Ilay drafitry ny famindram-po
Feno famindram-po ny Tompo ary ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra dia tena drafitry ny famindram-po.
Fanasana avy amin’ny mpaminany
Tamin’ny volana Aprily farany teo, fotoana fohy taorian’ilay vaovao mahafaly fa lasa fananan’ny Fiangonana ny Tempolin’i Kirtland dia nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba handalina ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Kirtland izay voarakitra ao amin’ny fizarana 109 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Nilaza ny Filoha Nelson fa ilay vavaka fanokanana dia: “fampianarana momba ny fomba hanomezan’ny tempoly anao sy ahy hery ara-panahy hiatrehana ireo fanambin‘ny fiainana amin’izao andro farany izao.”
Resy lahatra aho fa ny fandalinanao ny fizarana 109 dia nanolotra hevi-baovao izay nitahy anao. Anio hariva aho dia hizara zavatra vitsivitsy izay nianarako rehefa nanaraka ny fanasana nomen’ny mpaminanintsika. Ilay lalam-piadanana izay nitondran’ny fandalinako ahy dia nampahatsiahy ahy fa ny Tompo dia feno famindram-po ary ny drafitry ny famonjen’ny Raintsika any An-danitra dia tena drafitry ny famindram-po tokoa.
Misiônera vao nantsoina manompo ao amin’ny tempoly
Araka ny mety efa fantatrareo dia “entanina ireo misiônera vao nantsoina handray haingana araka izay azo atao ny fanafiana masina any amin’ny tempoly ary handeha any amin’ny tempoly matetika araka izay azo atao.” Rehefa avy mandray ny fanafiana masina izy ireo dia “afaka manompo, manao mpanatanteraka [asa] … any amin’ny tempoly mialoha ny hanombohan’izy ireo ny asa fitoriana.”
Afaka ny ho fitahiana miavaka ho an’ireo mpitory ny filazantsara vaovao voantso ny fotoana hidirana ny tempoly alohan’ny hidirana ny Foibe Fiofanana ho Misiônera rehefa mianatra kokoa momba ireo fanekempihavanan’ny tempoly izy ireo alohan’ny hizarana ireo fitahiana avy amin’ireo fanekempihavanana ireo amin’izao tontolo izao.
Kanefa rehefa nandalina ny fizarana 109 aho dia nianatra fa manome hery ireo misiônera vaovao—isika rehetra raha ny marina—Andriamanitra ao amin’ny tempoly, amin’ny fomba iray hafa sy masina. Tao amin’ilay vavaka fanokanana izay nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana dia nivavaka i Joseph hoe “rehefa mivoaka avy ao an-tranonao ireo mpanomponao … ho vavolombelona manambara ny anaranao,” ny “fon’”ny “vahoaka rehetra”—na “ireo olona lehibe amin’ny tany” na ny “mahantra rehetra, ny sahirana ary [ny] olona mijaly.” Nivavaka izy mba “hisava eo anoloan’ny fahamarinana ny hevi-draviny, ary mba hahazoan’ny vahoakanao sitraka eo imason’ny rehetra; mba hahazoan’ny faran’ny tany rehetra mahafantatra fa izahay mpanomponao dia efa nandre ny feonao, ary efa nirahinao izahay.”
Fampanantenana mahafinaritra izany ho ana misiônera vao nantsoina iray—mba “hisava eo anoloan’ny fahamarinana ny hevi-draviny,” mba “hahazo sitraka eo imason’ny rehetra,” ary mba hahafantaran’izao tontolo izao fa ny Tompo no maniraka azy ireo. Azo antoka fa isika tsirairay avy dia mila ireo fitahiana ireo. Tena fitahiana tokoa ny manana fo nohalefahana rehefa mifandray amin’ny mpifanolobodirindrina sy mpiara-miasa isika. Ilay vavaka fanokanana dia tsy tena manazava tsara ny fomba hanalefahan’ny fotoana laniantsika ao amin’ny tempoly ny fon’ny hafa kanefa resy lahatra aho fa mifamatotra amin’ny fomba hanalefahan’ny fotoana laniantsika ao amin’ny tranon’ny Tompo ny fontsika manokana izany amin’ny alalan’ny fampifantohana antsika amin’i Jesoa Kristy sy ny famindram-pony.
Mamaly ireo fiangaviana famindram-po ataon’i Joseph Smith ny Tompo
Rehefa nandalina ilay vavaka fanokanana ny Kirtland aho, dia talanjona koa aho fa niangavy famindram-po ombieny ombieny—ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, ho an’ireo fahavalon’ny Fiangonana, ho an’ireo mpitondra ny firenena, ho an’ireo firenena rehetra eto an-tany i Joseph. Ary niangavy manokana ny Tompo mba hahatsiaro azy ary mba hamindrany fo amin’i Emma vadiny malalany sy ireo zanany.
Inona no mety ho tsapan’i Joseph rehefa niseho taminy sy i Oliver Cowdery ny Tompo, herinandro taty aoriana, ny marainan’ny Paska ny 3 aprily 1836 tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ary araka ny voarakitra ao amin’ny fizarana 110 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, nilaza hoe: “Fa indro efa nekeko ity trano ity ary ho eto ny anarako; ary Izaho haneho ny tenako amin’ny vahoakako amin’ny famindram-po, ao amin’ity trano ity.” Ity fampanantenana famindram-po ity dia azo antoka fa nidika zavatra manokana ho an’i Joseph. Ary araka ny nampianaran’ny Filoha Nelson tamin’ny volana aprily farany teo dia “mihatra amin’ny tempoly voatokana rehetra ihany koa io fampanantenana io ankehitriny.”
Mahita famindram-po ao amin’ny tranon’ny Tompo
Tena maro tokoa ireo fomba ahafahantsika tsirairay mahita famindram-po ao amin’ny tranon’ny Tompo. Marina hatrany izany hatramin’ny fotoana voalohany nandidian’ny Tompo an’i Isiraely ny hananganan’izy ireo tabernakely iray ary ny mba hametrahan’izy ireo ilay “fitoeran’ ny famindram-po” eo amin’ny ivon’izany.” Mahazo famindram-po ao anatin’ireo fanekempihavanana izay ataontsika ao amin’ny Tempoly isika. Mamatotra antsika amin’ny Ray sy ny Zanaka ireo fanekempihavanana ireo, miaraka amin’ny fanekempihavanan’ny batisa ary manome fahafahana kokoa antsika handray ilay nampianarin’ny Filoha Nelsona hoe “karazana fitiavana sy famindram-po manokana … antsoina hoe hesed” amin’ny fiteny Hebreo.
Mahita famindram-po isika ao anatin’ny fahafahana ho fehezina amin’ny fianakaviantsika mandrakizay. Lasa takatsika mazava kokoa ao amin’ny tempoly fa ny Fahariana sy ny Fahalavoana sy ny sorona fanavotan’ny Mpamonjy ary ny fahafahantsika hiverina indray eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra, ny ampahany rehetra amin’ny drafitry ny famonjena, dia fanehoana famindram-po. Marina tokoa fa mety ho azo lazaina hoe drafitry ny fahasambarana ny drafitry ny famonjena, indrindra satria “drafitry ny famindram-po” izany.
Manokatra ny varavarana ho an’ny Fanahy Masina ny fikatsahana famelan-keloka
Feno fankasitrahana aho noho ilay fampanantenana mahafinaritra ao amin’ny fizarana 110 fa ny Tompo dia haneho ny tenany amin’ny famindram-po ao amin’ireo tempoliny. Feno fankasitrahana ihany koa aho noho ny zavatra ambaran’izany mikasika ny fomba hanehoan’ny Tompo ny tenany amin’ny famindram-po isaky ny mangataka famindram-po tahaka an’i Joseph isika.
Tsy ny fiangaviana famindram-po nataon’i Joseph Smith tao amin’ny fizarana 109 no fotoana voalohany nahatonga ireo fiangaviany famindram-po hiteraka fanambarana. Tsy nivavaka mba hahafantatra fotsiny ihany hoe iza ny Fiangonana marina i Joseph tao amin’ilay Alakely Masina fa nilaza ihany koa izy fa “nitalaho tamin’ny Tompo mba hahazoany famindram-po satria tsy nisy azoko anatonana mba hahazoako famindram-po.” Mahagaga fa ny fanekeny ho nila famindram-po izay ny Tompo irery ihany no afaka nanome izany dia nanampy nanokatra ny varavaran’ny lanitra. Telo taona taty aoriana dia niseho ny anjely Môrônia, araka ny nolazain’i Joseph fa nivavaka sy nitalaho tamin’ Andriamanitra Tsitoha ho famelana ny fahotako sy ny hadalako rehetra.”
Mahazatra ity endrika fanambarana aorian’ny fiangaviana famindram-po ity ao amin’ny soratra masina. Rehefa nivavaka mba hangataka famelana ihany i Enosa vao nandre ny feon’ny Tompo. Nanomboka tamin’ny vavaka nataony ny fiovam-pon’ny rain’i Lamônia Mpanjaka: “Hafoiko ny fahotako rehetra hahafantarako Anao.” Mety tsy ho voatahy hiaina zavatra mampitolagaga tahaka izany isika kanefa iray amin’ireo fomba mahery vaika indrindra hahatsapana ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina ny fikatsahana ny famindram-pon’ny Tompo ho an’ireo izay tsindraindray sahirana mahatsapa valiny amin’ireo vavaka ataon’izy ireo.
Manokatra varavarana ho an’ny Fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ny fisaintsainana ny famindram-pon’ Andriamanitra.
Misy fitsipika mitovy amin’izany izay ampianarina tsara ao amin’ny Môrônia 10:3–5. Matetika isika no manafohy ireto andininy ireto mba hampianarana fa amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsim-po dia afaka mahafantatra raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna. Saingy izany fanafohezana izany dia mety hanao tsirambina ny maha-zava-dehibe ny anjara asan’ny famindram-po. Henoy ny fomba hanombohan’i Môrônia ny famporisihana nataony: “Ta hamporisika anareo aho, rehefa hamaky ireto zavatra ireto ianareo, … mba hahatsiarovanareo ny naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona, hatry ny nahariana an’i Adama ka hatramin’ny fotoana izay handraisanareo ireto zavatra ireto sy ny hisainanareo izany ao am-ponareo.”
Tsy mamporisika antsika hamaky ireo zavatra ireo fotsiny ihany i Môrônia—ireo rakitsoratra izay handeha hofeheziny—fa mba hisaintsainantsika ihany koa ao am-pontsika ny zavatra izay ambaran’ny Bokin’i Môrmôna momba ny “naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona.” Ny fisaintsainana ny famindram-pon’ny Tompo no manomana antsika “mba [hanontany] an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto.”
Rehefa misaintsaina momba ny Bokin’i Môrmôna isika dia mety hanontany isika hoe : tena marina araka ny nampianarin’i Almà tokoa ve fa ny dafitr’ Andriamanitra ho an’ny famindram-po dia manome antoka fa ny olona rehetra izay niaina teto ambonin’ity tany ity dia hitsangana amin’ny maty ary haverina amin’ny endriny tsirairay avy sy tomombana ny zava-drehetra? Marina ve ny tenin’i Amioleka fa ny famindram-po dia afaka manefa ny fitakiana rehetran’ny fahamarinana sy mamihina [antsika] amin’ny sandrin’ny fiantohana”?
Marina ve ny fijoroana ho vavolombelon’i Alma fa nijaly i Kristy tsy noho ny fahotantsika ihany fa noho ny “fanaintainana sy ny fahoriantsika” mba ahazoany “mamantatra … ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny”? Tena feno famindram-po tokoa ve ny Tompo, araka ny nampianarin’i mpanjaka Benjamina fa toy ny fanomezana tsy misy sarany, nanao ny sorompanavotana Izy “noho ny fahotan’ireo izay … efa maty tsy nahalala ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo, na izay efa nanota tao amin’ny tsy fahalalana”?
Marina ve araka ny voalazan’i Lehi fa “lavo Adama mba hisian’ny olona ary misy ny olona mba hahazo fifaliana”? Ary marina ve araka ny fijoroana ho vavombelon’i Abinadia, nilaza ny tenin’i Isaia fa Jesoa Kristy dia “noratraina noho ny fandikantsika lalàna, notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahatra taminy no nahazoantsika fiadanana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika”?
Fehiny, moa ve ny drafitry ny Ray nampianarina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia tena ity feno famindram-po ity? Mijoro ho vavolombelona aho fa tena izany tokoa ary ireo fampianarana mitondra fiadanana sy fanantenana momba ny famindram-po ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia marina.
Kanefa azoko an-tsaina fa ny sasany aminareo dia mety mbola sahirana, na dia eo aza ny famakiana sy vavaka amim-pahatokiana ataonareo, amin’ny fahatakarana ny fampanantenana nataon’i Môrônia fa Andriamanitra “dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo amin’ny herin’ny Fanahy Masina.” Fantatro izany fahasahiranana izany satria efa tsapako, taona maro lasa izay, rehefa tsy nitondra valiny teo no ho eo sy mazava tamin’ny vavaka nataoko ny famakiako voalohany ny Bokin’i Môrmôna.
Raha sahirana ianao, te hanasa anao aho hanaraka ny torohevitr’i Môrônia hisaintsaina fomba maro hampianarin’ny Bokin’i Môrmôna hoe “ Toy ny ahoana ny famindram-pon’ny Tompo amin’ireo zanak’Andriamanitra”? Raha araka ny zavatra niainako dia manantena aho fa rehefa hanao izany ianareo dia afaka miditra ao am-ponareo ny fiadanana entin’ny Fanahy Masina ary afaka ny hahafantatra sy hino ary hahatsapa ianareo fa ny Bokin’i Môrmôna sy ny drafitry ny famindram-po izay ampianariny dia marina.
Maneho ny fankasitrahako noho ny drafitry ny famindram-po lehibe an’ny Ray aho sy noho ny fahavononan’ny Mpamonjy hanatanteraka izany. Fantatro fa haneho ny tenany amin’ny famindram-po Izy ao amin’ny tempoliny masina sy eo amin’ny fiainantsika iray manontolo raha hikatsaka Azy isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.