2025
Loholona Ozani Farias
Mey 2025


“Loholona Ozani Farias,” Liahona, mey 2025.

Loholona Ozani Farias

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Ny fivavahana momba ireo fanapahan-kevitra sarotra dia lasa tena manan-danja ho an’ny Loholona Ozani Farias nanomboka tany amin’ny fahazazany. Nivavaka ny Loholona Farias taorian’ny nihaonany tamin’ireo misiônera tamin’izy 15 taona. Nivavaka mikasika ny fanaovana asa fitoriana mandritra ny fotoana feno, ny fianarana, ny fanambadiana ary ireo asa azo atao izy.

Ary na dia tsy nazava aza ilay lalana dia fantany izay tokony hataony.

“Atao lohalaharana foana Andriamanitra,” hoy izy. “Manompoa Azy aloha. Nahita fitahiana lehibe izahay avy amin’ny fanaovana izany.”

Ny fanarahana ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina dia tsy nitarika azy sy ny vadiny velively hivily lalana, hoy izy. “Nianatra momba ny herin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana aho. Miresaka amin’ny zanany Andriamanitra. Ary manana drafitra ho antsika Andriamanitra.”

I Ozani Barboza Marques Farias dia teraka tany Recife, Brésil, tamin’ny 19 ôktôbra 1969. Zanak’i José Osanã Farias sy Severina Barbosa Marques izy. Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i São Paulo Brésil tamin’ny 18 janoary 1994 izy sy i Giovanna de Medeiros Prata Farias vadiny. Manan-janaka telo izy ireo.

Ny Loholona Farias dia nahazo mari-pahaizana licence momba ny haitoebola avy tao amin’ny Catholic University of Pernambuco, sy diplôme de troisième cycle momba ny fitantanam-bola tao amin’ny University of Pernambuco (Oniversiten’i Pernambuco), ary maîtrise momba ny fitantanan-draharaha avy tao amin’ny Getulio Vargas Foundation. Niasa tao amin’ny Fiangonana izy ka nihazona toerana samihafa, anisan’izany ny naha-mpitantana ara-bola azy, ny naha-mpitantana ny fitantanana ny mpiasa azy, ary vao haingana izy no talen’ny raharaha ara-nofo tao amin’ny Vondromparitra Brésil.

Ny Loholona Farias dia filohan’ny misiônan’i Georgia Atlanta amin’izao fotoana izao. Izy koa dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpitamboky teo anivon’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, ary mpampianatra tao amin’ny Kilonga.