2025
Loholona Eduardo F. Ortega
Mey 2025


“Loholona Eduardo F. Ortega,” Liahona, mey 2025.

Loholona Eduardo F. Ortega

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Nianatra lesona sarobidy ny Loholona Eduardo F. Ortega nandritra ireo taona maro nanompoany tao amin’ny Fiangonana. Ao anatin’ny antso rehetra, na amin’ny maha-eveka izany na amin’ny maha-rahalahy manompo izany, ny fahafantarantsika fa misolo tena ny Tompo isika dia manamora izany antso izany.

“Rehefa mieritreritra ny fomba hanaovany izany isika dia ho mora izany,” hoy izy, sady nindrana teny tao amin’ny Jakôba 5:71–72 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. “Imbetsaka aho tao anatin’ny antsoko no nahatsapa ny Tompo niara-nanompo tamiko satria tanimboalobony ity fa tsy antsika.”

I Eduardo Franciso Ortega dia teraka tany Godoy Cruz, Mendoza, Argentine, tamin’ny 10 jolay 1977. Zanak’i Fernando Daniel Ortega sy Irma Elvira Endstorfer izy. Nanambady an’i Gabriela Alejandra Cappi Franzia tao amin’ny Tempolin’i Montevideo Uruguay izy tamin’ny 13 septambra 2002. Manan-janaka dimy izy ireo ary nipetraka tany Mexico City, Mexique tamin’ny fotoana niantsoana azy.

Ny Loholona Ortega dia nahazo mari-pahaizana licence momba ny hairafitrano avy tao amin’ny John F. Kennedy University, Argentine, tamin’ny 2008 ary nahazo mari-pahaizana maîtrise avy tao amin’ny University of Belgrano tamin’ny 2016. Tamin’ny 2017 dia nahazo diplaoma momba ny fitarihana tao amin’ny Harvard Business School izy. Mpitantana tetikasa fanorenana trano izy, voalohany tao amin’ny SBA Company ary avy eo tao amin’ny sampan’ny Village Roadshow Entertainment Group tao Argentine. Lasa talen’ny fivarotana trano sy tany tao amin’ny American Express Company izy tamin’ny 2014, ary mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Arch Royale Projects Ltd. tamin’ny 2023 sy tao amin’ny CorNet Global tamin’ny 2024.

Fitopololahin’ny Vondromparitra ny Loholona Ortega tamin’ny fotoana niantsoana azy. Izy koa dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny kôlejin’ny loholona, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, ary misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Cali Colombie.