Fiomanan’ny tena manokana mba hihaona amin’ny Mpamonjy
Araho ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Sady tsy an-kifonofono no tsy sarotra ny fampianarany. Rehefa manaraka azy ireny isika dia tsy mila matahotra na mitaintaina.
Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, tamin’ny ôktôbra farany teo ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa “Izao no fotoana ho anao sy ho ahy mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany an’ilay Tompo sy Mpamonjintsika, Jesoa Kristy.” Rehefa miresaka momba ny Fiaviana Fanindroany ny Filoha Nelson dia amim-panantenana ombam-pifaliana hatrany no anaovany izany. Kanefa nisy ankizivavy tao amin’ny Kilonga nilaza tamiko vao haingana fa lasa matahotra izy isaky ny voatonona ny Fiaviana Fanindroany. Hoy izy: “Matahotra aho satria hisy zavatra ratsy maro hitranga mialoha ny hiavian’i Jesoa indray.”
Tsy ny ankizy irery ihany no mety hahatsapa toy izany. Ny torohevitra tsara indrindra ho azy, sy ho anao, ary ho ahy dia ny manaraka ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Sady tsy an-kifonofono no tsy sarotra ny fampianarany. Rehefa manaraka azy ireny isika dia tsy mila matahotra na mitaintaina.
Tamin’ny faramparan’ny asa fanompoany teto an-tany i Jesoa Kristy dia nanontaniana hoe rahoviana Izy no hiverina indray. Ho valiny dia nampianatra fanoharana telo, izay voarakitra ao amin’ny Matio 25 momba ny fomba hiomanana hihaona Aminy Izy—na izany amin’ny Fiaviany Fanindroany na amin’ny fotoana izay handaozantsika ity tany ity. Zava-dehibe ireny fampianarana ireny satria ny fiomanan’ny tena manokana mba hihaona Aminy raha ny marina no manan-danja indrindra amin’ny tanjon’ny fiainana.
Ilay fanoharana momba ireo virijiny folo aloha no notantarain’ny Mpamonjy. Ao amin’io fanoharana io ireo virijiny folo dia nankany amin’ny lanonana fampakaram-bady iray. Ny dimy dia hendry ka nitondra solika hamenoana ny fanalany ary ny dimy nanao hadalana ka tsy nanao toy izany. Rehefa nambara fa efa akaiky dia ho tonga ilay mpampakatra dia lasa nandeha nividy solika ireo virijiny adala. Rehefa tafaverina izy ireo dia tara loatra. Nikatona ny varavarana nankao amin’ilay lanonana.
I Jesoa dia nilaza lafin-javatra telo momba ilay fanoharana mba hanampiana antsika. Nanazava izy hoe:
“Ary amin’izany andro izany, rehefa ho avy amin’ny voninahitro Aho, dia ho tanteraka ny fanoharana izay noteneniko momba ny virijiny folo.
“Fa ireo izay hendry ary efa nandray ny fahamarinana sy nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana azy ka tsy voafitaka—lazaiko aminareo marina tokoa, fa … hahatanty ny andro [izy ireo].”
Izany hoe, tsy mila matahotra na mitaintaina izy ireo satria ho velon’aina sy hiroborobo. Handresy izy ireo.
Raha hendry isika dia handray ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fanekena ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fanekempihavanana. Manaraka izany dia miezaka ny hitoetra ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika lalandava isika. Tsy maintsy ananan’ny isam-batan’olona sy ny tena manokana, ary tsikelikely io fahaizana io. Manasa ny Fanahy Masina hitarika antsika ny asa atao tsy tapaka sy manokana ary ao amin’ny mangingina.
Ny singa fahatelo nasongadin’i Jesoa dia ny fialana amin’ny fitaka. Nampitandrina ny Mpamonjy hoe:
“Mitandrema fandrao hisy hamitaka anareo.
“Fa maro no ho avy amin’ny anarako, hanao hoe: Izaho no Kristy, ka hamitaka ny maro.”
Fantatry ny Mpamonjy fa hisy mpisandoka hiezaka ny hamitaka ireo olom-boafidy ary maro ireo mpianatra no ho voafitaka. Sady tsy tokony hino an’ireo izay misandoka ho nahazo fahefana avy amin’ Andriamanitra isika no tsy tokony hitetateta hitady tari-dalana avy amina loharanom-pahalalana tsy azo antoka.
Mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika manavaka ny mpamitaka amin’ny mpianatra ny Bokin’i Môrmôna. Ireo mpianatra dia hampanjaka ny finoana an’ Andriamanitra, sy ny fanompoana Azy ary ny fanaovana ny tsara. Tsy ho voafitaka isika rehefa mikatsaka sy maka hevitra avy amin’olona azo antoka izay mpianatra mahatoky an’ny Mpamonjy koa.
Afaka miala amin’ny fitaka ihany koa isika amin’ny alalan’ny fitsaohana matetika any amin’ny tempoly. Manampy antsika hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay hatrany sy miaro antsika amin’ireo fitaomana izay mety hahavariana antsika na hamily antsika hiala ny lalan’ny fanekempihavanana izany.
Ny lesona manan-danja avy amin’io fanoharana momba ny virijiny folo io dia hoe hendry isika rehefa manaiky ny filazantsara, mikatsaka ny Fanahy Masina hiaraka amintsika ary miala amin’ny fitaka. Tsy afaka nanampy ireo tsy nanana solika ireo virijiny dimy hendry. Tsy misy olona afaka ny hanaiky ny filazantsara, sy handray ny Fanahy Masina ho mpitarika ary hiala amin’ny fitaka eo amin’ny toerantsika. Tsy maintsy manao izany ho an’ny tenantsika isika.
Avy eo ny Mpamonjy dia nitantara ilay fanoharana momba ny talenta. Ao amin’io fanoharana io dia misy lehilahy iray manome lelavola samy hafa, antsoina hoe talenta, amin’ny mpanompo anankitelo. Nomeny talenta dimy ny mpanompo iray, nomeny roa ny iray hafa ary nomeny iray ilay fahatelo. Rehefa nandeha ny fotoana, ireo mpanompo roa voalohany dia nampitombo avo roa heny izay voarainy. Saingy ilay mpanompo fahatelo kosa dia nandevina fotsiny an’ilay talentany tokana. Hoy ilay lehilahy tamin’ireo mpanompo roa izay nampitombo avo roa heny ny talentany: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.”
Nolevileven’ilay lehilahy avy eo ilay mpanompo nandevina ny talentany noho izy “ratsy sady malaina.” Nesorina tamin’io mpanompo io ny talentany ary voaroaka izy. Kanefa raha nampitomboin’io mpanompo io ny talentany dia ho nahazo dera sy valisoa tahaka an’ireo mpanompo hafa izy.
Hafatra iray avy amin’io fanoharana io ny hoe Andriamanitra dia miandrandra ny hampitomboantsika ny fahaiza-manao nomena antsika, saingy tsy tiany ny hampitahantsika ireo fahaiza-manaontsika amin’ny an’ny hafa. Saino ity hevi-baovao nomen’i Zusya, manam-pahaizana ikoizana tamin’ny taonjato faha 18 avy any Anipole, ity. Mpampianatra fanta-daza i Zusya, izay nanomboka natahotra rehefa teo ambavahoan’ny fahafatesana. Nanontany ireo mpianany hoe: “Maninona ianao no mangovitra, ry mpampianatra? Niaina tamim-pahamarinana ianao. Azo antoka fa hanome valisoa lehibe ho anao Andriamanitra.”
Hoy i Zusya: “Raha miteny amiko Andriamanitra anio hoe: -Zusya, nahoana ianao no tsy nanao Mosesy iray hafa?- Dia hovaliako Izy hoe: -Satria aho tsy nomenao fahalehibiazam-panahy tahaka ny nomenao an’i Mosesy.- Raha mijoro eo anatrehan’ [Andriamanitra] aho ary miteny [Izy] hoe -Zusya, nahoana ianao no tsy nanao Solomona iray hafa?- Dia hovaliako Izy hoe: -Satria aho tsy nomenao fahendrena tahaka ny an’i Solomona.- Fa raha mijoro eo anatrehan’ilay mpahary ahy aho ka miteny izy hoe: -Zusya, nahoana ianao no tsy Zusya? Nahoana ianao no tsy lasa ilay lehilahy izay nanomezako fahafahana anao mba hahatongavanao?- Izay no antony mampangovitra ahy.”
Marina tokoa fa ho diso fanantenana Andriamanitra raha toa ka tsy miantehitra amin’ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mpamonjy isika mba hampitomboana ny fahaiza-manao izay tolo-janahary noraisintsika. Miaraka amin’ny fanampiana am-pitiavana omeny, Izy dia miandrandra ny hahatongavantsika ilay olona tsara indrindra azontsika hahatongavana. Tsy misy dikany Aminy ilay hoe samy hafa ny fahaiza-manao niantombohantsika. Ary tokony ho izany koa izany amintsika.
Farany, ny Mpamonjy dia nitantara ilay fanoharana momba ny ondry sy osy. Rehefa hiverina amim-boninahitra Izy dia “ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy: ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.”
Ireo izay eo ankavanany dia lasa mpandova ny fanjakany, ary ireo eo amin’ny ankaviany dia tsy handray lova. Ireo toetra mampiavaka dia ny hoe: moa ve izy ireo nanome sakafo Azy fony Izy noana, nanome Azy rano hosotroina tamin’Izy nangetaheta, nampiantrano Azy fony Izy mpivahiny, nampitafy Azy fony Izy tsy nanan-kotafiana, ary namangy Azy fony Izy narary na tany am-ponja.
Zendana ny rehetra, na ny olona teo ankavanana na ireo izay teo ankavia. Nanontany izy ireo hoe oviana izy ireo no nanome Azy sakafo, sy rano hosotroina, ary fitafy na nanampy Azy fony Izy marefo na oviana izy ireo no tsy nanao izany. Toy izao no navalin’ny Mpamonjy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”
Mazava ny hafatr’io fanoharana io: Rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’ Andriamanitra; rehefa tsy manao izany isika dia mandiso fanantenana Azy. Miandrandra Izy ny hampiasantsika ireo fanomezam-pahasoavantsika, ny talentantsika, ary ireo fahaiza-manaontsika mba hitahiana ny fiainan’ireo Zanaky ny Ray. Ny hery masina manosika antsika hanompo ny hafa dia aseho ao anatin’ny tononkalo iray izay nosoratan’ilay poeta finoà iray antsoina hoe Johan Ludvig Runeberg tamin’ny taon-jato faha 19. Imbetsaka aho sy ireo iray tam-po amiko no nandre ilay tononkalo “Farmer Paavo” nandritry ny fahazazanay. Ao amin’ilay tononkalo, i Paavo dia mpamboly mahantra izay niara-nipetraka tamin’ny vadiny sy ireo zanany 10 teo amin’ny faritry ny farihy tao Finlande afovoany. Taona maromaro nisesy no rava ny ankabeazan’ny voliny, na izany tamin’ny alalan’ny rano avy amin’ny ranomandry mitsonika amin’ny lohataona, na ny havandran’ny fahavaratra, na ny fanalan’ny fiandohan’ny fararano. Isaky ny miditra ny trano ireo vokatra zara-raha nisy dia nitaraina ny vadiny hoe: “Paavo, Paavo, ry lahy antitra totoimbintana, nafoin’ Andriamanitra isika.” I Paavo kosa dia nilaza tamim-pitoniana hoe: “Afangaroy ny hodi-kazo sy ny totom-barimbazaha hanamboarana mofo mba tsy hahanoana ny ankizy. Hiasa mafimafy aho mba hanesorana ny rano eo amin’ireo tany feno honahona. Mitsapa antsika Andriamanitra, saingy hanome Izy.”
Isaky ny rava ny voly dia asain’i Paavo ataon’ny vadiny avo roa heny ny habetsaky ny hodin-kazo afangaro ny kobam-barimbazaha mba hisorohana ny hanoanana. Niasa mafy ihany koa izy, nangady tatatra hanalana ny rano sy hanenana ny tondra-dranon’ny ranomandry mitsonika sy ny fanalan’ny fiandohan’ny fararano eo amin’ny sahany.
Taorian’ny taon-tsarotra maro dia nioty vokatra sesehana ihany i Paavo nony farany. Dibo-kafalina ny vadiny ka niteny hoe: “Paavo, Paavo, fotoam-piravoravoana izao! Fotoana izao hanariana ny hodi-kazo sy ny mofo vita amin’ny kobam-barimbazaha fotsiny.” Saingy nosintonin’i Paavo mafy ny tanam-badiny ka niteny izy hoe: “Afangaroy amin’ny hodi-kazo ny antsasaky ny kobam-barimbazaha satria rakotry ny fanala ny sahan’ny mpiray monina amintsika.” Nafoin’i Paavo ny vokatra sesehana azony sy ny an’ny fianakaviany mba hanampiana an’ilay mpiray monina taminy izay niharam-boina sy sahirana.
Ny lesona avy amin’ilay fanoharan’ny Mpamonjy momba ny ondry sy ny osy dia hoe mila mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana nomena antsika isika, dia ny fotoana sy ny talenta ary ireo fitahiana, mba hanompoana ireo zanak’ Andriamanitra, indrindra fa ireo izay marefo sy sahirana indrindra.
Ny fanasana atolotro an’ilay ankizy Kilonga nitaintaina nolazaiko tany aloha, sy amintsika tsirairay avy, dia ny manaraka an’i Jesoa Kristy sy mitoky amin’ny Fanahy Masina toy ny ataontsika amin’ny namana sarobidy iray. Miantehera amin’ireo izay tia anao sy tia ny Mpamonjy. Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa ary katsaho ny fitarihan’ Andriamanitra mba hampivelarana ireo fahaiza-manaonao manokana ary ampio ny hafa na dia tsy mora aza ny manao izany. Ho vonona ny hihaona amin’ny Mpamonjy ianao ary afaka ho toa an’ny Filoha Nelson, manam-panantenana ombam-pifaliana. Rehefa manao izany ianao dia manampy izao tontolo izao hiomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, ary hanana ny fanantenana ampy hidirana ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo, ankehitriny sy amin’ny ho avy.
Araka ny hiraintsika ao amin’ny iray amin’ireo fihirana vaovao antsika hoe:
Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.