“Loholona Brik V. Eyre,” Liahona, mey 2025.
Loholona Brik V. Eyre
Fitopololahy Manampahefana Ambony
Ny Loholona Brik V. Eyre dia milaza ilay zavatra niainany nandritra ny telo taona tamin’ny naha-filohan’ny Misiônan’i Phoenix Arizona azy ho “tsy mampino.”
Rehefa niresaka momba ny fiarahany nanompo tamin’i Susan vadiny izy dia nilaza hoe: “Miara-mizioga amin’ny vadinao amin’ny fomba mitovyianao, … noho izany dia niara-nanompo izahay.” Ary rehefa niresaka momba ny fiarahan’izy ireo nanompo tamin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno an-jatony izy dia nanampy hoe, “Tsy fantatro akory raha ho vitako ny hanazava ny maha-fitahiana mahatalanjona ny fiarahana tamin’ireo solontenan’i Jesoa Kristy nahazo lalana isan’andro nandritra ny telo taona.”
I Brik Vern Eyre dia teraka tamin’ny 17 janoary 1964 tao Logan, Utah. Zanak’i Vern Bingham Eyre sy i Emma Rae Anderson Eyre izy. Manana zoky vavy miisa dimy izy ary razambe maromaro teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana.
Nanompo tao amin’ny Misiônan’i Guatemala City Guatemala ny Loholona Eyre. Nanambady an’i Susan Zari Rahimzadeh tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah izy tamin’ny 27 jona 1987. Ny rain’ny Rahavavy Eyre dia avy amin’ny razambe Silamo ary ny reniny dia avy amin’ny razamben’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ry Eyre mivady, izay nipetraka tany Park City, Utah, tamin’ny fotoana niantsoana azy dia manana zanaka dimy efa olon-dehibe.
Ny Loholona Eyre dia nahazo mari-pahazaina licence momba ny fitantanam-bola avy tao amin’ny Utah State University ary maîtrise momba ny fitantanan-draharaha avy tao amin’ny University of Tulsa. Niasa tao amin’ny orinasa mpamokatra zavatra ampiasaina amin’ny fitsaboana izy ka anisan’izany ny Baxter International tamin’nynaha-tale lefitra ela niasana indrindra azy sy talen’izany orinasa izany tao amin’ny faritr’i Amerika , ary ny vao haingana dia mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’i HemaSource izy.
Fitopololahin’ny Vondromparitra ny Loholona Eyre tamin’ny fotoana niantsoana azy. Izy dia efa filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka, filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy, ary mpampianatra seminera vao maraina.