2025
Loholona B. Corey Cuvelier
Mey 2025


“Loholona B. Corey Cuvelier,” Liahona, mey 2025.

Loholona B. Corey Cuvelier

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Rehefa nanambara ny Loholona B. Corey Cuvelier fa handao ny asany fa ho lasa filohan’ny misiôna ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia nanontany azy ireo mpiara-miasa taminy hoe, “Adala ve ianao e?”

Nilaza ny Loholona Cuvelier fa sahirana ireo mpiara-miasa taminy nanakatra ny antony hialany amin’ilay asany feno fahombiazana nandritra ny telo taona. Ny fanontanian’izy ireo anefa dia fahafahana azo nararaotina “mba hizarana ny antony anaovantsika ny zavatra ataontsika sy ny antony inoantsika ny zavatra inoantsika sy ny hoe iza no inoantsika. I Jesoa Kristy izany.”

I Brian Corey Cuvelier dia teraka tamin’ny 12 janoary 1969, tao Los Angeles, Californie, izay toerana nananganana azy sy nitaizana azy. I Heinz Joachim Cuvelier rainy dia polisy. Nikarakara tokantrano kosa i JoAnn Leslie Jarnecke Cuvelier reniny. Izy no zokiny indrindra amin’ireo iray tampo aminy izay miisa efatra.

Fony izy misiônera tanora dia nanompo tao amin’ny Misiônan’i Sao Paulo Atsimo Brésil ny Loholona Cuvelier. Nahazo mari-pahaizana avy tao amin’ny Brigham Young University momba ny fifandraisana amin’ny eny ivelany izy tamin’ny 1994. Niditra tao amin’ny Shell Oil Company izy tamin’ny 1996, ka niasa nanerana ireo sampa-pandraharahana maro samihafa tany Amerika Avaratra izy tao.

Nanambady an’i Wendi Sue Manwaring tao amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie ny Loholona Cuvelier tamin’ny 18 jolay 1992. Manan-janaka lahy efatra izy ireo. Ry Cuvelier mivady dia mpitarika ny misiôna tao amin’ny Misiônan’i Curitiba Atsimo Brésil nanomboka tamin’ny 2016 ka hatramin’ny 2019 ary nipetraka tany Katy, Texas izy ireo tamin’ny fotoana niantsoana azy.

Ny Loholona Cuvelier teo aloha dia efa Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Atsimo Andrefan’i Amerika Avaratra, filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, ary filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy.