Toy ny ankizy madinika
Mijoro ho vavolombelona aho fa endriky ny fanjakan’ Andriamanitra miroborobo ety an-tany amin’ny heriny sy ny hatsaran-tarehiny rehetra ny zaza sy ny ankizy ary ny zatovo.
Natombok’i Jesoa tamin’ny fanamafisana ny fanofanana ireo apôstôliny ny taona farany niainany teto an-tany. Raha natao hitohy aorian’ny fahafatesany ny hafany sy ny Fiangonany dia mbola maro no tokony ho nampidirina tao am-pon’ireo lehilahy tsotra miisa 12 ireo, izay vao 24 volana monja no nahafantatra Azy.
Indray andro i Jesoa dia nahita fifandirana teo anivon’ny Roambinifolo lahy ka dia nanontany taorian’izay hoe: ”Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?” Mazava ho azy fa menatra izy ireo dia “tsy nahateny” araky ny voarakitra. Kanefa fantatr’ity mpampianatra lehibe indrindra ity ny fisainan’ny fon’izy ireo ary hitany ny famantarana ny avonavon’ny tena manokana. Noho izany dia “niantso zazakely anankiray hankeo aminy [Izy], …
“Ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.
“Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.”
Tsara homarihina fa na dia talohan’ny nahaterahan’i Kristy aza dia nahitana io fanehoan-kevitra lalina momba ny fanetrentenan’ny zaza io ny toriteny fanaovam-beloma nataon’ny Mpanjaka Benjamina. Toy izao no voalaza ao: “Fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra, … ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy … tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo, ary tonga tahaka ny ankizy, mankatò, …, manetry tena, …, feno fitiavana, … dia tahaka ny [famalian’ny] zaza ny rainy.”
Mazava ho azy fa misy ireo karazana fironan’ny zazakely izay tsy amporisihantsika foana. Dimy amby roapolo taona lasa izay dia nanaikitra ny tanan’ny anabaviny dimy taona ny zafikelinay lahy izay telo taona tamin’izany. Ilay vinantolahiko izay nikarakara an’ireo ankizy tamin’izany alina izany dia nampianatra tamim-pahatsorana ny zanany vavy izay lesona rehetra momba ny famindram-po tonga tao an-tsainy sady nofaranany tamin’ny hoe mety tsy nahalala akory angamba ilay zandry lahikeliny hoe manao ahoana izany kaikitra amin’ny tanana izany. Nandaitra tao anatin’ny iray minitra teo ho eo, na iray minitra sy sasany angamba izany fanamarihana tsy voaomana tsara nataona raim-pianakaviana izany, mandra-pisian’ny hiakiaka nampihovitra varavarankely re avy tao amin’ny efitrano fandrian’ny ankizy izay niantsoan’ilay zafikeliko vavy tamim-pitoniana hoe: “Fantany ilay izy izao.”
Koa inona ary no zavatra tokony ho hitantsika eo amin’ny fiainan’ireo ankizy? Inona no nahatonga an’i Kristy mihitsy hilatsa-dranomaso ao amin’ilay tranga iray feno fitiavana indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna? Inona no nampianarin’i Jesoa rehefa nampidina afo avy an-danitra sy ireo anjely mpiambina Izy mba hanodidina ireo ankizy ireo, sady nandidy ny olon-dehibe mba “[hijery] ny madinik[’izy ireo]”?
Tsy fantantsika ny zavatra izay nandrisika izany rehetra izany, fa mihevitra aho fa misy hidirany amin’ny fahadiovan’izy ireo sy ny tsy fananany tsiny, ny fanetrentenany hatrany am-bohoka, ary ny zavatra izay mety hoentin’izany amin’ny fiainantsika raha raisintsika izany.
Nahoana ireo andro mahakivy antsika no misy miantso hoe “zava-poana dia zava-poana?” Nahoana ny “hevi-dravina sy ny fieboeboan’ny zanak’olombelona” no teny mamaritra ilay trano lehibe sy malalaka izay tena maty ara-panahy ao amin’ny fahitan’i Lehia? Ary ny Zôramita, ilay vondron’olona izay nivavaka tamin’ny fanompoana ny tenany? Hoy i Alma momba azy ireo hoe: “Indro, Andriamanitra ô, [mivavaka Aminao] amin’ny vavany [izy ireo], raha mbola mizihitra … amin’ny zava-poanan’izao tontolo izao izy.”
Etsy andanin’izany, moa ve misy zavatra mamy kokoa, na madio kokoa, na feno fanetrentena kokoa mihoatra noho ny zaza iray eo am-pivavahana? Toy ireny hoe ao amin’ilay efitrano ireny ny lanitra. Tena misy Andriamanitra sy i Kristy, saingy ho an’ny hafa rehefa aty aoriana dia mety ho lasa zavatra manjavozavo izany traikefa izany.
Araka ny nolazain’ny Loholona Richard L. Evans teo amin’ny 60 taona lasa teo izay hoe: “Maro amintsika no milaza ny tenantsika ho Kristiana, nefa isika … dia tsy manaraka antsakany sy andavany ny zavatra lazainy. … Manaja Azy isika, saingy tsy manaraka Azy. … Mampiasa ireo teny nambarany isika, saingy tsy miaina izany.” “Talanjona Aminy isika, saingy tsy mitsaoka Azy.”
Mety ho toy ny ahoana ny fiainana raha toa ka nanome lanja ambony an’i Jesoa mihoatra noho ny fanonontononam-poana tsindraindray ny anarany izao tontolo izao.
Saingy tena tia Azy ny ankizy, ary izany fitiavana izany dia afaka miantraika amin’ny fifandraisana hafa misy eo amin’ny fainan’izy ireo. Amin’ny ankabeazany, na dia mbola kely aza ny zaza dia tena mora mitia izy ireo, tena mora mamela heloka izy ireo, ary mihomehy amin’ny endrika finaritra izy ireo, hany ka mambabo ny fo izay farany mangatsiaka sy mafy.
Dia mitohy hatrany hatrany ny lisitra. Fahadiovana? Fatokiana? Herim-po? Toetra?
Andao hiaraka hijery amiko ny fanetrentena teo anoloan’ Andriamanitra nasehon’ny tanora iray izay namako tena tiako.
Tamin’ny 5 janoary 2025, 91 andro lasa izay, dia nomena ny Fisoronana Aharôna i Easton Darrin Jolley ary notendrena ho diakona ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Tena efa ela i Easton no naniry fatratra ny hizara ny Fanasan’ny Tompo. Fa io fahafahana masina io anefa dia narahana tahotra mamparary kibo ny tsy hahomby, na hianjera, na hihomehezan’ny olona, na hahamenatra ny tenany sy ny fianakaviany.
Hitanareo, manana aretina tsy dia fahita sy tena manimba antsoina hoe dystrophie congénitale musculaire d’Ullrich (aretina tsy fahita firy mampalemy ny hozatra mpahazo ny zazakely) i Easton.” Nahatonga ny fiainany izay mbola tanora ho feno fanamby lehibe izany sady nandrava ny fanantenany sy ny nofinofiny momba ny hoavy. Tsy ho ela izy dia ho eo ambony seza misy kodiarana foana amin’izay. Tsy miresaka momba izay miandry azy ao aorian’izany ny fianakaviany.
Ny alahady taorian’ny fanendrena azy, dia nizara Fanasan’ny Tompo voalohany indrindra i Easton. Ary ny zavatra nanosika azy manokana tany anatiny dia ny fahafahany miseho sy manolotra ireo famantarana masina ireo tamin-drainy, izay evekan’ilay paroasy. Talohan’ny hanatanterahana io andraikitra io dia niangavy sy nitalaho izy, ary nitomany sy nitalaho, naka antoka fa tsy hisy olona, na iza na iza hanandrana hanampy azy. Noho ny antony maro, izay izy irery ihany no mahalala azy, dia nila nanao izany irery izy ary tsy nila fanampiana.
Rehefa avy namaky ny mofo sy nitsodrano izany ny mpisorona, izay famantarana maneho ny vatan’i Kristy torotoro, dia nandroso niaraka tamin’ny vatany tsy tomombana i Easton ka nandringa mba handray ny loviany. Nisy zana-tohatra telo lehibe anefa ny avy eo amin’ny gorodon’ilay efitrano fivoriana miakatra mankeo amin’ny lampihazo. Noho izany, rehefa nahazo ny loviany izy dia nanakatra faran’izay avo indrindra takany ary nametraka ny loviany teo amin’ilay fitazonana. Avy eo dia nipetraka teo amin’ny iray amin’ireo zana-tohatra ambony indrindra amin’ilay tohatra izy, dia nosintoniny tamin’ny tanany roa ny tongony havanana hiakatra ho eo amin’ny zana-tohatra voalohany. Avy eo dia nosintoniny ny tongony havia ho eo amin’izany zana-tohatra izany, dia toy izany hatrany mandra-pahatongany, tamim-pahasarotana, teo an-tampon’ilay tendrombohitra Everest ho azymanokana izay misy zana-tohatra telo.
Nihodina izy avy eo mandra-pahatongany teo amin’ny andry iray nahafahany nijoro. Niverina teo amin’ilay lovia izy. Dingana vitsivitsy monja sisa dia nijoro teo anoloan’ny eveka, dia ny rainy, izy, izay tsy maintsy nifehy ny tenany tsy hamihina io zanakalahy be herim-po sy mahatoky tanteraka io, niaraka tamin’ny ranomaso teny amin’ny masony ary nanaraka ny tavany. Ary i Easton, izay nahatsapa ho maivamaivana sy feno tsiky nameno ny tavany, dia mety ho niteny tsara hoe: “Izaho efa nankalaza [ny raiko ary] vitako ny asa nome[ny] Ahy hataoko.”
Ny finoana, ny tsy fivadihana, ny fahadiovana, ny fatokiana, ny voninahitra, ary amin’ny farany, ny fitiavana an’ilay rainy izay tiany hampifaliana tokoa. Ireo sy ny toetra am-polony maro hafa no mahatonga antsika ihany koa hiteny hoe: “Na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.”
Ranabavy sy rahalahy ary namana, ny voalohany indrindra amin’ny lisitr’ireo endri-javatra tsara indrindra fantatro dia ahitana zaza sy ankizy ary tanora izay misaina sy sarobidy tahaka ireo izay noresahintsika androany. Mijoro ho vavolombelona aho fa endriky ny fanjakan’ Andriamanitra miroborobo ety an-tany amin’ny heriny sy ny hatsaran-tarehiny rehetra izy ireo.
Amin’ny fanahin’ny fijoroana ho vavolombelona momba izany, izaho dia mijoro ho vavolombelona fa nahita ny zavatra izay nolazainy fa hitany ary niresaka tamin’ireo izay nolazainy fa niresahany i Joseph Smith tamin’ny fahatanorany. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Russell M. Nelson izay manetry tena sy madio dia mpaminany sy mpahita izay notendren’ Andriamanitra sy nomeny fanomezam-pahasoavana. Avy amin’ny famakiana boky nataoko nandritra ny androm-piainako, izaho dia mijoro ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna no boky mahafa-po indrindra novakiko hatrizay ary tena vato ifaharan’ny fitoerako kely ao amina fanjakana izay feno fitoerana. Mijoro ho vavolombelona aho fa mamerina amin’ny laoniny ny fiainako ny fisoronana sy ny vavaka—ny fisoronan’i Kristy sy ireo vavaka ataonareo. Fantatro fa marina izany rehetra izany ary ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’Ilay faran’izay mahatoky sy feno fanetrentena indrindra amin’ireo Zanak’ Andriamanitra rehetra—dia i Alfa sy Omega, ilay Izy Aho, ilay nombohina, ilay Vavolombelona mahatoky—dia ilay Tompo Jesoa Kristy, amena.