2025
Loholona Pedro X. Larreal
Mey 2025


“Loholona Pedro X. Larreal,” Liahona, mey 2025.

Loholona Pedro X. Larreal

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Rehefa feno efa-bolana ny naha-misiônera manompo amin’ny fotoana feno ny Loholona Pedro X. Larreal dia nitsidika ny Misiônan’i Caracas Venezuela ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008).

Nitantara ny Loholona Larreal hoe, “Nanolotra fanasana mahatalanjona ho anay momba ny fanokanan-tena Izy: –Raha mifantoka 100 isan-jato ianareo dia mampanantena anareo aho fa handray fitahiana ny fianakavianareo any aoriana.–”

Taorian’izay dia nanoratra taratasy fisarahana tamin’ny tovovavy niaraka taminy tany amin’ny tanàna nipetrahany ny Loholona Larreal. “Nila nametraka ny zava-drehetra teo amin’ny alitara aho satria nila nifantoka kokoa.”

Rehefa manao jery todika izy dia mahita fitahiana maro izay nipoitra avy amin’ny fahatokiana izany fampanantenana natolotry ny apôstôly izany toy ny fianarana nitondra soa, asa nahomby.

“Rehefa manaraka ny torolalan’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara isika dia hahazo fitahiana eo amin’ny fiainantsika,” hoy izy. “Mampanantena izany aho.”

I Pedro Xavier Larreal Noguera dia teraka tamin’ny 6 jolay 1976, tany Valencia, Venezuela. Zanak’i Duilio Antonio Larreal Romero sy Haydee Maria Noguera De Larreal. Nanambady an’i Sariah Alvarez Campos tao amin’ny Tempolin’i Caracas Venezuela izy tamin’ny 25 aogositra 2001. Manan-janaka telo izy ireo.

Ny Loholona Larreal dia nahazo mari-pahaizana licence avy tao amin’ny Simón Rodríguez University, maîtrise momba ny siansa eo amin’ny fampianarana avy tao amin’ny Santa Maria University, ary maîtrise momba ny fitantanan-draharaha avy tao amin’ny Brigham Young University. Niasa ho tompon’andraikitra misahana ny Seminera sy Institiota mampianatra ny filazantsara izy sy niasa tao amin’ny Nature’s Sunshine Products Inc. ka tale jeneraly sy talen’ny faritr’i Mexique, Amérique Centrale ary ny République Dominicaine izy tao anatin’izany.

Talohan’ny niantsoana azy ho Manampahefana Ambony dia filohan’ny Misiônan’i McAllen Texas ny Loholona Larreal. Izy dia efa Fitopololahan’ny Vondromparitra tany amin’ny vondromparitra anankiroa, filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpitantsoratra mpanatanteraky ny tsatòka ary eveka.