2025
Mahatoky amin’ny finoana izay notandrovan’ireo ray aman-drenintsika
Mey 2025


11:0

Mahatoky amin’ny finoana izay notandrovan’ireo ray aman-drenintsika

Aoka re mba hianatra sy hahazo hery ianareo avy amin’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelon’ireo izay nialoha anareo.

Rehefa nitsidika ny tempolin’i Nashville Tenessee aho mba hanao fanaraha-maso ny tempoly, dia nanana ny tombontsoa hitari-dalana mpitsidika tao anatin’ilay andraikitra nanendrena ahy hanara-maso io tranon’ny Tompo tena kanto io. Nanaitra ahy manokana ny sary hosodoko nataon’i Mary Wanlass antsoina hoe Carry On (Tohizo hatrany) izay nihantona teo amin’ny rindrin’ny biraon’ny mpiandraikitra ny tempoly.

Toy izao ny tantara fonosin’ilay sary hosodoko:

“Tany Missouri tamin’ny taona 1862, dia nanao fampanantenana i Mary Wanlass, 14 taona, tamin’ny renikeliny teo am-pialana aina fa hataony izay hahatongavan’ny rainy manan-kilema sy ireo zandriny efatra any amin’ny Lemaky ny Farihy Masira any Salt Lake. … Notarihin’i Mary ireo ombilahy sy ombivavy izay nisintona ny sarety nisy ny rainy narary tao am-pandriana, ary nikararaka ireo … iray tampo taminy izy. Isaky ny vita ny dia mandritra ny andro dia mamahana ny fianakaviany izy amin’ny fitadiavana zava-maniry sy voninkazo ary voankazo fihinana. Ny hany tari-dalana nananany dia ny toromarika voarainy nanao hoe tohizo ny dia mankany andrefana -mandra-pahatazana tendrombohitra ho solon’ny rahona.-

“Tonga tao amin’[ny] Lemak’i Utah izy ireo tamin’ny volana septambra, rehefa avy nanao ny dia nandritra ny lohataona sy fahavaratra. Tsy ela taorian’ny nahatongavan’izy ireo tao amin’ny faritr’i Utah dia nodimandry ny rainy, ary taorian’izay dia nanambady sy nanorina ny tokantranony i Mary.”

Tantara mahatalanjona izany maneho ny finoana sy ny tanjaky ny zatovovavy 14 taona izay afaka manampy antsika tsirairay ankehitriny mba “hanohy hatrany fotsiny.”

“Tohizo hatrany fotsiny,” na raha adika malalaka amin’ny Néerlandais tenim-pirenako dia hoe, Gewoon Doorgaan, izay teny filamatry ny dada sy neniko nandritra ny androm-piainany.

Ireo ray aman-dreniko sy ny fianakaviam-badiko no mpamaky lain’ny fianakavianay. Izy ireo dia namakivaky ireo “lemak’” izy ireo manokana, tahaka ireo rehetra izay miditra ho ao amin’ny Fiangonana, ilay valan’ny Tompo, isan’andro. Tsy misy ifandraisany amin’ny omby sy sarety ny tantaran’izy ireo kanefa mitovy ny vokany ho an’ny taranaka ho avy.

Nandray ny filazantsara izy ireo ary natao batisa tamin’ny fahatanorany. Ny raiko sy ny reniko dia samy niaina fahazazana sarotra. Lehibe tany amin’ny nosy Java any Indonésie ny raiko. Nandritra ny Ady Lehibe faharoa dia noterena hisaraka tamin’ny fianakaviany izy ary nalefa hipetraka tany amin’ny tobin’ny olona voababo, ary tao no nijaliany tamin’ny fomba tsy hay lazaina tanatin’ny fahatanorany.

Ny reniko dia lehibe tanaty fianakaviana nisaratsaraka ary izy koa dia niaina ny hanohanana sy fahasahiranana nateraky ny Ady Lehibe faharoa. Nisy fotoana aza dia voam-boninkazo tiolipa no nataony sakafo. Noho ny zavatra nataon’ny rainy sy ny fisaraham-panambadiana naterak’izany dia sarotra taminy indraindray ny mahita ny Ray any An-danitra ho Ray be fitiavana.

Tany amina fiaraha-mientana iray tao am-piangonana no nihaonan’ny ray aman-dreniko ary fotoana fohy taorian’izay dia nanapa-kevitra ny hivady sy ho fehezina tao amin’ny Tempolin’i Berne Suisse izy ireo. Rehefa niandry teo amin’ny seran-dalamby izy ireo, avy nandany ny tahiry kely nananany nanaovana ilay dia nankany amin’ny tempoly, dia nanontany tena hoe ahoana no hahatafavoahana amin’ny fahasahiranana kanefa natoky izy ireo fa hilamina ny zava-drehetra. Ary izay tokoa no nitranga!

Nanomboka ny fiainam-pianakaviany tao amin’ny efitrano farany ambony rihana izay tsotra sy tokana izy ireo tao afovoan-tanànan’i Amsterdam. Rehefa avy nanasa lamba tamin’ny tanana nandritra ny taona maro izy ireo dia nahavita nanangona vola ampy hividianana milina fanasan-damba. Taloha kelin’izy ireo handeha hividy izany, dia nitsidika azy ireo ny eveka, nangataka fandraisana anjara mba hanorenana ilay trano fivoriana ao Amsterdam. Nanapa-kevitra izy ireo fa hanome ny tahiry rehetra saika hividianana milina fanasan-damba ary hanohy ny fanasana ny lamba amin’ny tanana.

Ny fianakavianay dia nandalo fahasahirana tahaka ny fianakaviana hafa rehetra. Izany dia nahatonga anay hatanjaka kokoa ary nampiorim-paka ny finoanay an’i Jesoa Kristy Tompo, tahaka an’i Alma rehefa nizara ny tantaran’izy sy i Helamana zanany, ka nilazany taminy fa efa notohanana izy nandritra ny fizahan-toetra sy ny fahasahiranana isan-karazany noho izy nametraka ny fitokisany tamin’i Jesoa Kristy Tompo.

Ahoana ny nahatonga ny olona roa izay niaina fitsapana maro toy izany tamin’ny fahatanorany ho lasa ireo ray aman-dreny tsara indrindra izay ho tiako hananana? Tsotra ny valiny: nandray tanteraka ny filazantsara izy ireo ary niaina araka ny fanekempihavanana nataony mandraka androany!

65 taona mahery nanambadiana ny reniko no nodimandry tamin’ny volana febroary rehefa avy nararin’ny Alzheimer. Ny raiko izay 92 taona ary mbola velona sy mipetraka ao an-trano, dia namangy azy matetika araka izay tratrany mandra-podimandriny. Nisy fotoana izy nilaza tamin’ireo zandriko fa ny zavatra mahatsiravina niainany tao amin’ny tobin’ny olona voababo tany Indonésie nandritra ny Ady Lehibe faharoa dia nanomana azy hikarakara amim-paharetana ny vadiny nandritra ny taona maro dia maro rehefa narary sy trotrak’ilay areti-mandoza ny vadiny ary nanomana azy koa ho amin’ilay andro tsy maintsy nanankinany ny fikarakarana azy amin’ny hafa sy tsy nahafahany ho eo anilany intsony. Ny teny filamatr’izy ireo hatramin’izay sy hatramin’izao dia ny “manohy hatrany fotsiny,” sady manana fanantenana lavorary ao amin’i Kristy mba hatsangana amin’ny andro farany ary hitoetra miaraka Aminy amim-boninahitra mandrakizay.

Ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo dia mitondra tanjaka ho an’ireo taranaka izay nandimby azy ireo.

Tao amin’ilay tanàna kely nahabe ny vadiko, ireo ray aman-dreniny, izay olona mazoto mandeha miangona, dia nandray ny filazantsara fony izy ireo mpivady vao erotrerony ary ny vadiko, roa taona tamin’izany, no mbola hany zanany. Ny fanapahan-kevitr’izy ireo ho lasa mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fiainan’izy ireo noho izy ireo nailiky ny mpiray monina taminy sy ny fianakaviany. Nitaky taona maro sy fanoratana tam-pitiavana tamin’ny havana ary fanaovana asa fanompoana teo amin’ny fiarahamonina vao nahazo fandraisana tsara izy ireo nony farany.

Indray mandeha fony ilay rafozan-dahiko eveka, dia nampangaina tsy ara-drariny izy ka nisaorana avy hatrany tamin’ny antsony. Tafintohina fatratra ny rafozam-baviko ka nanontany ny vadiny izy raha tokony mbola hanohy handeha ho any am-piangonana izy ireo. Namaly izy fa hanohy handeha ho any am-piangonana izy ireo mazava ho azy satria io dia tsy fiangonan’ny olombelona, fa Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Elaela vao nipoitra ny marina ary natao ny fialana tsiny. Ilay zavatra saika tsy tanty intsony dia lasa nampitombo tanjaka sy faharesen-dahatra ho azy ireo.

Nahoana ny sasany amintsika no tsy mahay mankasitraka ny finoana sy fijoroana ho vavolombelon’ireo ray aman-drenintsika izay nitoetra ho mahatoky tanatin’ireo fotoan-tsarotra nolalovany? Moa ve isika mieritreritra fa tsy mahazo zavatra mazava tsara izy ireo? Tsy voafitaka izy ireo na taloha na ankehitriny! Niaina zavatra ara-panahy maro tsotra izao izy ireo hany ka afaka miteny izy ireo miaraka amin’i Joseph Smith mpaminany manao hoe: “Nahafantatra izany aho … ary tsy afaka mandà izany aho.”

Moa ve tsy tianareo ilay hira momba ny tafik’i Helamàna hita ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy?

Isika no toa an’i Nefia,

fa tsara ny olona nipoirantsika.

Ary izy ireo nanoro ihany koa

fa isika dia tokony hankatò.

Na dia tsy izay aza no zava-misy, tahaka ny zavatra niainan’ny reniko tamin’ny fahazazany, dia afaka ny ho iray amin’ireo “olona tsara nipoirana” ianao ary manome ohatry ny fahamarinana ho an’ny hafa.

Moa ve isika mahatsapa fa tena marina izany rehefa mihira izany isika? Moa ve ianareo mahatsapa fa ianareo dia “toy ilay tafik’i Helamàna” ary ianareo dia “ho misiônera, hitory maneran-tany”? Efa nahatsapa izany imbetsaka tokoa aho rehefa mihira ity hira ity mandritra ireo fivoriana HZM sy ireo fivoriana hafa ho an’ny tanora.

Ary ahoana no fahatsapantsika rehefa mihira ilay cantique “Vas-tu faiblir, ô jeunesse”?

Moa ve ny tanora ao Ziona hilefitra

amin’ny fiarovana ny fahamarinana sy ny rariny?

Rehefa manafika ny fahavalo,

moa ve isika hisitrika na hitsoaka an’ilay ady? Tsia!

Mahatoky amin’ny finoana izay notandrovan’ireo ray aman-drenintsika.

Ho an’ireo taranaka vao misondrotra, na aiza na aiza misy anareo ary na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy anareo, aoka re mba hianatra sy hahazo hery ianareo avy amin’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelon’ireo izay nialoha anareo. Hanampy anareo izany hahatakatra fa mba hahazoana na hampitomboana ny fijoroana ho vavolombelona, dia mila manao fahafoizan-tena ary “ny fahafoizan-tena dia mitondra ireo fitahiana avy any an-danitra.”

Eritrereto ny fahafoizan-tena iray izay tena nitahy ny fiainanao ary aoka ianao handinika sy hivavaka momba ilay fanasana nataon’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, rehefa izy ilay nangataka “ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy hanao asa fitoriana. Ho an’ny zatovolahy Olomasin’ny Andro Farany dia andraikitry ny fisoronana ny asa fitoriana. …

“Ho anareo … tanora sy rahavavy afaka manao izany, dia fahafahana lehibe koa ny asa fitoriana saingy tsy voateryhandeha ianareo.”

Azo antsoina ianareo ho misiônera manao fanompoana na mampianatra. Ireo karazana misiônera ireo dia samy mitondra anjara biriky amin’ny tanjona iray ihany dia ny mitondra fanahy hankany amin’i Kristy, fa samy amin’ny fombany avy izay samy miavaka sy mahery vaika.

Amin’ireo karazana fanompoana roa ireo ianareo dia haneho ny Tompo fa tianareo Izy ary maniry ny hahafantatra Azy bebe kokoa ianareo. Tsarovy hoe: “Fa ahoana moa no ahalalan’ny olona iray ny tompo izay tsy notompoiny sy izay vahiny aminy ary lavitry ny eritreriny sy ny fikasan’ny fony?”

Isika rehetra, na taranaka voalohany na fahadimy ao amin’ny filazantsara dia tokony hanontany ny tenantsika hoe inona no tantaram-pinoana sy tanjaka ary fanoloran-tena selestialy izay hampitaiko amin’ny taranaka mandimby?

Aoka isika hanohy ny ezaka ataontsika mba hahafantatra kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, ary hanao Azy ho ivon’ny fiainantsika. Izy no vatolampy tokony hiorenantsika ka rehefa tonga ny fotoan-tsarotra dia ho afaka ny hijoro tsara isika.

Aoka isika ho “mahatoky amin’ny finoana izay notandrovan’ireo ray aman-drenintsika, mahatoky amin’ny fahamarinana izay namoizan’ireo maritiora ny ainy, araka ny handidian’ Andriamanitra, amin’ny fanahy, fo sy tanana isika dia hahatoky sy ho marina hatrany.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.