2025
Finoana: Fifamatorana vokatry ny fitokisana sy ny tsy fivadihana
Mey 2025


11:16

Finoana: Fifamatorana vokatry ny fitokisana sy ny tsy fivadihana

Mitsimoka ny finoana rehefa matoky an’i Jesoa Kristy isika, ary mamelana rehefa mahatoky sy tsy mivadika Aminy isika.

Fony aho fito ambinifolo taona dia nanao fifanarahana tamin’i José Luis namako aho fa hampianatra azy hilomano. Noho izany dia nanokana fotoana izahay indray maraina hanaovana fanazaran-tena. Rehefa tapitra ny lesonay ka iny aho hiala ny dobo filomanosana iny no injay reko ilay namako nikiakiaka niantso vonjy. Teo am-pilentehana teny amin’ny faran’ny lalin’ilay dobo filomanosana izy.

Nitsambikina tao anaty rano aho ary nilomano nanatona azy sady nivavaka nangataka fanampiana. Raha iny aho nandray ny tanany hisintona azy hipoitra avy ao anaty rano iny no nitaingina teo an-damosiko ilay namako efa very fanantenana ary namikitra tamin’ny tendako ka tsy nahafahako niaina. Lasa samy niara-nilentika izahay. Nanao izay rehetra vitako aho hipoirana avy ao anaty rano no sady nivavaka tamin’ny heriko manontolo nangataka fahagagana avy amin’ Andriamanitra. Avy eo dia niseho tamin’ny fomba miadana kanefa azo antoka ny herin’ Andriamanitra rehefa nahatsapa tanana iray aho nanosika ahy hankeo amin’ny faritra marivo tamin’ny dobo filomanosana ka nitondra anay teny amin’ny toerana azo antoka.

Io zavatra niainana io dia nanamafy ny lesona mahery vaika iray nampianarin’ny Filoha Russell M Nelson indray mandeha manao hoe: “Rehefa miandrandra ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo toy ireny olona mitady hilentika mitady vonjy sy mila rivotra ireny ianareo dia hahazo ny hery avy amin’i Jesoa Kristy.”

Ry zatovo sy ankizy malala, androany aho dia te hiresaka aminareo mikasika ilay fitsipika manan-danjan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Ny finoana an’i Kristy dia midika hoe matoky Azy

Inona no dikan’ny hoe manana finoana an’i Kristy? Midika ve izany hoe mino Azy na manana fijoroana ho vavolombelona fa tena misy Izy? Mety ho fanombohana izany fa mbola mihoatra lavitra noho izany ilay izy. Moa ve ianao tsy mbola nieritreritra ny finoana hoe fitokisana? Mieritrereta olona iray izay tena atokisanao indrindra—mety hoe olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray. Nahoana ianao no matoky azy ireo? Angamba satria mety hoe hitanao ny fitiavana sy ny fanampiana tsy miovaova ananan’izy ireo.

Rehefa manam-pinoana an’i Kristy isika dia mahatakatra ireo fitahiany sy mamboly fifandraisam-pitokisana Aminy.

Ahoana no fomba ahafahanao mampitombo ny fitokisanao an’i Kristy?

Tamin’ny fampaherezam-panahy niaraka tamin’ny zatovo vao haingana ianareo dia nasaina hisaintsaina fotoana iray teo amin’ny fiainanareo izay nandraisanareo ny tara-pahazavan’ny lanitra. Andramo ity fampiharana ity!

Atombohy amin’ny fisaintsainana momba an’i Kristy sy ny fahasambarana entin’ny Sorompanavotany sy ny filazantsarany eo amin’ny fiainanao izany. Dia raketo ihany koa ireo “fahatsiarovana ara-panahy manamarika ny fiainana” izay naha teo an’ Andriamanitra ho anao sy ho an’ireo havanao ary ho an’ireo olona ao amin’ny soratra masina. Ankehitriny dia tsy hitondra hery eo amin’ny fiainanao ireny fijoroana ho vavolombelona ireny raha tsy soratan’ny Fanahy eo amin’ny “vato fisak[y]” ny fonao. Koa diniho ary raketo ireo zava-drehetra nahetsik’ Andriamanitra hahatanteraka ireny fahagagana ireny tamin’ny fotoana nampety azy indrindra.

Manaraka, ampiasao ity fampiharana ity ho toy ny fotoana ahafahana manatona kokoa an’ Andriamanitra. Mivavaha amin’ny Rainao any An-danitra toy ireny hoe vao sambany ianao no manao izany. Ambarao ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao noho ireo fitahiana nomeny. Anontanio Azy mihitsy aza ny fahatsapany mikasika anao sy mikasika ny fizotry ny fiainanao.

Raha toa ianao ka mahitsy fo sy manetry tena dia handre ny valiny omeny ary hanomboka fifandraisana manokana sy maharitra amin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Tsy izany fotsiny ihany fa ireo fahazarana ara-pivavahana anananao dia ho lasa misy dikany! Ohatra, lasa tsy ho andrinao ny fotoana hivavahana sy hanaovana fandalinan’ny tena manokana ary ny fitsaohana any amin’ny tempoly ho toy ny fotoana hahafahanao mahafantatra Azy ireo sy miaraka amin’Izy ireo.

Miroborobo arakaraka ny tsy fivadihana ny finoana

Mariho fa mitsimoka ny finoana rehefa matoky an’i Jesoa Kristy isika, ary mamelana rehefa mahatoky sy tsy mivadika Aminy isika. Raha mila fifandraisana marina amin’i Kristy ianao dia asehoy Azy izany amin’ny fanaovana fanekempihavanana sy fanajana izany amim-pahatokiana sy tsy fivadihana. Manorina fanantenana ny fanaovana fanekempihavanana amin’i Jesoa Kristy. Ny fanajana azy ireny kosa dia manorina finoana.

Mamelà ahy hampiasa ohatra avy amiko manokana: fony aho mbola zaza dia nahita ny reniko nitomany irery aho indray andro. Rehefa nanontaniako azy ny antony dia namaly tamin-katsaram-panahy izy hoe: “Tiako ianao ho lasa zazalahy tsara.” Na dia fantatro aza fa tsy izaho no antony nampalahelo azy dia tiako sy natokisako mihoatra ny olon-kafa rehetra ny reniko ka tiako ny hanao izay tsy hampananosarotra ny fiainany. Noho izany, tamin-dranomaso sy tamin’ny fahamatorana izay mety hananan’ny zaza sivy taona no nampanantenako azy tamin’io andro io fa hiezaka lalandava aho ny ho ilay zanakalahy tsara indrindra ka hahatonga azy hirehareha noho ny amiko.

Azonao an-tsaina ve ny fiantraikan’izany fampanantenana izany teo amiko tamin’izany—eny, hatramin’izao aza?

Io fampanantenana nifanaovako taminy io no nitari-dalana ny fiainako. Mialoha ny handraisako fanapahan-kevitra dia nandinika foana aho hoe mahafaly azy ve ny zavatra ataoko. Io fifamatorana vokatr’io fampanantenana io sy ny fifandraisako tamin’ny reniko no vatofantsika ho an’ny fitondrantenako nandritra ny androm-piainako.

Taona maro taty aoriana rehefa niha-nahafantatra kokoa an’i Jesoa Kristy aho dia efa nahay hoe ahoana ny fomba hampifotorana ny finoako Aminy. Nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo aho, ary rehefa nikatsaka hitandrina azy ireny aho dia namela ny heloko Izy sy nitantana ny fiainako, ary “nofenoiny ny fitiavany aho” hatrany amin’ny lalina indrindra amin’ny tenako. Nandrotsaka tato amiko fitiavana sy fanajana lalina Azy ary tsy fivadihana Aminy i Kristy.

Takatrao ve hoe nahoana no mahatonga “ny finoana ho fitsipika izay mitaky asa,” ary “raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’[Andriamanitra]”?

Rehefa miezaka manao izay sitrany ianao, dia hiteny ianao tahaka an’i Josefa tany Egypta rehefa nalain’ny vadin’i Potifara fanahy hoe: “Ataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra?” Ary rehefa miatrika fifanoherana ianao dia hiteny tahaka ny mpaminany Joseph tamin’izy zatovo hoe: “Nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho … Nahafantatra aho fa ny fanaovako izany dia hanafintohina an’ Andriamanitra.”

Araka izany ny finoana an’i Jesoa Kristy dia fifamatorana vokatry ny fitokisana efa voasedra noho ny tsy fivadihana sy ny fitiavana. Amin’ny teny hafa, ao anatin’ny fankasitrahana noho ny fitiavan’ Andriamanitra feno famindram-po (hesed), no hanehoantsika ny fitiavantsika tsy mivadika (emunah) amin’ny alalan’ny fitandremana ireo didiny.

Mampanantena i Kristy hoe: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany … no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.” Raha toa ianao ka manolo-tena ny tsy hivadika Aminy, dia hampibaribary ny fitiavany anao Izy.

Finoana manoloana ny fahasarotana

Ahoana no tokony hasetrinao ireo toe-javatra sarotra tahaka izany izay ilàna fahagagana avy Aminy? Raha toa ka tsy azo ialana ireo fanamby ary indraindray mampatahotra dia mandehana tsy amin’ahiahy fotsiny manatona Azy, tsy misy hafa amin’ilay fanasan’ny lohahevitry ny HZM 2025 hoe: “Banjino aho amin’ny eritreritra rehetra, aza miroanàhana, aza matahotra.”

Ahoana no ahafahanao mandeha manatona Azy tsy amin’ahiahy?

Alaovy sary an-tsaina hoe mpikaroka ianao, manavatsava tany iray izay mbola tsy nisy nahita. Mba ahafahanao mandresy ireo sakantsakana hatrehana dia mila loharanom-pahazavana ianao. Ny fahatokianao amin’ Andriamanitra sy ireo fifandraisanao tsy tapaka Aminy no solika ho an’ny fitoeran-jironao. Noho izany, rehefa tojo toe-javatra maizina sy mampidi-doza ianao, mba tsy handehanana an-jambany fotsiny dia areheto ny jironao feno soliky ny finoana an’i Kristy mba hanaparitahana tara-panantenana eny amin’ilay lalana tsy azo antoka. Ireo zavatra efa niainanao tany amin’ny lasa no hampitombo ny fanantenanao fa ny Tompo dia hanohana anao amin’ny dia ataonao.

Mpianika tendrombohitra mitondra jiro.

Hitondra anao hatraiza ny fanantenanao sy ny finoanao an’i Kristy?

Tadidinao ve ilay tantarako tao anaty dobo filomanosana? Tao anatin’izany fotoam-pahakiviana izany no nitranga tamin’ny fomba nantenaiko ny fahagagana, saingy tsy manome antoka Andriamanitra hoe ho tanteraka araka ny sitrapontsika foana ny fandehan-javatra. Tsy maintsy afantoka amin’i Kristy ny finoantsika, ary afantoka amin’ireo fitahiany ny fanantenantsika rehefa misafidy ny handefa azy ireny Izy. “Antenao ireo fahagagana,” saingy “avelao Andriamanitra no hanjaka eo amin’ny fiainantsika.”

Ireo fampanantenan’ Andriamanitra ho an’ny vahoakany mahatoky

Ry tanora namana, tena tianay ianareo ary atokisanay! Ianareo dia mpikambana ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra, ary zanaky ny fanekempihavanana. Minoa ary matokia an’i Jesoa Kristy. Hanampy anareo Izy ho tonga Mpianany tena mahatoky tokoa.

Manasa anareo aho hikolokolo manomboka anio ny fifandraisanareo amin’i Jesoa Kristy. Manaova fanoloran-tena ny tsy hahafoy Azy mihitsy.

Ny tsy fivadihanareo amin’i Kristy sy ny fitiavanareo ary ny fitokisanareo Azy no hamaritra ny toetranareo sy ny fiizinareo hifanaraka amin’ny Azy. Hahazo fahatokian-tena sy hery ianareo hanoherana ny fanafihan’i Satana. Ary rehefa manao fahadisoana ianareo dia hisitraka ny famelan-keloka avy Aminy. Farany, hamirapiratra ny fanantenanareo ny ho avy. Hatoky anareo hanomezany ny heriny Izy hahafahanareo manatontosa ny zavatra rehetra izay antenainy aminareo, eny fa na dia ny hery hiverenana eo anatrehany aza.

Ijoroako ho vavolombelona aminareo ny fifaliana ateraky ny fihirana “ny hiran’ny fitiavana manavotra” sy izany hoe “sakambininy mandrakizay amin’ireo sandrim-pitiavany” izany. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 41.

  2. Ny teny hoe finoana dia avy amin’ny fiteny latina hoe fides, izay midika hoe “matoky”(Jereo Michiel de Vaan, Etymological Dictionary of Latin and the other Italic languages (2008), “fido.”) Ny teny iombonana grika πίστις, dia adika hoe “matoky” (jereo ny Robert Beekes, Etymological Dictionary of Greek [2010], 1:1161–62).

  3. “Ny finoana dia ny fahazoana antoka sy ny fitokiana an’i Jesoa Kristy” (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Finoana,” Médiathèque de l’Évangile.)

  4. Jereo ny “Banjino i Kristy” (resadresaka maneran-tany ho an’ny zatovo, 5 Jan. 2025), Médiathèque de l’Evangile; jereo koa ny Alexander Dushku, “Andrim-pahazavana sy tara-pahazavana,” Liahona, mey 2024, 14–16.

  5. Jereo ny Neil L. Andersen, “Fahatsiarovana ara-panahy nanamarika fiainana,” Liahona, mey 2020, 18–22.

  6. Jereo ny 2 Korintiana 3:2–3; jereo koa ny Môrônia 10:3; Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 88–92.

  7. Jereo ny Ronald A. Rasband, “Amin’ny alalan’ny drafitra masina,” Liahona, nôv. 2017, 55–57.

  8. Jereo ny Môzià 2:20–21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:21.

  9. Jereo ao amin’ny “Appendix 1: Sixth Theological Lecture on Faith, circa January–May 1835, as Published in Latter Day Saints’ Messenger and Advocate,” 124–25, josephsmithpapers.org.

  10. Jereo ny Môrônia 7:41; jereo koa ny Stephen M. R. Covey and Rebecca R. Merrill, The Speed of Trust: The One Thing that Changes Everything (2006), 215.

  11. 2 Nefia 4:21.

  12. “Namako Andriamanitra. ao Aminy no ahitako fiononana. … Maniry ny hiaraka amin’i Kristy aho. Tsy misy ataoko ho tiako eo amin’ny fiainako raha tsy ny manao ny sitrapony”(Enseignements des Présidents de l’Eglise : Joseph Smith [2007], 243–44).

  13. Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Finona.”

  14. Hebreo 11:6.

  15. Jereo ny Jaona 8:29.

  16. Genesisy 39:9.

  17. Joseph Smith—Tantara 1:25.

  18. Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: ”Mivavaha amin’ny Ray amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa Kristy amin’ny fotoana rehetra, amin’ny toe-javatra rehetra, ka haneho ny tsy fivadihanao sy ny fitiavanao ny tena fiainanao” (“Tsy fivadihana,” Liahona, May 2003, 60; jereo koa ny Brent J. Schmidt, Relational Faith: The Transformation and Restoration of Pistis as Knowledge, Trust, Confidence, and Covenantal Faithfulness [2022], 9; Teresa Morgan, Roman Faith and Christian Faith: Pistis and Fides in the Early Roman Empire and Early Churches [2015], 127–28).

  19. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 4–11.

  20. “Ny teny Hebreo ho an’ny finoana dia אמונה (emunah) ary izany dia teny mitarika amina asa midika hoe -manohana.- … [Izany] dia mametraka ilay asa ho an’ilay -manohana an’ Andriamanitra.- Izany dia tsy fahafantarana fotsiny hoe hanao asa Andriamanitra, fa kosa hoe hanao izay zavatra azoko atao aho hanohanako an’ Andriamanitra. Io hevitra hoe manohana avy amin’ny teny emunah io dia azo jerena ao amin’ny Eksodosy 17:12. … Ny fanohanana/emunah avy amin’i Aharôna sy Ora no nihazona ny tanan’i Mosesy fa tsy ny fanohanan’i/emunah Mosesy Rehefa milaza isika hoe, -Manam-pinoana an’ Andriamanitra- aho,- dia tokony mieritreritra hoe isika, hanao izay azoko atao aho hanohanako an’ Andriamanitra-” (Jeff A. Benner, “Faith,” Ancient Hebrew Research Center, ancient-hebrew.org).

  21. Jaona 14:21; jereo koa ny andininy 23.

  22. Jereo ny Jaona 15:9–10.

  23. Jereo ny Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” 39–42.

  24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  25. Jereo ny Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,” Liahona, nôv. 2015, 65–68.

  26. Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 99.

  27. Jereo ny Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–95.

  28. Jereo ny Russell M. Nelson, “Children of the Covenant,” Ensign, May 1995, 32:

  29. Namako i Jesoa. Tsy nisy olona hafa nanolotra ho ahy mihoatra Azy. … Manantena aho fa mendrika ny ho namany ny tenako” (Gordon B. Hinckley, “My Testimony,” Liahona, July 2000, 85).

  30. Jereo ny Jaona 6: 67– 68; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:20.

  31. Jereo ny Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizay” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022), Médiathèque de l’Évangile; Richard G. Scott, 21 Principles: Divine Truths to Help You Live by the Spirit (2013), 90.

  32. Jereo ny Almà 48:17.

  33. Jereo ny Môzià 4:2; Almà 36:18.

  34. Jereo ny Thomas S. Monson, “Be of Good Cheer,” Liahona, mey 2009, 92.

  35. Jereo ny Isaia 58:9; Helamàna 10:4–5; Etera 12:30; Môrônia 7:33.

  36. Jereo ny 2 Nefia 25:23.

  37. Almà 5:26; jereo koa ny Almà 5:9; Almà 26:13.

  38. 2 Nefia 1:15.