Ny fitiavan’ Andriamanitra
Mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho fa i Jesoa Kristy Mpamonjy no fitiavan’ Andriamanitra. Ny fitiavany antsika dia tonga lafatra, miantefa manokana amintsika ary maharitra mandrakizay.
Indray fahavaratra raha nanao dia nankany amin’ny toerana lavitra iray, dia natory ankalamanjana tamin’ny alina iray teo ambany lanitra tsy nahitan-drahona ny fianakavianay. Hita nazava teo amboninay ny Vahindanitra (Voie Lactée) nahatalanjona, feno kintana tsy tambo isaina ary kintana mitsoraka tsindraindray. Raha tolagaga tamin’ny halehiben’ny faharian’ Andriamanitra izahay dia nahatsapa fifandraisana feno fanajana lalina Taminy. Ireo zanaka kelinay, izay lehibe tany Hong Kong, dia tsy mbola niaina zavatra toy izany teo aloha. Tamin’ny naha-zaza azy ireo no nanontaniany hoe io lanitra io ihany ve no ilay lanitra any an-tranonay. Niezaka nanazava tamin’izy ireo aho fa lanitra iray ihany izany, saingy ny loton’ny rivotra sy ny hazavana tany amin’ny toerana nonenanay no nanakana anay tsy hahita ireo kintana ireo na dia teo aza izy ireo.
Mampianatra antsika ny soratra masina fa “ny finoana dia fahatokiana ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” Raha toa ka manalokaloka ny fahitantsika ara-panahy ireo fandrebirebena mampisahotaka sy ireo fakam-panahy ety an-tany, rehefa mampihatra finoana an’ Andriamanitra sy ny Zanany Jesoa Kristy isika dia mandray toky mazava ny amin’ny maha-tena misy Azy Ireo sy ny fiahiahian’ Izy Ireo ny momba antsika.
Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny mpaminany Lehia dia nahatazana “hazo iray, izay mampilendalenda ny voany ka mahasambatra ny olona” ary “tena mamy izany, manoatra noho [ny] rehetra.” Rehefa nihinana tamin’ny voany izy dia feno fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahiny; koa dia nanomboka nangetaheta izy ny mba hihinanan’ny ankohonany amin’izany koa. Ianarantsika fa io hazo io dia maneho “ny fitiavan’ Andriamanitra,” ary tahaka an’i Lehia, isika koa dia afaka mandray fijoroana ho vavolombelona feno fifaliana momba an’ Andriamanitra rehefa manasa Azy ho eo amin’ny fiainantsika.
Maneho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika i Jesoa Kristy. Tamin’ny alalan’ny sorompanavotana nataony dia noraisiny teo Aminy ny fahotantsika ary notorotoroina Izy noho ny helotsika. Noentiny manokana ny fahoriantsika, nivesatra ny alahelontsika Izy, ary nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika sy ny aretintsika. Mandefa ny Fanahy Masina Izy hampahery antsika, ary anisan’ny vokatry ny Fanahy ny fifaliana, fiadanana, ary finoana, izay mameno antsika amin’ny fanantenana sy fitiavana.
Na eo aza ny hoe ho an’ny rehetra ny fitiavan’ Andriamanitra, dia maro no mikatsaka izany fatratra, ary ny hafa kosa dia maniry ny hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra saingy tsy mino fa mendrika izany. Ny hafa dia miezaka mifikitra mafy aminy. Mampianatra antsika ny soratra masina sy ny mpaminanin’ny Tompo fa afaka miaina tsy tapaka ny fitiavan’ Andriamanitra isika rehefa, amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, mibebaka hatrany, mamela heloka an-kitsim-po, miezaka mitandrina ireo didiny, ary manompo tsy amim-pitiavan-tena ny hafa. Mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra isika rehefa manao ireo zavatra izay mampanatona antsika Azy bebe kokoa, toy ny miresaka Aminy isan’andro amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina, ary mitsahatra amin’ny fanaovana ireo zavatra izay mampanalavitra antsika Aminy, toy ny fieboeboana, ny fifandirana, ary ny fikomiana.
Nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba “[h]anaisotra miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy, ireo poti-javatra tranainy eo amin’ny fiainantsika” ary “[hanaisotra] ny lolom-po.” Namporisika antsika izy “hanamafy orina ireo fototra ara-panahintsika amin’ny alalan’ny fampifantohana ny fiainantsika amin’ny Mpamonjy sy amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoliny.” Nampanantena izy fa “rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika tany amin’ny tempoly isika, dia mahazo misimisy kokoa amin’ny hery mampatanjaky ny Tompo. … Mahatsapa be dia be ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy sy ny an’ny Raintsika any An-danitra isika!”
Manana namana iray aho izay nanana fianakaviana nahafinaritra sy asa naha velom-bolo. Niova izany rehefa tsy afaka niasa intsony izy noho ny aretina iray, izay narahin’ny fisaraham-panambadiana. Sarotra ireo taona maro taorian’izay, saingy ny fitiavany ireo zanany sy ny fanekempihavanana nataony tamin’ Andriamanitra dia nanohana azy. Indray andro dia nahare izy fa nanambady indray ny vadiny taloha ary nangataka ny hanafoanana ny famehezana azy ireo tany amin’ny tempoly. Sahiran-tsaina sy very hevitra izy. Nikatsaka fiadanana sy fahatakarana tao an-tranon’ny Tompo izy. Ny ampitson’ny fitsidihany dia naharay ity hafatra manaraka ity avy taminy aho:
“Niaina zavatra tena nahavariana tao amin’ny tempoly aho omaly hariva. Heveriko fa niharihary hoe mbola nitana lolompo aho. … Fantatro fa tsy maintsy miova aho, ary nivavaka nandritra ny herinandro aho mba hanaovana izany.… Omaly hariva tao amin’ny tempoly dia nahatsapa ara-bakiteny ny Fanahy nanaisotra ny lolompo tao am-poko aho. … Tena fahamaivamaivanana ny fahafahana tamin’izany. … Nesorina ny enta-mavesatra ara-batana goavana iray nampahory ahy.”
Na dia mbola manana ireo olany aza izy, dia ankamamian’ilay namako izany zavatra niainany tao amin’ny tranon’ny Tompo izany, izay nanampian’ny hery manafaka avy amin’ny fitiavan’ Andriamanitra azy hahatsapa ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra sy hanana fanantenana bebe kokoa momba ny fiainana ary tsy hanahy momba ny hoaviny.
Rehefa mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra isika dia afaka mitondra mora foana ireo enta-mavesatsika ary manoa amim-paharetana sy amim-piravoana ny sitrapony. Manana fahatokiana isika fa hahatsiaro ny fanekempihavanana nataony tamintsika Andriamanitra, sy hamangy antsika ao anatin’ny fahoriantsika ary hanafaka antsika amin’ny fanandevozana. Haniry hizara ny fifaliana tsapantsika amin’ny fianakaviantsika sy ireo olona akaikin’ny fontsika ihany koa isika. Tahaka ny fianakavian’i Lehia, ny olona tsirairay dia manana fahafahana misafidy na hihinana na tsia amin’ilay voankazo, saingy ny fahafahana eo anoloantsika dia ny mitia sy mizara ary manasa amin’ny fomba izay hahafahan’ireo olona lalaintsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.
Mba hanampiana ny hafa hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra dia ilaintsika ny mikolokolo ao anatintsika ireo toetra araka an’i Kristy toy ny fanetrentena, ny fiantrana, ny fangorahana, ary ny faharetana, ary manampy ny hafa hitodika amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanarahana ireo didy roa lehibe dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny mpiara-belona amintsika.
Nandritra ireo taona naha-zatovo azy dia sarotra tamin’ny iray amin’ny zanakay lahy ny fiarahana tamin’ny hafa sy ny fananana fahatokian-tena. Nivavaka izahay mivady mba hahafantarana ny fomba hanampiana azy, ary vonona ny hanao izay rehetra tian’ny Tompo hataonay izahay. Indray andro dia nahatsapa ho voatarika hanontany ny filohan’ny kôlejin’ny loholona aho raha toa ka mahafantatra olona sahirana azoko tsidihina miaraka amin’ny zanako lahy izy. Rehefa avy nieritreritra kely izy dia nangataka anay hitsidika vehivavy iray nanana olana ara-pahasalamana goavana, sy hitondra ny fanasan’ny Tompo ho azy isan-kerinandro rehefa nahazo lalana avy tamin’ny filohan’ny sampana. Faly be aho nefa nanahy ihany koa ny amin’ny ho fihetsiky ny zanako lahy amin’io fanoloran-tena isan-kerinandro io.
Tamin’ny fitsidihanay voalohany dia nalahelo io vehivavy malala io ny fonay, satria tanaty fanaintainana tsy tapaka izy. Tena feno fankasitrahana noho ny fanasan’ny Tompo izy ary nahafinaritra anay ny nitsidika azy sy ny vadiny. Taorian’ny fitsidihana vitsivitsy, indray alahady, dia tsy teo an-toerana aho ary tsy afaka niaraka tamin’ny zanako lahy saingy nampahatsiahiviko azy ny asa nanendrena anay. Tsy andriko ny handre ny fandehan’ilay fitsidihana rehefa tonga tao an-trano. Namaly ilay zanako hoe tsy mba afaka manao zavatra mahafinaritra tahaka izany ny mpiara-mianatra aminy. Dia novelabelariny izany tamin’ny filazana fa nentiny niaraka taminy ny rahalahiny mba hanampy azy, ary nandeha tsara ny fanasan’ny Tompo, saingy nalahelo ity rahavavy malala ity nandritra ny herinandro satria nanasa namana ho any an-tranony izy mba hijery sarimihetsika saingy tsy nety nandeha ny fandefasana horonan-tsariny. Nilaza ny zanako lahy fa nikaroka tao amin’ny internet izy, ka nahita ilay olana, ary nanamboatra izany teo no ho eo ihany. Nahatsapa izy hoe nilaina sy faly ary natokisana hanao zavatra izay nitondra fifaliana ho an’ny tontolo andron’ilay vehivavy. Nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ho azy izy.
Raha toa ka manjombona ny fiainana, na dia eo aza ny ezaka tsara indrindra vitanao, na raha tsapanao fa tsy nohenoina ny vavaka nataonao, na tsy mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ianao, dia aoka ho fantatrao fa ny ezaka rehetra ataonao dia manan-danja ary tahaka ny maha-tena misy ireo kintana eo ambonintsika, ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahafantatra sy mihaino ary tia anao.
Indray mandeha, rehefa tao anaty sambokely “natopatopan’ny alon-drano” ny mpianany, dia nandeha nanatona azy ireo teny ambony rano ny Mpamonjy ary nanome toky azy ireo nanao hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.” Rehefa naniry ny handeha ho any amin’ny Mpamonjy teo ambonin’ny rano i Petera, dia niantso Azy i Jesoa nanao hoe: “Avia.” Ary rehefa tsy nifantoka intsony i Petera ka nanomboka nilentika, dia naninjitra ny tanany avy hatrany ny Mpamonjy hisambotra azy ary nitondra azy ho any amin’ny toerana azo antoka sady niteny hoe: “Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?”
Rehefa manohitra antsika ny rivotra eo amin’ny fiainantsika, moa ve isika vonona ny hahatoky sy ho be herim-po? Ahoana no ahafahantsika mahatsiaro fa tsy mahafoy antsika ny Mpamonjy ary eo akaikintsika Izy, angamba amin’ny fomba izay tsy mbola tsikaritsika? Moa ve isika vonona ny hanatona Azy amim-pinoana, indrindra rehefa toa mikatona tanteraka ny lalana eo anoloantsika? Ary amin’ny fomba ahoana avy no hanandratany antsika ho amin’ny toerana azo antoka rehefa mivembena isika? Ahoana no ahafahantsika mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra; tsy hiroanàhana, tsy hatahotra?
Raha te hahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ianao dia manasa anao aho handinika ireto manaraka ireto:
-
Voalohany, miatoa matetika mba hahatsiarovana fa zanak’ Andriamanitra ianao ary eritrereto ireo zavatra maha-feno fankasitrahana anao.
-
Faharoa, mivavaha isan’andro, mangataha amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahafantatra hoe iza manodidina anao no mila mahatsapa ny fitiavany.
-
Fahatelo, anontanio amin-kitsim-po ny zavatra azonao atao mba hanampiana io olona io hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.
-
Ary fahefatra, manaova asa haingana araka ny fitaomam-panahy azonao.
Raha mivavaka tsy tapaka sy mangataka ho an’ny hafa isika, dia hampiseho amintsika izay olona azontsika ampiana Andriamanitra. Ary raha manao asa haingana isika dia afaka ny ho lasa fitaovana hamaliany ny vavak’izy ireo. Rehefa ataontsika izany, rehefa mandeha ny fotoana, dia hahazo valin’ireo vavaka ataontsika isika ary hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika manokana.
Volana vitsivitsy lasa izay raha nandeha tany Vietnam izaho sy ny vadiko, dia nandeha fiaramanidina izay niainga tao anatin’ny tafio-drivotra mahery izahay. Mafy ny fisahotakotahana, ary tazana teo am-baravarankely ny rahona maizina sy ny orana mivatravatra ary ny tselatra. Taorian’ny fiakarana lavabe sy tsy nampahazo aina, dia tafiakatra teo ambonin’ny rahon’ny tafio-drivotra ihany ilay fiaramanidinay ary dia tojo amin’ny fitazanana izato zavatra mahatalanjona izahay. Nampahatsiahivina indray izahay ny amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka nahatsapa ny fitiavan’Izy Ireo anay.
Ry namana malala, amin’ny maha-olona efa niaina ny fitiavan’ Andriamanitra ahy, dia mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho fa i Jesoa Kristy Mpamonjy no fitiavan’ Andriamanitra. Ny fitiavany antsika dia tonga lafatra, miantefa manokana amintsika ary maharitra mandrakizay. Rehefa manaraka Azy amim-pahatokiana isika, dia enga anie isika ho heniky ny fitiavany ary enga anie isika ho fanilo izay mitarika ny hafa ho amin’ny fitiavany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.