2025
Rahalahy David J. Wunderli
Mey 2025


“Rahalahy David J. Wunderli,” Liahona, mey 2025.

Rahalahy David J. Wunderli

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany

Rahalahy David J. Wunderli dia nahafantatra foana fa velona i Jesoa Kristy.

“Voatahy aho mba hahatsapa ny fanatrehany hatramin’ny fotoana ela indrindra tadidiko,” hoy izy. “Nanana fo nino foana aho.”

Izany akory tsy midika fa tsy nanana olana izy, “saingy ny fisaintsainana nataoko dia nitondra ahy lalandava tany amin’ny fahafantarana fa misy valiny avy Aminy.”

Tian-dRahalahy Wunderli ireo zatovon’ny Fiangonana mba hahatsapa ho manana ny toerany sy hahafantatra fa manana mpiara-mivavaka aminy izy ireo any amin’ny firenena rehetra ary fantatr’i Jesoa Kristy amin’ny anarany izy ireo.

Teraka tao Salt Lake City tamin’ny 22 jona 1961 i David John Wunderli. Zanak’i Fredric Theodore Wunderli sy Bernardine Lyman Wunderli izy. Nihaona tamin’i Diane Robins izy rehefa niala tany Canada ka nifindra tao amin’ny paroasiny i Diane Robins. Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny 1984 izy ireo ary nitaiza ireo zanany efatra tany Californie ary avy eo tany Alpine, Utah.

Nanompo tany amin’ny Misiônan’i Rio de Janeiro Brésil Rahalahy Wunderli ary nahazo mari-pahaizana licence avy tao amin’ny University of Utah momba ny haitoebola niaraka tamin’ny teny Pôrtogey izay taranja famenony. Mpitantana tao amin’ny Easton Sports izy ary filohan’ny OGIO International. Nanompo tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa sy fikambanana mpanao asa soa maro koa izy.

Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia nanompo tao amin’ny filankevitry ny mpanoro hevitra maneran-tany teo anivon’ny Zatovolahy izy. Rahavavy Wunderli dia nanompo tao amin’ny filankevitry ny mpanoro hevitra maneran-tany teo anivon’ny Kilonga. Nanomboka tamin’ny 2020 ka hatramin’ny 2023 dia mpitarika tao amin’ny Misiônan’i Praia Cap Vert izy ireo. Rahalahy Wunderli dia efa filohan’ny tsatòkan’ny tanora tokan-tena sy evekan’ny tanora tokan-tena koa, efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny sampana tao amin’ny ivon-toerana fanofanana misiônera, ary filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy.