2025
Rafitra mitari-dalana antsika avy any an-danitra
Mey 2025


10:48

Rafitra mitari-dalana antsika avy any an-danitra

Rehefa mampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy isika dia ho hitantsika ny lalana mody, sady maharitra hatramin’ny farany no mifaly hatramin’ny farany.

Nanova ny fiainako i Jesoa Kristy rehefa natao batisa teo amin’ny faha-26 taonako aho tany Frutillar, Chili tany mamiko. Tamin’izany fotoana izany noho ny asako dia nitety ny ranomasina sy ireo renirano ary ireo farihy mahafinaritr’i Patagonie Chili aho. Taorian’ny batisako dia fomba fijery hafa sy vaovao no fahitako ny asako sy ny fiainako, niaiky marina aho fa “ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra.”

Any amin’ireo renirano no foy ireo zanaka saumon, raha ny rindra ara-natiora. Misy fotoana eo amin’ny fiainan’izy ireo dia mila milomano manaraka ny riaka izy mba hahatongavana any amin’ny ranomasina izay hahitan’izy ireo ny sakafony sy ny tontolo ilainy hahafahany mitombo.

Kanefa toerana mampidi-doza ihany koa ny ranomasina, izay misy biby mpihaza mihaodihaody sy mpanjono izay miezaka misambotra saumon amin’ireo fandrika marevaka izay toa maka endrika sakafo saingy tsy mahavoky azy ireo. Raha tafavoaka velona amin’ireo loza ireo ny saumon, dia ho afaka hampiasa ilay rafitra fitarihan-dalana mahery vaika hiverenana mananika ny renirano, hatrany amin’ilay toerana izay nahaterahan’izy ireo ihany, miatrika fanamby vaovao sy efa mahazatra. Ireo mpahay siansa dia nandalina ny fomba fifindran’izy ireo monina nandritra ny taona maro, ary nahita fa mampiasa karazana sarin-tany manietìka mitovitovy amin’ny GPS izy ireo mba hitari-dalana azy ireo mankamin’ny toerana farany itobiany amin’ny fomba voarefy tsara tsy mampino.

Afaka miverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra avokoa isika rehetra indray andro any, toerana izay niaviantsika. Ary tahaka ny saumon dia manana ny sarin-tany manana herintsintona ara-boajanahary manokana isika—na ny “Fahazavan’i Kristy”—hitari-dalana antsika ho any. Hoy i Jesoa nampianatra ireo mpianany: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”

Rehefa mampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy isika dia ho hitantsika ny lalana mody, sady maharitra hatramin’ny farany no mifaly hatramin’ny farany. Nampianatra ny Filoha Nelson fa “zara raha misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika ary tena mifandray amin’ny fifantohan’ny fiainantsika izany.”

Ny toetrantsika sy ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra

Mamaky isika ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana fa “ny tsirairay [amintsika] dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra. … Tany amin’ny fanjakana talohan’ny nahaterahana, ireo fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy dia nahafantatra sy nanompo an’ Andriamanitra tahaka ny Rainy mandrakizay ary nanaiky ny drafiny izay ahafahan’ireo zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratrarany any amin’ny farany ny anjarany tahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha mpandova ny fiainana mandrakizay azy.”

Talohan’ny nahaterahany teto an-tany i Jesoa Kristy dia niseho tamin’i Mosesy ary niresaka taminy tamin’ny anaran’ny Ray. Nilaza tamin’i Mosesy Izy fa manana asa lehibe hampanaovina azy. Niantso azy hoe “zanako lahy” im-betsaka ny Tompo nandritra izany fihaonana izany.

Taorian’izany traikefa izany dia tonga naka fanahy azy i Satana sady niteny hoe “Ry Mosesy, zanak’olona, miderà ahy”.

Niatrika ilay fakam-panahy i Mosesy tamin’ny fahatsiarovana ny toetrany araka an’ Andriamanitra ary niteny hoe: “Iza moa ianao? Fa indro izaho dia zanak’ Andriamanitra”. Nanafaka an’i Mosesy tamin’ny fanafihan’ny fahavalo ilay fahamarinana.

Ry rahalahy sy anabavy, tena misy ireo fandriky ny fiainana an-tany. Manintona izy ireny mazàna, saingy ny hany tanjona katsahin’izy ireo dia ny hanala antsika tsy ho ao amin’ny fizotry ny ranovelona izay mitondra antsika mankany amin’ny Ray sy ny fiainana mandrakizay.

Fantatro hoe tena misy ireo fandriky ny fiainana an-tany. Indray Alahady, fony aho mpikambana vaovao raha nampianatra tao amin’ny kilasin’ny fisoronana dia nisy fifampiresahana manafintohana nitranga. Sahirana aho vao vita ny lesoko. Tafintohina aho ary nahatsapa fa izaho no voa mafy. Sady tsy niteny aho no nizotra nankany amin’ny varavarana fivoahana, no sady nieritreritra fa tsy hiverina ao am-piangonana aloha elaela.

Tamin’izay fotoana izay indrindra no nisy mpihazona fisoronana iray be fitiavana nijoro teo anoloako. Nanasa ahy tamim-pitiavana izy hifantoka amin’i Kristy fa tsy amin’ilay toe-javatra niainanay tao amin’ny kilasy. Rehefa niara-nandinika ilay zavatra niainana izahay dia nozarainy tamiko fa naheno feo izy niteny taminy nanao hoe “Mandehana araho izy; manan-danja amiko izy”.

Ny Loholona Vargas sy ireo mpitarika nandeha taoriany.

Ry namako malala, manan-danja Aminy daholo isika rehetra. Nampianatra ny Filoha Nelson fa “noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po amintsika.” Ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra no mahatonga antsika handray ny fanampiany masina.

Ny filàna hanina mahavelona

Tsy misy hafa amin’ny filàn’ny saumon hanina mahavelona any anaty ranomasina mba hahafahany mitombo, isika ihany koa dia mila mamelona ara-panahy ny tenan-tsika mba hisorohana ny fahafatesana noho ny tsy fanjarian-tsakafo ara-panahy. Ny vavaka, ny soratra masina, ny tempoly sy ny fanatrehantsika tsy tapaka ireo fivoriana amin’ny Alahady no hiankinan’ny aina eo amin’ireo lisitra sakafontsika ara-panahy.

Tamin’ny Nôvambra 1956 i Ricardo García sy ny fianakaviany dia niditra tamin’ny ranon’ny batisa tany Chili, lasa mpikamban’ny Fiangonana voalohany tany amin’ny fireneneko izy ireo. Andro iray monja mialoha ny nahafatesany dia nanao fanambarana nanoloana ny fianakaviany sy ireo namany izy hoe: “Taona maro lasa izay dia nanasa ahy ireo misiônera mba ho sambatra miaraka amin’ny fianakaviako. Faly tokoa aho. Lazao amin’ny olona rehetra eto Chili fa ny filazantsara dia fahasambarana.”

Rehefa nihinana sakafo mahavelona tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Ricardo dia nanokana ny tenany manontolo hanompoana an’ Andriamanitra sy ny namany tamim-pitiavana. Nitahy taranaka nifandimby maro ny ohatra amin’ny maha-mpianatra nasehony, anisan’izany aho. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “ny lehilahy heniky ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy mifaly fotsiny amin’ny fitondrana fitahiana ho an’ny fianakaviany, fa mitety an’izao tontolo izao, maniry ny hitahy ny zanak’olombelona rehetra.”

Miverina any amin’ny fonenantsika any An-danitra

Any anatintsika tsirairay avy any dia misy faniriana ny hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra, ary i Jesoa Kristy no rafitra mitari-dalana antsika avy any an-danitra. Izy no lalana. Ny sorona fanavotana nataony no mahatonga antsika ho afaka manao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra. Raha vao manao fanekempihavanana isika dia hiditra ao anatin’ireo fotoana hilomanosantsika manohitra ny toha-drivotra. Ny loza, ny fahadisoam-panantenana, ny fakam-panahy ary ny fijaliana dia hizahana toetra ny finoantsika sy ny herintsika ara-panahy. Mangataha fanampiana. Takatr’i Jesoa Kristy ny enta-mavesatsika ary maniry ny hifampizara izany amintsika lalandava Izy.

Tadidio fa Izy dia fantatra amin’ny hoe “lehilahy ory sady zatra ny fahoriana.” Nampianatra ny Mpamonjy fa: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” Ny sorona fanavotana nataony no mahatonga ny fahotantsika ho voavela, ka tsy ho tsaroany intsony izy ireny.

Mety tsy ho adinontsika tanteraka ireo fahotantsika, ao anatin’ny fianarantsika eto an-tany izany, mba hahatonga antsika hahatsiaro ny tsy hamerina azy ireny. Fa hahatsiaro Azy kosa isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo any am-piangonana isaky ny Alahady. Io ôrdônansy io dia ampahany manan-danja amin’ny fitsaohana sy ny fivoarana ara-panahy. Tonga ny fifaliana rehefa takatsika fa tsy andro iray toy ny mahazatra fotsiny izy ity. “Ny sabata no natao ho an’ny olona” miaraka amin’ny fikasana ny hanomezana antsika fitsaharana amin’izao tontolo izao, sy hanavaozana ny vatana sy ny fanahintsika.

Mahatsiaro Azy ihany koa isika rehefa mandeha any amin’ny tempoly, dia ny tranon’ny Tompo. Ireo tempoly dia manome antsika fahalalana lalina kokoa momba an’i Jesoa Kristy ho ilay ivon’ny fanekempihanana izay mitondra antsika mankamin’ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.

Nahazoako fiadanam-po sy fanantenana lehibe mahakasika izay hiafarantsika rahatrizay ny fanatrehana tany amin’ny tempoly. Niaina fifandraisana maro avy any an-danitra aho tamin’olona avy amin’ny lafiny roa amin’ny voaly. Nahita fahagagana manasitrana aho teo amin’ny fiainan’ireo zanako madinika, ny roa amin’ireo manana aretina miafina izay mitaky fitsaboana isan’andro mandritra ny andro sisa iainany.

Mifaly ny fianakavianay rehefa miresaka momba ny drafitry ny fahasambarana izahay. Mamiratra ny endrik’ireo zanako rehefa mandre fa noho i Jesoa Kristy, “ny fahorian’[izy ireo] dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy.” Tianay tokoa ireo zanakay, ary fantatray fa indray andro any, araka ny nampianarin’ny Filoha Jeffrey R. Holland, dia “hijoro eo anoloan[ay izy ireo] amin’ny vatana mahafinaritra sy feno voninahitra ary tonga lafatra tanteraka ao anatiny vatana sy fanahy feno hatsarana.” Ireo fenekempihavanana nataontsika dia mampanatona antsika amin’ Andriamanitra ka mahatonga ny zavatra tsy azo tanterahina ho lasa azo tanterahina, ka hazavana sy fiadanana no mameno ny faritra rehetra izay maizina sy feno ahiahy.

Noho i Jesoa Kristy, dia misy foana ny fanantenana sy antony mitombona tsara hanohizana mitia sy mivavaka ary manohana ireo izay akaiky antsika.

Fantatro fa velona Izy. Mahafantatra antsika Izy ary tia antsika. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainan’izao tontolo izao.

Manasa antsika rehetra aho anio hampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Ny fanaovantsika izany dia hanampy antsika hiala amin’ireo fandriky ny fakam-panahy sy ny fahatafintohinana ary ny fiheveran-tena ho voa mafy. Hijoro toy ny tempoly isika—masina sy mafy orina ary tsy miovaova. Ho zakantsika ireo rivodoza, ary ho tafody soamantsara isika, sady maharitra hatramin’ny farany no mifaly hatramin’ny farany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.