“Miverena Amiko … hahazoako manasitrana anareo”
Misy fifaliana lehibe any an-danitra ho an’ireo izay miverina. Tsy tara loatra izao raha hiverina ianao.
Nipetraka tamina trano voahodidina hazo mahafinaritra izahay tamin’ny taloha. Nisy hazomalahelo tsara tarehy iray teo akaikin’ny fidirana. Indray alina nampalahelo, nisy tafiotra be nifofofofo ka nianjera mafy tamin’ny tany ilay hazomalahelo. Niampatra tamin’ny tany izany ka niala hatramin’ny fakany ary nahonena ny nijery azy.
Vonona ny hamelona ny milina fanapahana hazo sy hanapaka ny hazo mba hatao kitay aho no iny ny mpifanolobodirindrina aminay nihazakazaka ka nanakana ahy. Nandevilevy ahy izy noho ny tsy firaharahiko ilay hazo ary namporisika ahy tamin’ny fomba hentitra izy ny mba tsy hanariako izany. Nanondro faka iray mbola niorina tanatin’ny tany izy avy eo ary nilaza fa raha toa ka ankininay amin-javatra ilay hazo sy tapahanay ireo rantsany ary kolokoloinay izany dia hiverina hamaka indray.
Nisalasala sy niahiahy ny amin’ny fomba ahafahan’ny hazo iray izay hita mazava fa nirodana sy nijaly ka azo heverina fa ho tafavoaka velona sy ho velon’aina indray aho. Nihevitra aho fa na dia hanomboka haniry indray aza izany dia azo antoka fa tsy ho velona izany amin’ny tafio-drivotra manaraka. Kanefa noho ny finoan’ilay mpifanolobodirindrina taminay fa mbola manana ny hoaviny ilay hazo dia nanohy nanaraka ilay drafitra izahay.
Ary inona no vokany? Fotoana vitsy taty aoriana dia nahita famantarana izahay hoe mbola velona ilay hazo rehefa nanomboka niorim-paka ilay izy. Ankehitriny, 12 taona aty aoriana, dia mavitribitrika sy velom-bolo no sady lalim-paka sy nandravaka indray ny tontolo manodidina ilay hazo.
Nandritra ny fihaonako tamin’ireo Olomasina maneran-tany dia nahatsiaro ity hazomalahelo ity aho sy ny fomba hisian’ny fanantenana na dia toa very avokoa aza ny fanantenana rehetra. Ny sasany dia nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara izay nahery sy natanjaka toy ilay hazomalahelo teo aloha. Avy eo, noho ny antony manokana dia nihamarefo ireo fijoroana ho vavolombelona ireo ary nitarika tamin’ny fahaverezan’ny finoana. Ny hafa dia mamikitra ireo faka manify indrindra, mivelona amin’ny tanin’ny filazantsara.
Manentana ny fanahiko ombieny ombieny ireo tantaran’olona maro izay nisafidy ny hanavao ny maha-pianatra azy ireo sy hiverina indray ao amin’ny Fiangonana any amin’ny faritra misy azy ireo. Raha tokony handao ny finoany toy ny kitay tsy misy ilana azy izy ireo dia naleony nanaraka ireo fitarihana ara-panahy sy ireo fanasana feno fitiavana ny hiverina.
Nanatrika fihaonamben’ny tsatòka iray tany Korea aho izay nizaran’ny mpikambana niverina mazoto iray hoe: “Misaotra ireo rahalahy aho noho ny fanirian’izy ireo hanaiky ny tsy fahampian’ny finoako sy ny fahalemeko, nanolo-tanana ahy sy noho ireo mpikambana izay tsara fanahy amiko hatrany. Mbola manana namana maro izay malaindaina aho manodidina ahy. Mampiomehy satria mifampiteny izy ireo hoe miverena ao amin’ny Fiangonana mba hamerenana indray ny finoany amin’ny laoniny. Mihevitra aho fa mangetaheta mafy ny hanam-pinoana avokoa izy ireo.”
Ho an’ireo rehetra izay mangetaheta mafy ny hanam-pinoana dia manasa anareo izahay hiverina. Mampanantena aho fa afaka hampatanjahana ny finoanareo raha toa ka miara-mitsaoka amin’ireo Olomasina indray ianareo.
Misiônera teo aloha iray avy ao Afrika no nanoratra tamin’ny mpitarika zokiny iray ao amin’ny Fiangonana, ka niala tsiny sy nangataka famelan-keloka noho ny naha tafintohina azy tamin’ny fampianarana nomen’ilay mpitarika mikasika ny fombafomba fanao ara-kolontsaina iray, ka nahatonga azy handao ny Fiangonana. Nilaza tamim-panetrentena izy hoe: “Indrisy fa noho izaho nisafidy ny ho tafintohina 15 taona lasa izay dia nahatonga ahy hanonitra sarany lafo dia lafo. Namoy zavatra maro aho—mihoatra lavitra noho izay noheveriko. Afa-baraka tanteraka aho amin’ny ratsy nateraky ny zavatra nataoko nandritra izay fotoana izay kanefa ambonin’ny zavatra hafa rehetra dia faly aho fa nahita ny lalana miverina.”
Ho an’ireo rehetra izay mahafantatra ny zavatra nafoinareo, dia manasa anareo izahay hiverina mba hahafahanareo manandrana indray ny voa mahafalin’ny filazantsara.
Nisy rahavavy iray tao Etazonia izay nandao ny Fiangonana nandritra ny taona maro. Ny tantara momba ny fiverenany dia mifono lesona mahery vaika ho an’ireo ray aman-dreny sy olona ao amin’ny fianakaviana izay ory noho ny olona akaikin’ny fo manalavitra ny Fiangonana. Nanoratra izy hoe:
“Afaka manao lisitra ireo antony maro nahatonga ahy nisintaka tamin’ny Fiangonana sy ny filazantsara ary azo lazaina ihany koa hoe ny fianakaviako aho. Saingy tsy manan-danja loatra izany. Tsy hoe nandray fanapahan-kevitra iray goavana aho hiala amin’ny Fiangonana—fa mety an’arivony ireo safidy nataoko. Saingy ny zavatra iray fantatro hatrizay dia ny hoe nandray fanapahan-kevitra iray goavana ny ray aman-dreniko ary tsy niova tamin’izany izy ireo. Nanapa-kevitra ny hitia ahy izy ireo.
“Tsy ho fantatro velively hoe firy no ranomaso nalatsaka, na firy ireo alina tsy nahitana torimaso na koa hoe firy ireo vavaka fitalahoana amin-kitsimpo izay notononina ho ahy. Tsy nanebaka ahy noho ireo fahotana vitako izy ireo, fa niantso ahy kosa tao amin’ny toetry ny ota nisy ahy. Tsy nanao izay hahatsapako ho tsy nilaina tao an-tokantranony sy tao anatin’ireo fivoriam-pianakaviana izy ireo. Ireny fahatsapana ireny dia avy amiko ihany. Ho solon’izany dia nanohy nandray ahy hatrany izy ireo. Tsy maintsy nahita ny fahazavako ho nihanitsilopilopy izy ireo rehefa nandeha ny fotoana. Saingy fantatr’izy ireo fa ilay izaho tamin’izany dia alok’ilay tena izaho amin’ny ho avy fotsiny ihany.
“Toy ny fahasarotan’ny lalako nanalavitra ny Fiangonana ihany ilay lalako niverina. Kanefa ny zavatra tsy sarotra tamin’ny fiverenana dia ny fahatsapana fa tafody ao amin’ny fonenako aho.”
Ny hafatro androany dia ho an’ireo rehetra izay efa nahatsapa ny Fanahy indrindra indrindra saingy manontany tena raha toa ka misy lalana miverina na toerana ho anao ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Natao ihany koa izany ho an’ireo izay zara raha mifikitra na ireo izay alaim-panahy hanalavitra.
Ity hafatra ity dia tsy fanamby ary tsy fanamelohana tsy akory. Izany dia fanasana atolotra am-pitiavana sy faniriana amin-kitsimpo handray anao hiverina indray ao amin’ny ankohonanao ara-panahy.
Nivavaka aho mba hahatsapanao ny vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina eo am-pihainoanao ity fanasana feno fitiavana ity ankehitriny sy ny fampanantenana mahatalanjona avy amin’ny Mpamonjy antsika Jesoa Kristy.
“Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo, sy hibebaka amin’ny fahotanareo ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?”
Isan-kerinandro dia maro no mamaly ny fanasan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fiverenana indray ho mpanara-dia sy ny fahazotoana indray ao am-piangonana ary ny fikatsahana ilay fanasitranana amim-pahatoniana sy amim-panetrentena nampanantenain’i Jesoa Kristy. Maro dia maro ireo tanorantsika no misafidy ny hijanona ho matanjaka sy hitombo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, tsy araka ireo fitantarana miely.
Rehefa hitan’ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy sasany tao Kapernaomy fa sarotra ny fampianarany ka nisafidy ny hiala izy ireo dia nitodika tamin’ireo Apôstôliny Izy ary nanontany hoe: “Ianareo koa va mba te hiala?”
Izany no fanontaniana tsy maintsy valiantsika tsirairay rehefa miatrika ireo fotoanan’ny fitsapana antsika manokana isika. Tsy tontan’ny ela ary manakoako ny valin-teny nomen’i Petera an’i Jesoa: “Hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”
Noho izany rehefa mandinika ny fanasan’ny Mpamonjy mba hiverina Aminy ianareo dia inona no mety ianaranareo avy amin’ny tantaran’ilay hazomalahelo?
-
Tsy mora na mahafinaritra matetika ny lalana miverina kanefa mahaleo ny sarany. Rehefa naverina natsangana ilay hazomalahelonay dia tapatapaka avokoa ireo rantsany rehetra. Tsy tsara tarehy izany. Mety hahatsapa ho marefo ihany koa isika rehefa miala amin’ny fombantsika taloha ary esorina amintsika ny avonavontsika. Ny fampifantohana ny finoanao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany—ilay vatankazo sy ireo fakany—dia hanome anao fanantenana sy ny herimpo hanao izany dingana voalohany miverina izany.
-
An-taonany maro vao niverina ny tanjaka sy ny hatsaran’ilay hazomalahelonay. Ankehitriny dia matanjaka sy tsara endrika kokoa izany noho ny teo aloha. Manàna faharetana amin’ny fitomboan’ny finoanareo sy ny fijoroana ho vavombelona anananareo. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy ho tezitra noho ny fanehoan-kevitra tsy am-pisainana toy ny hoe: “Fa taiza foana ianao nandritra izay taona maro izay e?”
-
Tsy ho velona na oviana na oviana mihitsy ilay hazomalahelo raha tsy nisy fikarakarana sy fikolokoloana tsy tapaka. Hikolokolo ny finoanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao rehefa mivoky eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ary mitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo.
-
Toy ilay hazomalahelo mila tara-masoandro mba hitomboan’ny rantsany sy ny raviny indray, ny fijoroanao ho vavolombelona koa dia hitombo rehefa andairan’ny fahatsapana sy ny vavolombelona avy amin’ny Fanahy ianao. Mandraisa lesona avy amin’i Amioleka, izay namariparitra ny fotoana nampalaindaina azy, ka nilazany fa “nantsoina imbetsaka aho fa tsy te hihaino.”
-
Fantatr’ilay mpifanolobodirindrina tamiko hoe mety ho tonga toy ny ahoana indray ilay hazomalahelo. Toy izany koa no hahafantaran’ny Tompo ny fahafahanao ho tonga tahaka an’ Andriamanitra sy ny fahafantarany hoe mety ho lasa toy ny ahoana ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona anananao. Tsy hilavo lefona aminao na oviana na oviana Izy. Azo sitranina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay rava rehetra.
Mijoro ho vavolombelona aho fa misy fifaliana lehibe any an-danitra noho ireo izay miverina. Ilaina ianao, ary tiana ianao. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika ary hitahy ireo rehetra izay miverina Aminy amin’ny fiadanana lehibe kokoa sy fifaliana lehibe Izy. Ny sandrin’ny famindram-pony dia tsy miforitra fa misokatra sy mitolotra ho anao. Tsy tara loatra izao raha hiverina ianao. Mandray anao tonga soa ato an-trano amin’ny fitiavana rehetra ato am-ponay izahay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.