“Loholona Kevin G. Brown,” Liahona, mey 2025.
Loholona Kevin G. Brown
Fitopololahy Manampahefana Ambony
Fony 12 taona i Kevin Brown dia nampanao fanamby azy ny rahavavy misiônera iray mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Noho izany dia nivavaka sy namaky ary nivavaka indray izy isa-maraina. Nanontany ny Ray any An-danitra izy tao anatin’ny vavaka tsirairay raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna.
Tsaroany indray maraina rehefa nivavaka izy dia “tsy nila nametraka ilay fanontaniana akory. Tonga tamin’ny fomba tena lalina ny valintenin’ny Tompo.” Nahatsapa ny Tompo nilaza taminy izy hoe, “Fantatro ianao ary tiako ianao. Zanako lahy ianao.”
Nanamafy taminy avy hatrany ny Fanahy Masina hoe: “Fahamarinana avy amin’ Andriamanitra ity. Marina ny Bokin’i Môrmôna. Mpaminany i Joseph Smith.” Nanova ny fiainany io zavatra niainana io.
Ny Loholona Brown dia nankasitraka ny hery mitarika nentin’ilay rahavavy misiônera sy ireo olona hafa izay nahatonga azy ho eo amin’izao toerana izao amin’izao fotoana izao. Hatramin’ny fahazazany dia niaina ny hery mitarika nentin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanampy azy izy. Izany dia nanomboka tany amin’ny filohan’ny distrikany hatrany amin’ireo mpampianatra azy tao amin’ny Kilonga, indrindra indrindra i Nadine vadiny izay nitondra fiantraikany tena lehibe teo aminy taorian’ny Tompo.
I Kevin G. Brown dia teraka tamin’ny 18 mey 1976 tany Manchester, Jamaïque. Zanak’i Desmond Holness sy Patsy Williams Brissett izy. Nanambady an’i Nadine Lezanne Carter izy tamin’ny 1999. Manan-janaka dimy izy ireo.
Nahazo mari-pahaizana licence tao amin’ny University of Technology, Jamaïque ny Loholona Brown tamin’ny 2008. Nahazo mari-pahaizana maîtrise momba ny fitantanan-draharaha sy ny pôlitikam-panjakana tao amin’ny University of the West Indies tamin’ny 2012 izy. Nanomboka tamin’ny taona 2001 dia niasa tao amin’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara an’ny Fiangonana izy.
Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Utah izy tamin’ny fotoana niantsoana azy.