2025
Mandray anjara ho fiomanana amin’ny fiverenan’i Kristy
Mey 2025


11:24

Mandray anjara ho fiomanana amin’ny fiverenan’i Kristy

Ny antso sy ireo fomba hafa irotsahantsika hanao ny asan’ Andriamanitra dia manomana antsika amin’ny fomba miavaka hihaona amin’ny Mpamonjy.

Volana vitsivitsy lasa izay dia nijoro tao amina efitrano fidirana iray aho raha nandalo ny Loholona Neil L. Andersen. Vao avy nantsoina ho Manampahefana Ambony vaovao aho. Toa ireny hoe tsapany ireny ny fahatsapako ny tsy fahaizako, nitsiky izy sady niteny hoe: “Ohatran’ny misy lehilahy iray tsy mahafantatra mihitsy ny zavatra ataony eto izany.”

Dia hoy aho tany an-tsaiko hoe: “Io misy mpaminany sy mpahita tena izy.”

Nobitsihan’ny Loholona Andersen aho avy eo hoe: “Aza matahotra ry Loholona Shumway. Fa mihatsara io afaka dimy na enina taona.”

Mba efa nanontany tena ve ianareo hoe nahoana isika no angatahina hanao zavatra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izay toa tsy ho vitantsika? Amin’izao fiainana mitaky zavatra betsaka izao, mba efa nanontany ve ianao hoe nahoana isika no mbola mila antso ihany ato am-piangonana? Izaho aloha efa nanontany e!

Nahazo valiny aho tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo rehefa nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Izao no fotoana ho anao sy ho ahy mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany an’ny Tompo sy Mpamonjintsika, Jesoa Kristy.” Rehefa niteny an’io ny Filoha Nelson dia nampianatra ahy ny Fanahy fa rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra isika dia miomana amin’ny fiverenan’i Kristy. Ny fampanantenan’ny Tompo dia maharesy lahatra fa ny antso, ny fanompoana, ny fitsaohana any amin’ny tempoly, ny fanarahana ireo bitsika ary ireo fomba hafa irotsahantsika amin’ny asan’ Andriamanitra dia manomana antsika amin’ny fomba miavaka hihaona amin’ny Mpamonjy.

Faly Andriamanitra rehefa manolo-tena hanao ny asany isika

Amin’”izao fotoana be voninahitra izao,” izay mampiroborobo ny fanjakan’ Andriamanitra sy isian’ny tempoly manenika ny tany, dia mitombo ny filana fanahy mazoto hanolo-tena hanao ny asan’ Andriamanitra. Ny fanompoana an-kitsim-po no tena fototry ny fanarahan-dia an’i Kristy. Mahalana anefa ny hoe mora ny manompo. Izany indrindra no mahatalanjona ahy aminareo ry mpanara-dia mpitandrina fanekempihavanana, tafiditra amin’izany ireo misionera malalantsika, izay mamela ny fanirianareo sy ny fanamby atrehinareo ka manompo an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana ireo zanany. “Finaritra ny hankalaza [anao amin’ny fanompoanao Azy] ao amin’ny fahamarinana” Andriamanitra. Nampanantena Izy fa “ho lehibe ny valisoa[nareo] ary ho mandrakizay ny voninahitra[reo].” Rehefa manaiky fanasana hanompo isika dia manaiky an’i Jesoa Kristy. Ary rehefa manaiky an’i Kristy isika, dia manaiky ilay fiainana miroborobo indrindra.

Nianatra izany aho fony niasa sy nianatra ho injeniera momba ny simia tany amin’ny oniversite. Nangatahina aho mba ho mpandrindra fiaraha-mientana tao amin’ny paroasin’ny tanora tokan-tena iray. Nofy ratsy tamiko io antso io. Nanaiky ihany anefa aho, ary tena nandreraka ilay izy tamin’ny voalohany. Nony avy eo anefa nandritra ny fiaraha-mientana iray izay dia nisy tovovavy iray tsara tarehy voasarika tamin’ny fomba nizarako ny gilasy. Niverina in-telo izy nanantena ny hisintona ny fahalianako. Nifankatia izahay ary nangata-bady ahy izy roa herinandro taty aoriana. Eny e, mety hoe tsy haingana be toy izany ilay izy, ary izaho no nangata-bady, fa ny marina dia tsy vitako ny mieritreritra hoe raha nandà io antso io aho dia tsy ho nahita an’i Heidi.

Ny fiomanantsika dia fiomanana amin’ny fiverenan’i Kristy

Manolo-tena amin’ny asan’ Andriamanitra isika tsy hoe noho Andriamanitra mila antsika fa satria mila an’ Andriamanitra sy ireo fitahiany isika. Mampanantena Izy hoe: “Fa indro, hotahiako amin’ny fitahiana lehibe ireo rehetra izay miasa ao amin’ny tanimboliko.” Mamelà ahy ianareo hizara fitsipika telo, izay mampianatra ny fomba entin’ny fandraisantsika anjara amin’ny asan’ Andriamanitra, mitahy sy manampy antsika hiomana hihaona amin’Ny Mpamonjy.

Voalohany, rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra isika dia mivoatra mankany amin’ny “tanjona nahariana [antsika].”

Ianarantsika io lamina io ao amin’ny tantaran’ny Fahariana. Taorian’ny andro tsirairay niasana, Andriamanitra dia niaiky ny fandrosoana vita tamin’ny filazana hoe “tsara izany.” Tsy niteny Izy hoe vita na tonga lafatra ny asa. Saingy isan’andro dia nisy fandrosoana, ary amin’ny fijerin’ Andriamanitra dia tsara izany!

Ny antso dia tsy mamaritra na manamarina ny lanjan’ny olona iray na ny fahamendrehany. Rehefa miara-miasa amin’ Andriamanitra amin’izay fomba rehetra angatahiny antsika kosa isika dia mivoatra mankany amin’ny tanjona nahariana antsika.

Faly amin’ny fandrosoantsika Andriamanitra, ary dia tokony hanao izany koa isika, na dia mbola manana asa tokony hatao aza isika. Misy fotoana isika mety tsy manana ny hery na ny enti-manana hanompoana amin’ny antso iray. Mbola afaka anefa isika mirotsaka amin’ny asa sy miaro ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny fomba mahery vaika toy ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina. Tsy hanameloka antsika ny Raintsika any An-danitra be fitiavana raha toa ka mazoto hanompo isika kanefa tsy afaka hanatanteraka izany.

Faharoa, ny fanompoana dia manandratra ny tokantranontsika sy ny fiangonantsika ho toerana masina izay ahafahantsika miaina ny fanekempihavanana.

Ohatra, ilay fanekempihavanana nataontsika mba hahatsiaro an’i Kristy mandrakariva dia ataon’ny isam-batan’olona, saingy rehefa manompo ny hafa isika vao miaina io fanekempihavanana io. Ny antso dia manome antsika fahafahana “hitondra … ny enta-mavesatry ny tsirairay, ka manatanteraka ny lalàn’i Kristy.“ Rehefa manompo isika noho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy maniry ny hiaina ireo fanekempihavanana nataontsika, dia lasa hafaliana sy mitondra fiovana ny fanompoana izay noraisina ho adidy sy nandreraka teo aloha.

Tsy manavotra antsika akory ireo ôrdônansy satria manatanteraka lisitra ana zavatra tokony hatao avy any an-danitra fotsiny ireny. Rehefa miaina ireo fanekempihavanana mifandray amin’ireo ôrdônansy ireo kosa isika dia lasa ilay karazan’olona te ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Io fahatakarana io dia mandresy ny fisalasalana hanompo na ny safidy tsy hanompo. Mihafaingana ny fiomanantsika hihaona amin’i Kristy rehefa mitsahatra manontany izay ho eken’ Andriamanitra isika ka manomboka manontany izay tian’ Andriamanitra kosa.

Fahatelo, ny fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra dia manampy antsika handray ny fanomezam-pahasoavana avy Aminy sy hahatsapa ny fitiavany lehibe.

Tsy mahazo tambiny ara-bola isika rehefa manompo. Mampianatra antsika kosa ny soratra masina fa noho “ny [asantsika], dia handray ny fahasoavan’ Andriamanitra [isika] ka hihamatanjaka ara-panahy, manana ny fahalalana an’ Andriamanitra [ary] mampianatra amin-kery sy ny fahefana avy amin’ Andriamanitra.” Takalo tena tsara izany!

Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia tsy ny fahafahantsika na ny tsy fahafahantsika no fototry ny fanomezana na ny fanekentsika antso iray. Tsy mitaky fahaizana tonga lafatra na talenta miavaka Andriamanitra mba handraisana anjara amin’ny asany. Raha tsy izany dia tsy ho avotry ny Mpanjakavavy Estera ny fireneny, tsy ho nitarika ny Fiangonana tany am-boalohany i Petera, ary tsy ho mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny i Joseph Smith.

Rehefa mampihatra finoana isika mba hanaovana zavatra mihoatra ny fahafaha-manao ananantsika, dia hiseho ny fahalementsika. Tsy mampahazo aina velively izany, saingy ilaintsika ny “[hahalalana] fa noho ny fahasoavan[‘ Andriamanitra] … no ananantsika fahefana hanao ireny zavatra ireny.”

Ho lavo matetika isika rehefa manolo-tena amin’ny asan’ Andriamanitra. Noho ny ezaka ataontsika anefa dia ho eo hatrany Jesoa Kristy hitaty antsika. Hampitsangana antsika tsikelikely Izy mba hananantsika traikefa momba ny famonjena noho ny tsy fahombiazana sy ny tahotra ary ny fahatsapana ho toy ny tsy hahavita azy mihitsy. Ampitomboin’ Andriamanitra ny ezaka tsara vitantsika na dia kely monja aza. Amasininy isika rehefa manolo-tena ho an’i Jesoa Kristy. Izany no hery manova entin’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Rehefa manompo isika, dia mitombo ao amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra mandrapahavonona antsika ka “hanandratan’ny Ray [antsika] hijoro eo anoloa[n‘i Jesoa Kristy].”

Manampy ny hafa handray sy hifaly ao amin’ny fanomezampahasoavan’ny antso

Tsy fantatro izay rehetra hanontanian’ny Mpamonjy ahy rehefa mijoro eo anatrehany aho, fa mety ho fanontaniana iray ny hoe: “Iza no nentinao niaraka taminao?” Ny antso dia fanomezam-pahasoavana masina avy amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana mba hanampy amin’ny fitondrana ny hafa miaraka amintsika hanatona an’i Kristy. Koa manasa ny mpitarika aho sy ny tsirairay avy amintsika mba hikatsaka am-pavitrihana ireo izay tsy manana antso. Amporisiho sy ampio izy ireo mba hanolo-tena hanao ny asan’ Andriamanitra satria manampy azy ireo hiomana amin’ny fiverenan’i Kristy izany.

Tsy navitrika tao am-piangonana i John raha namangy azy ny evekany ka nilaza taminy fa nanana asa hampanaovina azy ny Tompo. Nanasa an’i John mba hiala amin’ny fifohana sigara izy. Na dia efa niezaka imbetsaka aza i John mba hijanona dia nahatsapa hery tsy hita maso nanampy azy izy tamin’ity indray mitoraka ity.

Nitsidika an’i John ny filohan’ny tsatòka, telo herinandro taty aoriana. Niantso azy mba hanompo ao amin’ny episkôpà izy. Taitra i John. Nilaza tamin’ny filohan’ny tsatòka izy fa vao avy niala tamin’ny sigara. Raha toa izany ka midika ny tsy maintsy hijanonany amin’ ny fanaony, izay manatrika lalao baolina kitra matihanina isak’ alahady, dia toa fangatahana tafahoatra loatra izany. Tsotra ny valinteny nentanim-panahy nomen’ilay filohan’ny tsatòka: “John, tsy izaho no mangataka anao, fa ny Tompo.”

Izay novalian’i John hoe: “Raha izany ary no izy dia hanompo aho.”

Nilaza tamiko i John fa ireo fanoloran-tena ireo no kihon-dalana ara-panahy ho azy sy ny fianakaviany.

Manontany tena aho raha toa ka jambena isika indraindray ka tsy manome antso an’ireo olona izay, noho ny fijery maha olombelona dia toa heverintsika ho tsy mahay na tsy mendrika. Na mety mifantoka bebe kokoa ny amin’ny resaka fahaiza-manao isika fa tsy ny fotopampianaran’ny fivoarana, ka tsy mahita ny fomba fampitomboan’ny Mpamonjy ny fahafaha-manao ananan’ireo izay tsy mahavita sy ny tsy voamarina amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo ny fahafahana hanompo.

Ny Loholona David A. Bednar dia mampianatra ny maha zava-dehibe ilay didy ao amin’ny soratra masina hoe “aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny ary hiasa.” Manao izany ve isika? Rehefa mamela ny hafa hianatra sy hanao zavatra avy amin’ny tenany manokana ny mpitarika sy ny ray aman-dreny, dia mamony sy mamelana izy ireo. Mety ho fomba mora ny fanomezana antso faharoa ho an’ireo mpikambana mahatoky, fa ny fomba tena tsara dia ny fiantsoana ireo tsy dia atokisana loatra hanompo sy hianatra ary hivoatra.

Raha teto mivantana i Kristy dia hamangy ny marary Izy, hampianatra ny kilasin’ny Sekoly Alahady, hipetraka miaraka amin’ireo zatovovavy torotoro fo, ary hitsodrano ireo ankizy. Vitany irery ny asany. Saingy miaina io fitsipiky ny famelana antsika hianatra io Izy, ka izay no hanirahany antsika ho eo amin’ny toerany.

Miaraka amin’ny fandraisana anjara hanao ny asan’ Andriamanitra “ny zo sy tombontsoa ary andraikitra mba hisolo tena ny Tompo.” Rehefa manompo isika mba haneni-boninahitra an’i Kristy fa tsy ny tenantsika akory, dia lasa mitondra hafaliana ny fanompoana. Mampatanjaka ny asa rehefa ny hafa no mandao ny kilasy nampianarantsika, na ny fivoriantsika, na ny fitsidiham-panompoana, na ny fiaraha-mientana ataontsika, ka mahatsiaro bebe kokoa an’i Kristy noho ny fahatsiarovany antsika.

Rehefa mikatsaka marina tokoa ny hisolo-tena Ny Mpamonjy isika, dia lasa tahaka Azy bebe kokoa. Izany no fiomanana tsara indrindra ho an’ilay fotoana masina izay handohalihantsika tsirairay avy sy hanekentsika fa i Jesoa no Kristy, izay ijoroako ho vavolombelona fa Izy tokoa no Izy, ary ny Filoha Russell M. Nelson no “[feony izay] mandeha hatrany am-paran’ny tany” mba hanampiana antsika “[hiomana] … ho amin’izay ho avy.” Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Hiverina indray i Jesoa Kristy Tompo,” Liahona, nôv. 2024, 121.

  2. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2–4.

  3. Russell M. Nelson, “Hiverina indray i Jesoa Kristy Tompo,” 121.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5–6.

  5. Jereo ny Jaona 10:10..

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:9.

  7. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:19.

  8. Jereo ny Genesisy 1..

  9. Ao amin’ny fanoharan’ny Mpamonjy momba ny talenta, dia manome andraikitra amin’ny zavatra “kely” ho an’ny mpanompo tsirairay ny Tompo. Nifantoka bebe kokoa tamin’ny fandrosoan’ny mpanompo tsirairay avy ho lasa tompo amin’ny zavatra “be” Ny Tompo, ary tsy niraharaha ny famerenana ny fananany. Ilay mpanompo iray izay natahotra sy tsy nazoto niasa dia voaheloka ary tsy nisy fandrosoana. (Jereo ny Matio 25:14–28.)

  10. Jereo ny Lioka 21:19. Mampianatra ny Loholona David A. Bednar fa “ny asa amim-pahamarinana dia ilaina amin’ny fandrosoana ara-panahy” (“Things as They Really Are 2.0fankaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 3 nôv. 2024], Médiathèque de l’Évangile).

  11. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:4.

  12. Jereo ny Môzià 4:24.

  13. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny zavatra ianarantsika ka tsy ho hadinontsika mandrakizay,” Liahona, mey 2021, 79: “Tian’Andriamanitra ny iarahantsika miasa sy ny ifanampiantsika. Izany no antony nandefasany antsika teto an-tany tao anatina fianakaviana ary nandaminany antsika ho anaty paroasy sy tsatòka. Izany no mahatonga Azy mangataka antsika mba hifanompo. … Afaka mahavita zavatra betsaka lavitra tokoa isika rehefa miaraka toy izay rehefa irery. Tsy handeha ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana raha toa ka mitsitokatokana ireo zanany.”

  14. Galatians 6:2; see also Mosiah 18:8–9.

  15. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Ny fahazoana antso mba hanompo dia antso ny mba hitiavana ilay Mpampianatra izay tompointsika. Antso mba hampiova ny toetrantsika izany” (“As a Child,” Liahona, May 2006, 17).

  16. Jereo ny Henry B. Eyring, “Should a Latter-day Saint sell a product when its use violates the Word of Wisdom?,” Ensign, Apr. 1977, 30.

  17. Môzià 18:26; jereo koa ny Môzià 27:5.

  18. Jereo ny 2 Nefia 3:13, 24.

  19. Jakôba 4:7.

  20. Jereo ny Isaia 40:29–31; 2 Korintiana 12:9.

  21. Jereo ny Matio 14:15–21. Na dia mofo kely dimy sy hazandrano roa aza no natolotra mba hamahanana ny vahoaka marobe, dia noraisin’ny Mpamonjy tamim-pankasitrahana izany fanatitra izany ary nampitomboiny mihoatra noho izay nilaina izany. Iray amin’ireo lesona lehibe amin’io fahagagana io ny hoe ny zavatra atolotry ny Mpamonjy antsika dia mihoatra noho ny ampy foana!

  22. Ny fototeny latina an’ny teny hoe fahafoizana dia sacer, izay midika hoe masina, sy facere, izay midika hoe manao. Vokatr’izany dia sady ho olona afaka isika no ho masina (jereo ny Helamàna 3:35; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:50).

  23. 3 Nefia 27:14.

  24. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:6, 16:6; 18:10–16.

  25. Jereo ny Moronia 7:2; Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 4.1, Médiathèque de l’Évangile.

  26. Jereo ny “Ndao handroso hatrany,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, pj. 20.

  27. Zavatra niainana manokana sy fifandraisana tamin’ny 4 janoary 2025. Novaina ny anarana.

  28. Jereo ny Matio 10:5–8; Lioka 10:1–9. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 4.2.6.

  29. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99; nampiana fanamafisana; taorian’ny resaka nifanaovana tamin’i Loholona David A. Bednar, Des. 2024.

  30. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:20. Tsy hoe ho mpitarika amin’ny hoavy ato amin’ny Fiangonana fotsiny ny zatovontsika. Afaka mitarika amin’ny fomba lehibe izy ireo izao. Hitako io fahamarinana io raha niara-nanompo tamin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy 744 niavaka indrindra tao amin’ny Misiônan’i Illinois Chicago aho tamin’ ny taona 2019–2022. Nandritra ny COVID, ireo mpianatra tanora nefa matanjaka an’i Kristy ireo dia nampandroso ny asan’ Andriamanitra ho any amin’ny havoana tsy hita maso, tamin’ny fomba miavaka sy feno zava-baovao.

  31. Jereo ny 2 Nefia 27:20–21.

  32. Torio ny Filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023), 3.

  33. Ao amin’ny Jakôba 1:17, 19, ny asa nampanaovina an’i Jakôba dia ny asa nampanaovina ny Tompo. Tsy nanandratra ny anjara fanompoany ho an’ny tenany izy fa ho an’ny Tompo mba hahafahany mampianatra ny tenin’ Andriamanitra ka ho “hita tsy misy pentina amin’ny andro farany.”

  34. Jereo ny 3 Nefia 27:27.

  35. Doctrine and Covenants 1:11–12.