“Loholona Brian J. Holmes,” Liahona, mey 2025.
Loholona Brian J. Holmes
Fitopololahy Manampahefana Ambony
Nilaza ny Loholona Brian J. Holmes fa izy sy i Maggie vadiny dia vavolombelon’ilay fampanantenana nataon’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88 fa Izy “dia handeha eo alohanareo.”
“Izany no nataony taminay nandritra ny fiainanay manontolo,” hoy ny Loholona Holmes. “Rehefa mampitodika ny fiainantsika any amin’ny Tompo isika dia afaka manao zavatra bebe kokoa avy amin’izany mihoatra noho izay azontsika atao samirery Izy.”
Ao anatin’ilay anjara asany vaovao amin’ny maha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy dia manantena ny Loholona Holmes fa hanana fahafahana hijoro ho vavolombelona momba ny anjara asa fototra sahanin’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra izy.
“Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra ny zanaky ny Raintsika any An-danitra rehetra,” hoy izy.
I Brian J. Holmes dia teraka tamin’ny 5 desambra 1977 tao Salt Lake City, Utah. Iray tamin’ireo zanaka niisa 12 naterak’i Michael H. Holmes sy Marian R. Holmes izy. Nanao asa fiitoriana ny filazantsara tany Munich, Allemagne izy fony izy zatovolahy. Nanambady an’i Maggie Wilson tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy taorian’izay tamin’ny 29 martsa 1999. Ny Loholona sy Rahavavy Holmes dia manan-janaka enina ary nipetraka tany Queen Creek, Arizona, tamin’ny fotoana niantsoana azy.
Ny Loholona Holmes dia nahazo mari-pahaizana licence momba science politique sy Juris Doctor (mari-pahaizana momba ny lalàna Amikana Avaratra) izay samy tany amin’ny Arizona State University no nahazoany izany. Izy dia filoha lefitry ny Holmes Homes tao Arizona, sy nanorina ny Holmes Law, PLC, ary vao haingana no lehiben’ny mpisolovava tao amin’ny Charter One, LLC.
Talohan’ny niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony dia Fitopololahin’ny Vondromparitra Atsimo Andrefan’i Amerika Avaratra izy. Izy koa dia efa filohan’ny tsatòka sy mpikambana tao amin’ny filankevitra avo ary eveka.