“Manorina an’i Nauvoo,” Namana, septambra 2025, 26–28.
Tantara ao amin’ny soratra masina
Manorina an’i Nauvoo
Nasain’ny Tompo niangona tany amin’ny toerana vaovao ireo Olomasina. Teo akaikin’ny renirano lehibe iray izany, izay toerana misy tany mando sy mamotaka. Toa toy ny toerana tsy tsara hanorenana tanàna izany. Saingy fantatr’i Joseph Smith Mpaminany fa afaka manao izany ho tonga kanto izy ireo miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.
Niasa mafy ireo Olomasina mba hahatonga izany ho toerana tsara hipetrahana. Nantsoin’i Joseph hoe Nauvoo ilay tanàna, izay midika ho “toerana kanto.”
Tian’ny Tompo hanangana tempoly ao Nauvoo ireo Olomasiny. Nanomboka niasa haingana ny vahoaka.
Nanana fitahiana lehibe ny Tompo omena ny vahoakany. Hanao fanekempihavanana na fampanantenana manokana amin’ny Tompo izy ireo ao amin’ny tempoly. Hianatra momba ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany rehetra ihany koa izy ireo.
Niasa mafy ireo Olomasina nanangana ilay tempoly. Naharitra ela izany, saingy nientanentana izy ireo ny hianatra momba ireo fampanantenana manokana izay an’ny Tompo ho azy ireo ao amin’ny tempoliny.