“Loholona Edward B. Rowe,” Liahona, mey 2025.
Loholona Edward B. Rowe
Fitopololahy Manampahefana Ambony
Tao anatin’ny asany eo amin’ny sehatry ny lalàna iraisam-pirenena, ny Loholona Edward B. Rowe sy ny fianakaviany dia nipetraka tany amin’ny faritra teto amin’izao tontolo izao izay indraindray mety tena izy ireo ihany no hany mpikamban’ny Fiangonana tao. Nanatanteraka fotoam-pivavahana nahazoana lalana tamin’ny naha-fianakaviana azy izy ireo tany an-tokantranony taona maro talohan’ny nampidirana ny fandaharam-pampianarana Avia, hanaraka Ahy. Ny fitsaohana nataon’izy ireo dia nifantoka tamin’ny tokantrano ary notanterahina tao anatin’ny fanaovana akanjo fitafy alahady sy ny fizarana lahateny.
Tsaroan’ny Loholona Rowe ilay fahatsapany hoe “ny hany fomba hahazoan’ny zanakay fampianarana momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia avy aminay.”
Ireo zavatra niainana ireo dia nampiray ny fianakaviany sy nahatonga ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho tsotra rehefa nanampy ny zanany hanana fifandraisana amin’ny Mpamonjy izy ireo. “Fotoana masina sy niavaka ireo fotoana ireo,” hoy izy.
I Edward Butler Rowe dia teraka tao Provo, Utah, tamin’ny 23 aprily 1967. Zanak’i Fred A. Rowe sy Sherrel Rowe izy. Nanambady an’i Brooke Francis tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ny 3 janoary 1989. Manan-janaka dimy izy ireo ary nipetraka tao Pleasant Grove, Utah tamin’ny fotoana niantsoana azy.
Ny Loholona Rowe dia nahazo mari-pahaizana licence momba ny filôzôfia tao amin’ny Brigham Young University sy mari-pahaizana maîtrise momba ny pôlitikam-panjakana sy juris doctor (marim-pahaizana momba ny lalàna Amerikana avaratra) avy tao amin’ny University of Chicago. Niasa toy ny mpiara-miombon’antoka teo amin’ny sehatry ny lalàna iraisam-pirenena tao anatin’ny orisana maro misahana ny lalàna tany Washington, D.C. sy manerana izao tontolo izao izy. Nanomboka tamin’ny 2019 dia Filoha tale jeneralin’ny Stirling Foundation izy.
Fitopololahin’ny Vondromparitra izy tamin’ny fotoana niantsoana azy. Efa filohan’ny Misiônan’i Le Nord de l’Adriatique (2011–2014) izy, eveka, filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny tsatòka, filohan’ny kôlejin’ny loholona, tompon’andraikitra misahana ny asa fitoriana eo anivon’ny paroasy, ary misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Fort Lauderdale Floride.