2025
Steven C. Barlow
Mey 2025


“Loholona Steven C. Barlow,” Liahona, mey 2025.

Loholona Steven C. Barlow

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Ny iray amin’ireo zavatra tena nampihetsi-po niainan’ny Loholona Steven C. Barlow niaraka tamin’ny Fanahy Masina dia ilay “fahatsapana tsy azo nolavina avy tany an-danitra fa tokony hanambady an’i Christina Evans [izy].” Nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 1991 ary manan-janaka dimy.

Ny Filoha sy Rahavavy Barlow dia mpitarika teo anivon’ny misiôna tany Equateur nanomboka tamin’ny 2017 ka hatramin’ny 2020, tafiditra tao anatin’izany ny fiantombohan’ny valanaretina COVID-19. Nandritra izany fotoana izany dia misiônera maro no nandeha nody ary ny sasany dia nalefa nanompo tany amin’ny misiôna nosahanin-dry Barlow mivady. Nanatri-maso ny tanan’ny Tompo nitantana ireo ezaka natao teo amin’ny asa fitoriana ireo ny Loholona sy Rahavavy Barlow.

“Napetrakay teo amin’ny Tompo ny fitokianay,” hoy izy nitantara. “Nisy fotoana tsy nahafantaranay ny zavatra hitranga ny ampitso. Nitoetra ho olona manaiky fiovana sy olona vonona izahay. Nivavaka foana izahay ka nilamina ny zava-drehetra.”

Izany zavatra niainana izany dia nanamafy ireo lesona nampianarina azy tany aloha fa mandray andraikitra ny Tompo ary afaka matoky Azy mandrakariva isika.

Nahazo ny mari-pahaizana licence momba ny fampianarana momba ny fahasalamana tao amin’ny University of Utah ny Loholona Barlow tamin’ny 1993. Izy dia mpitantana nisahana ny analyses de données sy ny fanatsarana ny kalitao teo amin’ny fikarakarana ny fahasalamana. Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Utah ny Loholona Barlow tamin’ny fotoana niantsoana azy.

I Steven Chad Barlow dia teraka tao Bountiful, Utah, tamin’ny 1 janoary 1969. Zanak’i Jon Kay Barlow sy i Becky Christensen Barlow izy. “Notezain’ny ray aman-dreny feno fanolorantena sy mahatoky mahatalanjona” izy izay nampianatra azy ny filazantsara hatramin’ny fahazazany.