2025
“Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo”
Mey 2025


15:4

“Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo”

Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ireo zanany dia fijoroana ho vavolombelona tena matanjaka ho an’izao tontolo izao fa ity marina tokoa no Fiangonan’ny Mpamonjy.

Taona maro lasa izay no nandeha tany Alemana atsimo izaho sy Rahavavy Uchtdorf. Andro nialoha ny Paska tamin’izay ary nanasa ny namanay akaiky iray izahay, izay tsy mpikamban’ny Fiangonana, mba ho avy hanatrika ny fivoriana alahady miaraka aminay. Tena tianay io namanay io ka toa nandeha ho azy sy mora taminay ery ny nizara taminy izay tsapanay momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany ary ny nanasa azy mba ho avy hizaha sy hahita! Nanaiky ny fanasanay izy ary tonga niaraka taminay nanatrika ireo fivoriana tao amin’ny sampana iray tsy lavitra.

Raha efa nitondra namana iray ho any am-piangonana ianao ka fotoana voalohany ho azy izany dia mety ho takatrao ny zavatra tsapako tamin’io alahady maraina io. Tiako hoe tonga lafatra avokoa ny zava-drehetra. Olona nandia fianarana ambony io namanay io, ary liana amin’ireo zavatra ara-panahy izy. Tena nanantena mafy aho fa hampihetsi-po azy ireo fivoriana tao amin’io sampana io ary hanome endrika tsara ny Fiangonana.

Nanofa efitrano tao amin’ny rihana voalohan’ny fivarotana enta-madinika iray izay ilay sampana mba hanatanterahana ireo fivoriana. Mila miakatra ny tohatra ao ambadikin’ny trano mba hahatongavana any, mandalo fofona mahery vaika avoakan’ireo entana izay tehirizina ao.

Rehefa iny nanomboka iny ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nieritreritra ilay namana aho izay sambany vao miaina izany, ka tsy tanako nefa fa nahatsikaritra zavatra maromaro izay nampikentrona kely ahy aho. Ny hira ohatra dia tsy nitovy loatra tamin’ny fihiran’ny Amboarampeon’ny Tabernakely. Ankizy mitabataba tsy ankijanona no re nandritra ny fanasan’ny Tompo. Niezaka mafy ireo mpandray fitenenana saingy tsy havanana loatra tamin’ny firesahana imasom-bahoaka izy ireo. Tsy dia nahazo aina loatra aho raha nipetraka nandritra ny fivoriana manontolo, ka nanantena kosa hoe ho tsaratsara kokoa angamba ny Sekoly Alahady.

Indrisy.

Niahiahy fatratra ny amin’ny mety ho eritretr’ilay namanay momba ity fiangonana nitondranay azy ity aho nandritra ny maraina manontolo.

Taorian’izay, rehefa niverina nody izahay dia nitodika niresaka tamin’ilay namanay aho. Nohazavaiko taminy fa sampana kely iray fotsiny iny natrehany iny ka tsy dia naneho loatra ny Fiangonana iray manontolo. Fa nialoha ny hanohizako ny teniko, dia namaly ahy izy.

“Nahafinaritra ilay izy,” hoy izy.

Tsy nahaloa-peo aho.

Mbola notohizany hoe, “tena nampihetsi-po ahy ny fomba fifampitondran’ny olona tsirairay ao amin’ny fiangonanareo. Toa samy hafa avokoa ny fiavian’izy ireo, kanefa hita mazava fa tena mifankatia marina tokoa ny tsirairay. Torak’izany mihitsy no nieritreretako ny hoe Fiangonana irian’i Kristy.”

Nibebaka haingana aho ny amin’ny toetrako nitsaratsara. Fivoriana tonga lafatra no nalaiko sary tao an-tsaiko mba hampihetsi-po ilay namako. Fa ny zavatra vitan’ny mpikambana tao amin’io sampana io dia fanehoana tonga lafatra sy an-kitsim-po ny fanahin’ny fitiavana, hatsaram-panahy, faharetana ary fangorahana.

Mba ho afaka hitombo eto an-tany anie ny finoana

Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, ry namana malala isany, tiako Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Fiangonana marina sy velona an’ny Mpamonjy ity, ary mampianatra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Mitoetra ato ny hery sy fahefan’ny fisoronany. Mitarika manokana ity Fiangonana ity i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ireo mpanompo izay nantsoiny sy nomeny lalana, ary amin’ny alalan’ny mpaminany velona, dia ny Filoha Russell M. Nelson. Nomen’ny Mpamonjy iraka miavaka ny Olomasin’ny Andro Farany hanangona ny zanak’ Andriamanitra sy hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Mijoro vavolombelona aho fa marina avokoa ireo.

Zava-dehibe anefa ny mahatsiaro fa ny ankamaroan’ny olona izay vao sambany no manatrika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tsy hieritreritra momba ny fahefan’ny fisoronana na ny ôrdônansy na ny fanangonana an’i Isiraely. Fa ny mety ho tsikaritr’izy ireo kosa, ambonin’ny zava-drehetra, dia ny zavatra tsapany rehefa miaraka amintsika izy ireo sy ny fifampitondrantsika samy isika.

“Mifankatiava ianareo,” hoy Jesoa. “Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo.” Matetika loatra ny fijoroana ho vavolombelona voalohany ananan’ny olona iray momba an’i Jesoa Kristy dia avy amin’ny fahatsapany fitiavana eo anivon’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Nanambara ny Mpamonjy fa naveriny tamin’ny laoniny ny Fiangonany mba “ho afaka hitombo eto an-tany … ny finoana.” Noho izany, rehefa tonga mitsidika ny fivorian’ny Fiangonantsika ny olona dia tian’ny Mpamonjy ny hahazoan’izy ireo finoana matanjaka kokoa momba Azy rehefa tapitra ny fivoriana! Ny fitiavana tsapan’ny namantsika eo anivontsika dia hisintona azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy! Izany no tanjona tsotra apetratsika isaky ny mivory isika.

N’iza n’iza mikatsaka finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy na fifandraisana akaiky kokoa amin’ny Ray any An-danitra dia tokony hahatsapa ho toy ny ao an-tranony rehefa tonga ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Afaka ny ho toy ny zavatra mahazatra sy voajanahary toy ny fanasantsika azy ireo ho any an-tranontsika ny fanasantsika azy ireo koa hanatrika ny fivoriantsika.

Ny idealy sy ny tena izy

Tsapako izao fa milazalaza ny toe-javatra idealy aho. Eto amin’ity fiainana an-tany ity anefa isika dia mahalana no tena miaina ny idealy. Ary “mandra-pitataovovonan’ny andro” dia hisy foana ny elanelana hampisaraka ny idealy sy ny tena izy. Inona ary izany no tokony ataontsika rehefa toa tsy tonga lafatra toy ny hazavan’ny andro amin’ny mitataovovonana ny any am-piangonana? Rehefa tsy mbola mampihatra ilay finoana na fitiavana tonga lafatra ny paroasy misy antsika, noho ny antony samihafa? Na rehefa mahatsapa fa ho tsy mety amintsika ny any?

Zavatra iray izay tsy tokony ataontsika dia ny milavo lefona ny amin’ilay idealy!

Misy izao fampitandremana izao ao amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna: “Raha misy hadisoana” hoy ilay izy, “dia hadisoan’ny olona izany; noho izany dia aza maniny ny zavatr’ Andriamanitra.”

Afaka ny mbola ho asan’ Andriamanitra ihany ve ny boky iray, na ny fiangonana iray na ny olona iray, izay misy “hadisoana”?

Eny ary tena Eny no valiny!

Noho izany, eo am-pitandremantsika fatratra ny fenitra ambony takian’ny Tompo, dia aoka isika hanam-paharetana ihany koa amin’isika samy isika. Mbola samy eo an-dalam-pizorana amin’ny fahatanterahana ny tsirairay avy amintsika, ary samy miantehitra avokoa amin’ny Mpamonjy isika rehetra mba ho afaka ny hivoatra. Marina izany ho an’ny tsirairay avy amintsika, ary marina ihany koa izany ho an’ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany.

Tsy vitan’ny hoe manasa antsika fotsiny ny Tompo ny mba hidirantsika ao amin’ny fanjakany fa ny mba hirotsahantsika an-tsehatra tanteraka amin’ny fananganana izany ihany koa. Miandrandra vahoaka iray izay “iray fo sy iray saina” Andriamanitra. Mila manana fo madio mangarahara isika mba ho azo lazaina hoe iray fo ,ary izany dia mitaky fiovam-po goavana.

Tsy midika anefa izany hoe mila manova ny ao am-poko mba hifanaraka amin’ny anareo aho. Ary tsy midika izany hoe mila manova ny ao am-ponareo ianareo mba hifanaraka amin’ny ahy. Ny dikan’izany dia hoe mila samy manova ny ao am-pontsika isika rehetra mba hifanaraka amin’ny Mpamonjy.

Raha mbola tsy tanteratsika izany dia tsarovy fa afaka mahavita ny zava-drehetra isika miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Fahametezana sy fananana anjara toerana

Ary raha sendra mahatsapa ho tsy mitovy amin’ny hafa ianao dia fantaro fa tsy irery ianao akory. Moa va tsy efa niaina toe-javatra toy izany avokoa isika teo amin’ny fiainana, mahatsapa ho toy ny mpivahiny ao anaty efitra iray? Efa niainako imbetsaka izany. Fony aho 11 taona dia voatery tsy maintsy nandao ny trano fonenanay ny fianakaviako ary nifindra tany amin’ny faritra tsy nahazatra iray. Hafa be tamin’izay efa nahazatra ahy ny zava-drehetra tany. Nanampy trotraka izany ny fomba fiteniko teo anatrehan’ireo ankizy hafa satria dia tsy nitovy tamin’ny fomba fiteny mahazatra azy ireo ny ahy. Tamin’ny fotoana izay tena nilako mafy namana sy ny fananako ny anjara toerako dia nahatsiaro manirery sy very aho.

Ny ankamaroan’ny fahasamihafana voatsikaritsika eto an-tany, ireo fahasamihafana izay ampiasain’ny olona sasany amintsika mba hanasokajiana ny tsirairay, dia mahakasika ireo zavatra hita eto an-tany: ny endrika ivelany, firazanana, fomba fiteny, fomba fiakanjo, fomba fanao, sy ny sisa. Saingy tsy mba mitovy amin’ny an’olombelona ny fomba fijerin’ Andriamanitra. Ny olona mijery ny eo ivelany, fa ny Tompo kosa mijery ny ao am-po.”

Araka ny fomba fijeriny dia misy sokajy iray izay mialoha ny hafa rehetra: zanak’ Andriamanitra. Ary samy tafiditra ao anatin’izany avokoa isika rehetra.

Tsy hafahafa akory ny faniriana hiaraka amin’ireo olona izay mitovy endrika amintsika, miresaka mitovy amintsika, mitovy fihetsika amintsika, ary mitovy fomba fisainana amintsika. Misy toerana ho an’izany.

Saingy ato amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy kosa dia angonintsika ny zanak’ Andriamanitra rehetra izay vonona ny hangonina sy mikatsaka ny fahamarinana. Tsy ny endritsika ivelany na ny firehantsika ara-pôlitika na ny kolontsaintsika na ny firazanantsika akory no mampitambatra antsika. Tsy ny tantara iombonantsika no mampiray antsika. Fa ny tanjona iraisana ananantsika kosa, ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika, ny fanolorantenantsika ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. “Iray ihany … ao amin’i Kristy” isika.

Ny firaisan-kina izay katsahintsika dia tsy ny fampijoroana ny rehetra eo amin’ny toerana iray mitovy; fa ny mampitovy ny fijerin’ny tsirairay avy kosa, hitodika any amin’i Jesoa Kristy. Iray isika, tsy noho ireo zavatra nolalovantsika, fa noho ny lalana izay mbola ezahantsika haleha, tsy noho ny maha isika antsika fa noho ilay olona izay katsahintsika hahatongavana.

Izany no tena antom-pisian’ny Fiangonana marin’i Kristy.

Iray vatana

Raha tia an’ Andriamanitra ianao, raha tianao ny hahafantatra Azy tsara kokoa amin’ny alalan’ny fanarahana ilay Zanakalahiny, dia manana anjara toerana ato ianao izay. Raha mikatsaka marina tokoa ny hitandrina ireo didin’ny Mpamonjy ianao, na dia mbola tsy tonga lafatra aza amin’ny fanaovana izany, dia tena mety aminao tsara Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ary ahoana raha tsy mitovy amin’ireo olona manodidina anao ianao? Tsy midika izany fa tsy ilaina ianao, fa mahatonga anao ho rantsana ilaina iray ao amin’ny vatan’i Kristy izany. Ilaina avokoa ny rehetra ao amin’ny vatan’i Kristy. Mahatsapa zavatra ny sofina izay tsy ho tsapan’ny maso mihitsy. Misy zavatra ataon’ny tongotra izay tsy ho vitan’ny tanana mihitsy.

Tsy midika izany fa ny asanao dia ny hanova ny olona tsirairay mba ho tonga tahaka anao. Fa ny tena dikany dia hoe misy zava-dehibe izay andraisanao anjara, ary misy zava-dehibe hianaranao!

Iray feo

Isaky ny fivorian’ny fihaonambe maneran-tany tsirairay avy dia fitahiana ho antsika ny maheno hira mankahery avy amin’ireo amboaram-peo manan-talenta. Rehefa mihaino ianao dia mety hahatsikaritra fa tsy mihira naoty tokana avokoa ny mpihira tsirairay avy. Indraindray dia sampana iray no manana anjara hanao ny feo voalohany, ary indraindray dia sampana hafa. Saingy mandray anjara hanome ilay feo kanto avokoa ny rehetra, ary tena miray hina tanteraka izy ireo. Tanjona tokana no samy ananan’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny amboaram-peo: dia ny midera an’ Andriamanitra sy mampiravoravo ny fontsika ao Aminy. Mila mampifantoka ny sainy sy ny fony amin’izany tanjona masina iombonana izany ny tsirairay avy. Ary rehefa mitranga izany dia tena lasa iray feo tokoa izy ireo.

Raha mbola tsy mpikambana ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao dia manasa anao izahay hiditra satria dia mifaly ao amin’ny “hiran’ny fitiavana manavotra” izay atolotry ny Mpamonjy izahay. Mila anao izahay. Tianay ianao. Ho tsaratsara kokoa ny Fiangonana raha miaraka amin’ny ezaka hataonao amin’ny fanompoana ny Tompo sy ireo zanany.

Raha toa ka efa nasehonao tamin’ny alalan’ny batisa, tamin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra, ny fanirianao “ho tonga ao amin’ny valan’ Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany,” dia misaotra anao mandray anjara amin’ity asa lehibe sy masina ity sy ny fanampianao ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho lasa ilay karazana Fiangonana iriany.

Araka ny zavatra nianarako tamin’ilay namako tany Alemana, ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ireo zanany dia fijoroana ho vavolombelona mahery vaika ho an’izao tontolo izao fa ity marina no Fiangonan’ny Mpamonjy.

Hitahy antsika anie Andriamanitra ny mba hikatsahantsika amim-paharetana kanefa amim-pahazotoana ny hahatratra ireo idealy napetraky ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary Tompontsika, mba hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianany isika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jaona 13:34–35, New King James Version.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:21.

  3. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:5–6.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24.

  5. Mosesy 7:18.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21.

  7. Jereo ny Almà 5:14.

  8. Jereo ny Lioka 1:37.

  9. 1 Samoela 16:7, New English Translation.

  10. Jereo ny Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizay” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022), Médiathèque de l’Évangile.

  11. Galatiana 3:28.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  13. Jereo ny 1 Korintiana 12:12–27. Ao amin’ilay vatan’i Kristy, dia ankasitrahantsika ny fisian’ny fahasamihafana, ary tena ankafizintsika ny fisian’izany. Mankasitraka ny fandraisan’anjara tokana entin’ny mpikambana tsirairay isika, mba hahasoa ny vatana iray manontolo.

  14. Toy ny tsy mampety ny sofina hijery ny vatana ka hiteny hoe, “Tsy mitovy amin’ny maso aho; tsy misy toerana ho ahy ato angamba,” dia torak’izany koa ny tsy mampety ny fitenenan’ny maso amin’ny sofina hoe, “Tsy mitovy amiko ianao; tsy misy ilana anao eto” (jereo ny 1 Korintiana 12:16, 21).

  15. Almà 5:26.

  16. Môzià 18:8. Rehefa natao batisa isika dia nijoro ho vavolombelona, ankoatra ny zavatra maro hafa, fa te ho isan’ny vahoaka iray izay “[m]ifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay” sy “[m]iara-malahelo amin’izay malahelo” ary “[m]ampionona ireo izay mila fampiononana” (andininy 8–9). Raha lazaina amin’ny teny hafa, rehefa miditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy isika, dia milaza amim-panetrentena nefa mazava tsara, fa te ho lasa kokoa tahaka ilay Mpamonjy malalantsika isika, ary te hanao izany miaraka amin’ny hafa isika.