2025
Noho ny tempoly
Septambra 2025


“Noho ny tempoly,” Namana, septambra 2025, 30–31.

Mpamaky lay tany amin’ny tany rehetra

Noho ny Tempoly

Tantara marina avy any Vanuatu.

Ny tavan’ny zazalahy iray mitsiky eo anoloan’ny sarintanin’i Vanuatu

“Tonga eto ny misiônera!” Hoy i Graham niantso. Nanofahofa tanana ireo misiônera izy tamin’ny izy ireo nandeha nankany an-tranony.

Natao batisa tamin’ny taona lasa i mama sy i dada ary i Nunu zokin’i Graham lahy. Mbola tanora loatra i Graham sy i Job zandriny lahy raha hatao batisa. Saingy tian’izy ireo ihany ny mianatra avy amin’ireo misiônera.

“Anio isika dia hiresaka momba ny tempoly,” hoy i Elder Hale. “Trano voatokana izany izay ahafahanao manao fampanantenana amin’ Andriamanitra sy hofehezina amin’ny fianakavianao. Midika izany fa afaka ny hiaraka mandrakizay ianareo.”

“Any Nouvelle Zélande ny iray akaiky indrindra.” Nampiseho sarina trano fotsy tsara tarehy iray i Elder Singh. “Lavitra ny dia. Saingy ho mendrika izany ireo fitahiana.”

“Te handeha izahay,” hoy i mama.

Nanomana ny dian’izy ireo ho any amin’ny tempoly niaraka tamin’ny fianakaviana iray hafa avy ao am-piangonana ny ray aman-drenin’i Graham. Izy ireo no ho fianakaviana roa voalohany avy any Vanuatu mba hiditra ao amin’ny tempoly!

Fiaramanidina misidina mankany amin’ny tempoly miaraka amin’ny fiara fitateram-bahoaka mitondra mankany.

Volana vitsy taty aoriana dia tonga ilay andro nanaovan’izy ireo ny diany. Izany no fotoana voalohany ho an’i Graham nitaingina fiaramanidina, ary nahafinaritra izany. Nijery ireo rahona sy ny ranomasimbe teo ambanin’izy ireo izy. Naka sary tao an-tsainy ilay trano fotsy mijoalajoala izy. Tsy andriny ny nahitana izany!

Vantany vao tafapetraka izy ireo dia nandeha fiara fitateram-bahoaka. Dia tena niontsinkontsina izany, ary reraka i Graham. Saingy efa ho tonga mihisy izy ireo.

“Jereo!” Hoy i Graham nanondro ny varavarankely. Teo ilay izy! Mbola tsara tarehy kokoa noho ny amin’ny sary izany.

Tao anatin’ny tempoly indray, dia nangina sy feno fiadanana. Nanao akanjo fotsy avokoa izy ireo. Nipetraka tao amin’ny efitrano fiandrasana i Graham sy ireo rahalahiny nandritra ny fotoana vitsivitsy ary nijery ny sarin’i Jesoa Kristy.

Avy eo dia nisy mpiasan’ny tempoly iray nitarika azy ireo ho any amin’ny efitrano famehezana. Nandohalika teo amin’ny alitara voarakotra lamba malefaka ny ray aman-drenin’i Graham. Toa faly ery izy ireo!

Nandohalika teo anilan’i mama sy i dada i Graham sy ireo rahalahiny. Nijery ireo fitaratra lehibe sady lava teo amin’ny rindrina izy ireo. Naneho ny taratr’izy ireo nifanesisesy maro be ireo fitaratra mifanatrika.

“Mampahatsiahy anareo ireo fitaratra fa afaka ny hiaraka mandrakizay ianareo,” hoy ilay mpiasan’ny tempoly.

Nahatsapa ho faly sy voaro i Graham. Ohatran’ny hoe namihina azy mafy ny Tompo.

Vetivety foana dia tonga ny fotoana hodiana. Tao anaty fiara fitateram-bahoaka sy tao anaty fiaramanidina dia mbola nieritreritra ilay fahatsapana manokana nananany tany amin’ny tempoly i Graham.

Andro vitsy taorian’izay dia nisy tafio-drivotra lehibe tonga. Ireo hazo rofia dia toa ho tapaka hizara roa!

Natahotra i Graham. “Tsy haninona ve isika?”

“Eny!” hoy i Dada. “Saingy mahery ilay rivotra. Nilaza ireo misiônera mba hiangona ao amin’ny trano fiangonana mandra-pisavan’ny tafio-drivotra.”

Fianakaviana mipetraka eo amin’ny seza lava iray mijery hazo tsofin’ny rivotra eo am-baravarankely

Nanampy an’i mama nitondra sakafo sy lamba firakotra vitsivitsy nankao am-piangonana i Graham. Mifofofofo ny rivotra!

Nahatsapa ho nahazo aina kely i Graham tao anatiny. Teo avokoa ireo namany ao am-piangonana. Saingy mbola nandre ny fifofofofon’ny rivotra izy.

“Dia ahoana izany ny tranontsika?” Hoy i Graham nanontany.

“Tsy maintsy miandry isika mandra-pitsahatry ny tafio-drivotra mba hahitana izany.” Nofihinin’i mama izy. “Ny tena manan-danja dia ny hoe voaro ny fianakaviantsika. Tsaroanao ve ny zavatra tsapanao tao amin’ny tempoly?”

Nihatokatoka i Graham. “Nahatsapa ho nahazo aina sy voaro aho.”

Nitsiky i dada. “Ary noho i Jesoa Kristy sy ny famehezana antsika tany amin’ny tempoly dia afaka ny hiaraka mandrakizay isika.”

Nieritreritra ilay fihetseham-po ho nahazo aina sy ilay fiadanana tsapany tao amin’ny tempoly i Graham. Marina ny an’i dada. Noho i Jesoa Kristy sy ireo fanekempihavanan’ny tempoly dia afaka ny ho fianakaviana mandrakizay izy ireo. Ary satria fantany izany, dia hilamina tokoa ny zava-drehetra.

Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Eduardo Marticorena