“Loholona Michael Cziesla,” Liahona, mey 2025.
Loholona Michael Cziesla
Fitopololahy Manampahefana Ambony
Tsaroan’ny Loholona Michael Cziesla tsara ireo zava-tsarotra niainany tamin’ny taona 2017. Indray talata iray tao anatin’ny volana janoary dia namoy ny asany tao amin’ny orinasa misehatra amin’ny lalàna iraisam-pirenena izy rehefa nanambara ny tsy fahaloavan-trosa ilay orinasa. Ny ampitson’izany dia tondraka ny tranony noho fahavakisan’ny fantsona iray mitondra ny rano. Ny andro fahatelo dia nisy mpangalatra namaky ny tranony ka niezaka naka ireo zava-tsarobidy an’ny fianakaviana. Tao anatin’ny andro vitsivitsy dia nikorontana ny fiainany.
“Ny alahadin’io dia nitsiky toy ny mahazatra aho rehefa nipetraka teny amin’ny polipitra amin’ny maha-filohan’ny tsatòka ahy,” hoy izy. “Tsy nisy nahafantatra izay zavatra nitranga. Saingy nalahelo mafy aho tao anatiko. Tao anatin’ny haizina lalina aho.”
Taorian’ilay fivoriana dia nisy lehilahy tony sy tsara fanahy iray tao amin’ny paroasy nanontany azy izay olana nitranga. “Nihaino fotsiny izy, ary avy eo dia nofihininy aho,” hoy ny Loholona Cziesla. “Nahatsapa ho nofihinin’ny Tompo aho. Fantany ny fahoriako ary hilamina ny zava-drehetra.”
I Michael Cziesla dia zanak’i Armin Ludwig sy i Irmtraut Hanna ary teraka tamin’ny 26 jolay 1972 tany Neumünster, Allemagne. Lehibe tao Schleswig-Holstein izy ary taty aoriana dia nanompo tao amin’ny Misiônan’i Ogden Utah. Nanompo tao amin’ny Misiônan’i Temple Square i Margret Anne Rauh vadiny. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Francfort Allemagne izy ireo tamin’ny 4 aprily 1997. Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia nipetraka niaraka tamin’ireo zanany dimy tany Griesheim, Allemagne izy ireo, izay nankafizan’izy ireo ny fandehandehanana tany an’ala sy ny fanaovana fialan-tsasatra tany amin’ny nosy iray tany Danemark.
Nahazo mari-pahaizana momba ny lalàna avy tao amin’ny University of Mainz ny Loholona Cziesla tamin’ny 2000. Nitsahatra teo amin’ny naha-mpiara-miombon’antoka ela niasana indrindra tao amin’ny McDermott Will & Emery azy ilay asany misahana ny lalàna.
Talohan’ny niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony, ny Loholona Cziesla dia efa Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Europe Afovoany, filoha mpisolo toerana vonjimaika tao amin’ny Misiônan’i Francfort Allemagne, filohan’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo ary mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà.