitantsika izany.”

I Aaron Tracy Hall dia teraka tamin’ny 4 martsa 1971, tao Provo, Utah. Zanakalahin’i Alan Eugene Hall sy Paula Jeanne Nowak Hall izy. Nanao asa fitoriana nandritra ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Chili Osorno izy ary taorian’izany dia nanambady an’i Kimberly Wade Hall tamin’ny 28 desambra 1993 tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah. Manan-janaka efatra izy ireo.

Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Utah ny Loholona Hall tamin’ny fotoana niantsoana azy. Izy koa dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpitantsoratra mpanatanteraky ny tsatòka, eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona ary filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy.

Ny Loholona Hall dia nahazo mari-pahazaina licence momba ny varotra matihanina avy tao amin’ny Weber State University sy maîtrise momba ny fitantanan-draharaha avy tao amin’ny University of Utah. Mpitantana teo anivon’ny orinasa misahana ny teknôlôjia sy orinasa tsy tantanan’ny fanjakana izay mametra-karena ampiasaina izy teo aloha, ary ny vao haingana indrindra dia talen’ny Departemantan’ny Fiangonana misahana ny misiônera izy.