2025
Loholona James E. Evanson
Mey 2025


“Loholona James E. Evanson,” Liahona, mey 2025.

Loholona James E. Evanson

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Ny Loholona James E. Evanson dia lehibe tao amin’ny toeram-pambolena betiravy iray tao amin’ny tanàna kelin’i Barnwell, atsinanan’i Lethbridge, Alberta, Canada.

Ny Loholona Evanson izay taranaka razambe mpisava lalana mahatoky iray dia notaizana tao amin’ny tokantrano iray izay “nampianarana ny filazantsara sy niainana izany.”

Fony izy 10 taona dia namaky ireo boky rehetra an’ny fianakaviana miisa 16 momba ny tantaran’ny Bokin’i Môrmôna sy ny tantaran’ny Fiangonana izy ary nanapa-kevitra ny hanaraka ny ohatra nasehon’i Joseph Smith. Niditra mangingina tao amin’ny ala kely teny am-pitan’ny arabe avy teo amin’ny tranony izy ka nandohalika sy nivavaka ary nandray fanamafisana avy tamin’ny Fanahy Masina fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy azy, i Joseph Smith dia mpaminany marina, ary marina ny Bokin’i Môrmôna.

Izany finoana izany dia niteraka fanaovana asa fanompoana feno fanolorantena nandritra ny fiainana tao amin’ny Fiangonana, ka tafiditra tao anatin’izany ny naha-Fitopololahan’ny Vondromparitra azy sy ny naha-filohan’ny tsatòka azy ary ny naha-filohan’ny Misiônan’i Orem Utah azy. Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia mpitarika feno fahavitrihana nisahana ny fiaraha-mientana tao amin’ny paroasiny tao Lethbridge ny Loholona Evanson.

I James Eugene Evanson dia teraka tao Taber, Alberta, tamin’ny 16 aogositra 1968. Iray tamin’ireo zanaka valo naterak’i Dale Eugene sy i Phyllis Tanner Evanson izy.

Rehefa avy nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany Tempe, Arizona ny Loholona Evanson dia nanambady an’i Jody Karil Zobell tamin’ny 20 desambra 1989 tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake. Manan-janaka dimy izy ireo ary manan-jafikely miisa 11.

Ny Loholona Evanson dia nahazo mari-pahaizana licence sy mari-pahaizana amin’ny maha-mpitsabo nify avy tao amin’ny University of Alberta ary niasa ho mpitsabo nify tao amin’ny kabinetra mahaleo tena naorina nandritra ny 26 taona.