Sitrana ara-panahy ao Aminy
Ny fahasitranana tanteraka dia tsy voatery hidika hoe famerenana amin’ny laoniny ny ara-batana sy ny ara-pihetseham-po eo amin’ity fiainana ity. Ny fahasitranana tanteraka dia ateraky ny finoana sy ny fiovam-po ho amin’i Jesoa Kristy.
Nisy boka folo niantso mafy ny Mpamonjy nanao hoe: “Mamindrà fo aminay.” Ary dia nataon’i Jesoa izany. Nasainy niseho tamin’ny mpisorona izy ireo, ary teny am-pandehanana dia nadio izy ireo.
Ary ny anankiray tamin’ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia nankalaza an’ Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Niverina nankany amin’ny Mpamonjy izy, niankohoka tamin’ny tongony, ary naneho fankasitrahana.
Ary hoy ny Mpamonjy tamin’ilay nahay nankasitraka: “Ny finoanao no efa nahavonjy anao.”
Nanasitrana boka folo i Jesoa Kristy. Fa ny iray, izay niverina nankany amin’ny Mpamonjy, dia nandray zavatra hafa fanampiny. Sitrana tanteraka izy.
Sitrana ara-batana ny boka sivy lahy.
Ny iray kosa dia sady sitrana ara-batana no sitrana tanteraka ara-panahy koa.
Teo am-pisaintsainana an’ity tantara ity aho dia nanontany tena raha toa ka mety ho marina koa ny mifamadika amin’izany. Raha tsy mitovy ny hoe sitrana sy ny hoe sitrana tanteraka, moa ve mety hisy olona iray nataony sitrana tanteraka ara-panahy kanefa tsy mbola sitrana ara-batana sy ara-pihetseham-po akory?
Ilay Mpanasitrana Lehibe dia hanasitrana ny rofintsika rehetra, na ara-batana na ara-pihetseham-po, amin’ny fotoana voatondrony. Fa eo am-piandrasana ny hahazo fanasitranana ara-batana, moa ve ny olona iray afaka ny ho sitrana tanteraka ara-panahy?
Inona no mety ho dikan’ny hoe sitrana tanteraka ara-panahy?
Sitrana tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy isika rehefa mampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hanaraka Azy am-pinoana, mametraka Aminy izay rehetra ao am-pontsika mba ahafahany manova izany, mitandrina ireo didiny, ary miditra eo amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana miaraka Aminy, miaritra am-panetrentena sy mianatra avy amin’ireo fanamby eo amin’ity fiainana an-tany ity mandra-piverintsika eo anatrehany indray sy hositraniny amin’ny fomba rehetra. Afaka ny ho sitrana tanteraka aho eo am-piandrasako ny fanasitranana ara-batana, raha toa ka eram-po tokoa no ifandraisako Aminy.
Miteraka fanantenana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ahitako fanantenana ny fiezahana ho sitrana tanteraka, fahasitranana tanteraka izay ateraky ny finoana an’i Jesoa Kristy. Mampitombo ny fanantenako hahazo fanasitranana ny finoana Azy, ary izany fanantenana izany dia manamafy ny finoako an’i Jesoa Kristy. Fitsingerenana mahery vaika izany.
Nilaza tamin’i Enôsa ny Tompo fa ny finoany no efa “namonjy” azy. Tonga tamin’i Enôsa ny fahasitranana tanteraka rehefa nosaintsaininy ireo tenin’i Jakôba rainy, izay mpaminany, rehefa naniry ny hahatakatra ny mety hahazoana ny fiainana mandrakizay izy, rehefa nitalaho tamin’ Andriamanitra izy sady nahery nivavaka. Ary tao anatin’izany faniriana sy fanetren-tena izany dia tonga taminy ny feon’ny Tompo, nilaza fa voavela ny helony. Ary nanontany ny Tompo i Enôsa hoe: “Ahoana no mahatò izany?” Ary dia namaly ny Tompo hoe: “Noho ny finoanao an’i Kristy, … ny finoanao no efa namonjy anao.”
Amin’ny alalan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, dia afaka mikatsaka ny ho sitrana tanteraka ara-panahy isika eo am-piandrasantsika sy anantenantsika ny fanasitranana ara-batana sy ara-pihetseham-po.
Noho ny herin’ny sorompanavotany manavotra, rehefa mibebaka amin-kitsim-po isika, dia hanasitrana antsika amin’ny fahotana ny Mpamonjy, tahaka ny nataony tamin’i Enôsa. Mipàka hatrany amin’ny fahoriana sy ny alahelontsika ihany koa ny Sorompanavotany tsy manam-petra.
Kanefa mety tsy hositraniny ny aretina sy ny rofy, ny fanaintainana miverimberina, ny tsy filaminan’ny fiasan’ny hery fiarovan’ny vatana toy ny sclérose, ny homamiadana, ny tebitebin-tsaina, ny fahatrotrahana sy ny toy izany. Ny karazana fanasitranana toy ireny dia araka ny fotoan’ny Tompo. Ary eo am-piandrasana izany, dia afaka misafidy ny ho sitrana ara-panahy tanteraka isika amin’ny fampiasantsika ny finoana Azy!
Ny hoe sitrana tanteraka dia midika hoe tomombana sy feno. Mitovy amin’ireo virijina dimy hendry izay nanana fanala feno menaka rehefa tonga ny mpampakatra, dia afaka ny ho sitrana tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy isika rehefa fenointsika solika fitaizan’ny fiovam-po ho Azy ny fanalantsika. Koa amin’izany dia ho vonona hiatrika ilay tandindon’ny fanasana fampakaram-bady isika, dia ny Fiaviany Fanindroany.
Ao amin’io fanoharana io dia samy teo amin’ny toerana tokony hisy azy ireo avokoa ireo virijina folo, niandry ny mpampiakatra. Samy nitondra fanala ny tsirairay tamin’izy ireo.
Kanefa rehefa tonga Izy, tamin’ilay misasakalina tsy nampoizina, dia tsy ampy solika fitaizan’ny fanalan’ireo dimy adala. Tsy nantsoina hoe ratsy fanahy izy ireo fa nantsoina kosa hoe adala. Ny adala dia tsy nahavita niomana araka ny tokony ho izy mba hampirehitra tsy tapaka ny fanalany amin’ny solika fitaizan’ny fiovam-po.
Noho izany, ho valin’ny fangatahan’izy ireo mba havela hiditra ao amin’ilay fanasan’ny fampakaram-bady, dia niteny ilay mpampakatra hoe: “Tsy mahafantatra Ahy ianareo.”
Midika izany fa ireo virijina dimy hendry dia nahafantatra Azy. Ireny dia sitrana tanteraka tao Aminy.
Ny fanalan’izy ireo dia feno ny solika fitaiza sarobidin’ny fiovam-po izay mamela ireo virijina hendry hiditra ao amin’ilay fety fampakarana, ka ho eo an-tanana ankavanan’ilay mpampakatra.
Araka ny nambaran’ny Mpamonjy hoe: “Koa aoka ho mahatoky, hivavaka mandrakariva, hanana ny fanalanareo voakarakara sy mirehitra ary solika miaraka aminareo, mba ho vonona ianareo amin’ny fiavian’ny Mpampakatra.”
Virijiny dimy hendry, nataon’i Ben Hammond
Misy sary sokitra tena kanto maneho ireo virijina dimy hendry napetraka vao haingana eo amin’ny Temple Square, vao mivoaka ny varavaran’ny tranon’ny Fikambanana Ifanampiana ary tafiditra anatin’ny faritra misy ny aloky ny tempolin’ny Salt Lake.
Mety tsara io toerana io hanehoana ilay fanoharana. Satria rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana isika, indrindra ireo izay azo tanterahina ao amin’ny tranon’ny Tompo, dia mameno ny fanalantsika amin’ny solika fitaizan’ny fiovam-po isika.
Na dia tsy mizara ny solika fitaizan’ny fiovam-pony aza ireo vehivavy izay maneho ny virijina dimy hendry, dia mizara ny fahazavany izy ireo rehefa mihazona ambony ny fanalany izay feno solika fitaiza sy mirehitra mazava tsara. Misongadina ny fifanohanana nasehon’izy ireo, mifampitan-tsoroka, mifampisakambina, mifampijery ary manasa ny hafa hanantona amin’ilay fahazavana.
Eny tokoa, “[Isika] no fahazavan’izao tontolo izao.” Nanambara ny Mpamonjy hoe:
“Omeko anareo ny ho tonga fahazavan’ity vahoaka ity. Ny tanàna izay miorina eo an-tendrombohitra dia tsy azo afenina.
“… Moa va [isika] mandrehitra jiro ary mametraka izany ao ambanin’ny vata famarana? Tsia, fa eo amin’ny fitoeran-jiro kosa, ary manome hazavana [ho an’izay] rehetra ao an-trano izany;
“Koa aoka ny fahazavanareo hamiratra eo anoloan’ity vahoaka ity mba hahazoany mahita ny asa soanareo sy hankalazany ny Rainareo [izay]any an-danitra.”
Didiana isika mba hizara ny fahazavany. Koa hazony ho feno ny solika fitaizan’ny fiovam-po ho amin’i Jesoa Kristy ny fanalanareo ary miomàna hihazona ny fanalanareo ho voakarakara sy mirehitra mazava tsara. Avy eo dia aoka hamiratra izany hazavana izany. Rehefa mizara ny fahazavantsika isika, dia mitondra eo amin’ny hafa ny fitoniana atolotr’i Jesoa Kristy isika, mihalalina ny fiovam-pontsika ao Aminy, ary afaka ny ho sitrana tanteraka isika na dia mbola eo am-piandrasana fanasitrana ara-batana aza. Ary rehefa avelantsika hamiratra ny hazavantsika, dia afaka ny ho faly isika na dia mbola eo am-piandrasana aza.
Misy ohatra iray ao amin’ny soratra masina izay ilaina mba hanamafisana ilay fitsipika hoe afaka ny ho sitrana tanteraka isika rehefa miova fo ho amin’i Jesoa Kristy sy manovo hery avy Aminy, eny na mbola eo am-piandrasana fanasitranana aza.
Niaritra karazana fijaliana ny Apôstôly Paoly, izay nolazainy ho toy ny “tsilo amin’ny nofo,” ka nangatahiny in-telo tamin’ny Tompo mba ho esorina aminy. Ary ny Tompo niteny tamin’i Paoly: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.” Dia namaly i Paoly hoe:
“Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
“Koa dia finaritra aho amin’ny fahalemena, … amin’ny fahantrana noho ny amin’i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.”
Ny ohatr’i Paoly dia maneho fa na dia ao anaty fahalemena aza isika, ny herintsika ao amin’i Jesoa Kristy dia azo atao tanteraka, izany hoe tomombana sy feno. Ireo izay miady amin’ny fijalian’ny fiainana an-tany ka mitodika amin’ Andriamanitra am-pinoana tahaka an’i Paoly, dia afaka mandray ireo fitahian’ny fahafantarana an’ Andriamanitra.
Tsy nositranina tamin’ny fahoriany i Paoly, kanefa sitrana ara-panahy tao amin’i Jesoa Kristy izy. Ary na dia tao anatin’ny fahoriany aza dia namiratra ny fahazavan’ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny hery avy Aminy ary faly izy. Ao amin’ny epistily nosoratany ho an’ny Filipiana izy dia nilaza hoe: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.”
Ry rahavavy sy anadahy, eny no valiny, afaka ny ho sitrana ara-panahy isika, na dia eo am-piandrasana ny fanasitranana ara-batana sy ara-pihetseham-po aza. Ny fahasitranana tanteraka dia tsy voatery hidika hoe famerenana amin’ny laoniny ny ara-batana sy ny ara-pihetseham-po eo amin’ity fiainana ity. Ny fahasitranana tanteraka dia ateraky ny finoana sy ny fiovam-po ho amin’i Jesoa Kristy ary ny famelana ny fahazavan’izany fiovam-po izany hamiratra.
“Maro no antsoina, nefa vitsy no [misafidy ny ho] fidina.”
Hositranina ara-batana sy ara-pihetseham-po ny rehetra, amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Fa moa ve ianao hisafidy ankehitriny ny ho sitrana tanteraka ao Aminy?
Ambarako am-pifaliana fa niova fo ho amin’i Jesoa Kristy Tompo ny tenako. Miezaka ny ho sitrana tanteraka ao Aminy aho. Azoko antoka fa ny zavatra rehetra dia haverina amin’ny laoniny ary ho avy ny fanasitranana, amin’ny fotoanany, satria velona Izy.
Vehivavy nositranin’i Jesoa Kristy i Maria Magdalena. Ary vehivavy sitrana tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy izy. Amin’ny maha-mpianatry ny Tompo azy dia nanaraka ny Mpamonjy manerana an’i Galilia izy sy nanompo Azy.
Nijoro teo am-pototry ny hazo fijaliana izy, vavolombelon’ny fahafatesany.
Nankeo amin’ny fasany izy mba hanatanteraka ireo fombafomba amin’ny fandevenana ary nahita fa ilay vato manarona dia nesorina, ary tsy tao ny vatan’ny Tompo. Nitomany teo amin’ny fasana i Maria raha nanontany azy aloha ny anjely, ary avy eo dia ny Mpamonjy mihitsy no nanao hoe: “Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao?”
Nitomany i Maria nanao hoe: “nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.”
Ary niantso azy tamim-pitiavana tamin’ny anarany i Jesoa hoe: “Ry Maria!” Ary fantany hoe Izy no teo ka namaly tamim-panajana izy hoe: “Rabôny! … Mpampianatra ô.”
Hoy Isaia raha naminany momba ny Mpamonjy: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.”
Ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nahafahan’ny ranomason’i Maria ho voafafa. Azo antoka fa hamafa ny ranomasonao ihany koa Izy.
I Maria no vavolombelona voalohan’ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty. Ary izy no voalohany nijoro ho vavolombelona tamin’ny hafa momba ny zavatra hitany.
Ampifanampiako am-panetrentena amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Maria ny ahy. Efa nitsangana Izy. Velona i Jesoa Kristy. Amin’ny farany dia hositranina ara-batana sy ara-pihetseham-po ao Aminy ny rehetra. Ary eo am-piandrasana izany fanasitranana izany, ny finoana an’ilay Mpanasitrana Lehibe dia hahatonga antsika ho sitrana tanteraka ara-panahy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.